Avia, hanaraka Ahy
24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30: “Asa mahatalanjona sy mahagaga iray”


“24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30: -Asa mahatalanjona sy mahagaga iray,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Jesoa nanampy vehivavy iray

Hitantana anao Izy nataon’i Sandra Rast

24 febroary–1 martsa

2 Nefia 26–30

“Asa mahatalanjona sy mahagaga iray”

Mialoha ny hanombohanao ny fandrafetana atrikasa hianaran-javatra ho an’ny ankizy ao amin’ny kilasinao dia halalino ny 2 Nefia 26–30. Hanasa ny Fanahy hitarika ny drafitra ataonao izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Hazony ambony ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray ary hazavao fa hitan’i Nefia mialoha fa ho manan-danja amin’ny androntsika ny Bokin’i Môrmôna. Angataho ny ankizy hizara zavatra iray izay nianaran’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Nefia 26:33

Tian’i Jesoa Kristy hanatona Azy ny olona rehetra.

Nijoro ho vavolombelona i Nefia fa tia ny olona rehetra ny Mpamonjy, na iza izy ireo na iza, ary manasa azy rehetra Izy “hanana anjara amin’ny hatsaram-pony.”

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’olona avy amin’ny foko sy kolontsaina samihafa (mety hahita vitsivitsy ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana ianao). Angataho ny ankizy mba hamariparitra ny sasany amin’ireo antsipirian-javatra hitan’izy ireo ao amin’ireo sary. Sokafy ao amin’ny 2 Nefia 26:33 ny soratra masina ary vakio ny hoe: “[I Jesoa Kristy dia] nanainga ny rehetra hanatona Azy.” Iaraho mamerina amin’ny ankizy io fehezan-teny io isaky ny manondro ny sary tsirairay ianao. Dia tondroy ny ankizy tsirairay avy eo ary lazao hoe: “I Jesoa Kristy dia manainga anao hanatona Azy.” Inona no azontsika atao mba hanatonana ny Mpamonjy?

  • Iaraho manao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny fitiavana ny olona rehetra, toy ny “Je viens vers toi”   (Chants pour les enfants, 78, ). Hamafiso ireo teny na andian-teny ao amin’ilay hira izay tsapanao fa manamafy ilay hafatra ao amin’ny 2 Nefia 26:33.

2 Nefia 28:2; 30:6

Fitahiana ny Bokin’i Môrmôna.

Diniho ny fomba hanampianao ny ankizy ao amin’ny kilasinao hahatsapa fa ny Bokin’i Môrmôna dia “fitahiana iray teo an-tanan’ Andriamanitra ho azy” (2 Nefia 30:6).

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny ankizy ny Bokin’i Môrmôna iray nofonosina ho toy ny fanomezana, ary lazao azy ireo fa misy zavatra sarobidy ao anatin’izany. Avelao izy ireo hihazona ilay fanomezana, ary omeo famantarana izy ireo mba hanampy azy ireo hamantatra izany. Ohatra: Zavatra iray izay nomen’ny Tompo antsika io, manampy antsika hino an’i Jesoa Kristy io, sy ny sisa. Vakio avy ao amin’ny 2 Nefia 30:6 ny hoe: “Fitahiana iray teo an-tanan’ Andriamanitra ho azy izany.” Avelao ny ankizy hanokatra ilay fanomezana, dia hazavao avy eo fa tsy maintsy manokatra ny Bokin’i Môrmôna isika ary mamaky izany mba hahazoana ireo fitahiana voarakitra ao.

  • Vakio amin’ny ankizy ny 2 Nefia 28:2. Hazavao fa i Nefia dia nahita fa ny Bokin’i Môrmôna dia “hanan-danja lehibe” ho antsika, izay midika hoe hanampy antsika sy hitahy antsika izany. Lazao amin’ny ankizy ny antony maha-manan-danja lehibe ny Bokin’i Môrmôna. Zarao ny andininy na tantara tianao indrindra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia asao ny ankizy hizara ny azy ireo. Mampisehoa sary avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara mba hanomezana hevitra azy ireo.

2 Nefia 28:30

Ampianarin’ny Ray any An-danitra tsikelikely aho.

Azonao atao ohatra ny mieritreritra lesona azo tsapain-tanana iray na asa atao iray izay hanampy ny ankizy hahita ny dikan’ny hoe mianatra “andalana anampy andalana.” Ireto sosokevitra eto ambany ireto dia mety hitondra hevitra vitsivitsy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanambatra piozila tsotra iray na hanangana zavatra amin’ny goba. Omeo singana piozila iray na goba iray isaky ny mandeha izy ireo, ary raha eo am-panangana izy ireo dia hazavao fa izany no fomba hampianaran’ny Ray any An-danitra antsika, fahamarinana iray isaky ny mandeha. Inona no zavatra hitranga raha toa ka miezaka manambatra indray mandeha ireo singany rehetra isika?

  • Ampianaro fahaiza-manao iray ny ankizy ka asehoy tsikelikely ny dingana arahina, toy ny famatorana karavato na fanaovana sary. Vakio avy ao amin’ny 2 Nefia 28:30 ny hoe: “Hanome ny zanak’ olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Aho, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely.” Nahoana Andriamanitra no mampianatra antsika tsikelikely?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Nefia 26:23–28, 33

Tian’i Jesoa Kristy hanatona Azy ny olona rehetra.

Ampio ny ankizy hahatsapa fa ilay fanasana mba hanatona an’i Kristy dia miantefa amin’izy ireo sy amin’ny olona rehetra.

Asa atao azo tanterahina

  • Ifampiresaho amin’ny ankizy ny mikasika ny fotoana iray izay nanasan’izy ireo ny namany na fianakaviany mba hanatrika fotoana miavaka iray, toy ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahana. Inona no nataon’izy ireo mba hamporisihana ny olona ho tonga? Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny 2 Nefia 26:23–28, 33, ary ampio izy ireo hahita izay asain’ny Tompo ataontsika. Asaivo manamboatra karatra na taratasy fanasana iray izay manasa ny olona iray hanatona an’i Jesoa Kristy ny ankizy. Amporisiho izy ireo mba hampiasa fehezan-teny iray avy amin’ireo andininy ireo ao anatin’ny fanasana namboariny (raha ilaina dia manorata fehezan-teny vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe hoentina manampy).

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny 2 Nefia 26:33 ary ampio izy ireo mba hitanisa ireo olona izay, araka io andininy io, asaina mba “hanana anjara amin’ny hatsaram-pon[’ny Tompo].” (Azonao atao ny manazava fa ny hoe “hafa firenena” dia ireo izay tsy mino an’ Andriamanitra.) Asao izy ireo hanampy ny anaran’izy ireo ao amin’ilay lisitra. Ahoana no fomba handraisantsika anjara amin’ny hatsaram-pon’ny Tompo?

  • Resaho vetivety amin’ny ankizy ny fahasamihafan’ireo ankizy manerana izao tontolo izao, ary mijoroa ho vavolombelona fa tia azy rehetra ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 26:24, 33). Asao ny ankizy hanao ny sarin’i Jesoa miaraka amin’ny ankizy samihafa marobe.

2 Nefia 28:27–30

Manambara fahamarinana “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” ny Ray any An-danitra.

Nampitandrina i Nefia mikasika ny fihetsika hoe tsy mila fahamarinana bebe kokoa avy amin’ Andriamanitra isika. Ampio ny ankizy hahita ny fianarana filazantsara ho toy ny zavatra rantovina tsikelikely sy mandritra ny androm-piainana manontolo.

Asa atao azo tanterahina

  • Misafidiana fehezan-teny iray avy ao amin’ny 2 Nefia 28:30, ary angataho ny ankizy iray mba hanoratra ny teny voalohany eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny ankizy iray hafa avy eo mba hanoratra ny teny manaraka, dia toy izany hatrany mandra-pahavoasoratra ilay fehezan-teny manontolo. Ahoana no itovian’io zavatra natao io amin’ny fomba fanomezan’ Andriamanitra fahamarinana ho antsika?

  • Ampio ny ankizy hamaky sy hahatakatra ny 2 Nefia 28:27–30, ka hitady ireo valin-teny amin’ny fanontaniana toy ity: Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny olona izay mino fa manana fahamarinana ampy sy tsy mila ankoatra izany izy ireo? Asaivo mandroso hevitra izy ireo ny amin’ny fomba ahafahantsika mampiseho ny Tompo fa te hahazo fahamarinana bebe kokoa avy Aminy isika.

2 Nefia 29:7–11

Miara-miasa ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly.

Satria manana ny Baiboly isika dia mino ny olona sasany fa tsy ilaina ny Bokin’i Môrmôna. Ireo andininy ireo dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra sy hanazava amin’ny hafa ny antony hankasitrahantsika ireo bokin-tsoratra masina roa ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ny ankizy iray ary omeo tahadikan’ny Baiboly ny ankizy iray hafa. Anontanio azy ireo ny mampitovy ireo boky ireo sy ny tsy mampitovy azy ireo. Mampisehoa sarintanin’izao tontolo izao amin’ny ankizy, dia ampio izy ireo hampifandray ny boky tsirairay amin’ny faritr’izao tontolo izao izay nivoahan’izany. Vakio sy ifanakalozy hevitra ny 2 Nefia 29:8. Nahoana isika no nomen’ Andriamanitra “tenivavolombelona” roa na bokin-tsoratra masina roa izay mampianatra antsika momba Azy?

  • Asaivo alain’ny ankizy sary an-tsaina hoe nisy namana iray nilaza tamin’izy ireo hoe: “Tsy mila mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Efa manana ny Baiboly aho.” Iaraho mamaky ny 2 Nefia 29:7–11, ka hazavao ireo fehezan-teny sy hevi-dehibe raha ilaina. Dia angataho izy ireo avy eo hizara ireo hevitra mikasika izay mety holazain’izy ireo amin’ny naman’izy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanazava amin’ny fianakavian’izy ireo ny fomba iarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa mba hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Ny olona no ifantohy fa tsy ny lesona. Sosokevitra fotsiny ihany ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity. Malalaka ianao ny hampifanaraka izany amin’ny zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao sy ny fahaiza-manaon’izy ireo.

Hamoaka printy