Avia, hanaraka Ahy
16–22 martsa. Jakôba 5–7: “Miara-miasa amintsika ny Tompo”


“16–22 martsa. Jakôba 5–7:-Miara-miasa amintsika ny Tompo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020

“16–22 martsa. Jakôba 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
lehilahy miasa ao amin’ny alan’oliva kely

Fanoharana mikasika ny hazo oliva, nataon’i Brad Teare

16–22 martsa

Jakôba 5–7

Miara-miasa amintsika ny Tompo

Aoka ianao handalina sy hisaintsaina ary hivavaka mba hahafantatra ny fomba tena tsara hampianarana ireo fahamarinana hita ao amin’ny Jakôba 5–7. Raketo ireo fahatsapana voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo hafatra hita ao amin’ny Jakôba 5–7 dia asao ny ankizy hiresaka mikasika ireo zavatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ahoana no fomba hanehoantsika ny fitiavantsika ny hafa?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jakôba 5

Manompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra ireo misiônera.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mizara ny fanoharana mikasika ny hazo oliva amin’ny fomba ahafahan’ny ankizy mahatakatra azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina hazo iray na mandehandehana any ivelany mba hijery hazo iray, dia avereno resahina ireo lafin-javatra tena manan-danja ao amin’ny fanoharana mikasika ny hazo oliva ao amin’ny Jakôba 5. Ohatra: ny Tompon’ny tanimboly (izay afaka maneho an’i Jesoa) dia niasa mafy mba hikolokoloana ireo hazo olivany (izay afaka maneho ny olona ety an-tany) satria tena niraharaha azy ireo Izy. Niantso mpiasa (izay afaka maneho ireo misiônera) Izy mba hanampy amin’ny fikarakarana ireo hazo. Mifidiana andininy iray na roa avy ao amin’ny Jakôba 5 mba hovakin’ny ankizy (toy ny andininy 71–72).

  • Anontanio ny ankizy raha mahafantatra olona iray izy ireo izay manao asa fitoriana, na miresaha mikasika ny olona iray izay fantatrao. Ampio ny ankizy hitady eo amin’ny sarintany iray ireo toerana hanompoan’ireo misiônera ireo. Hazavao fa nampitahain’i Jakôba tamina andiana hazo oliva izao tontolo izao. Ireo hazo dia ny olona ety an-tany ary ny fikarakarana atao amin’ireo hazo ireo dia toy ny zavatra ataon’ireo misiônera ho an’ny zanak’ Andriamanitra. Inona no ataon’ireo misiônera mba hitahiana ny Zanaky ny Ray any An-danitra? Miaraha mitady ny sasantsasany amin’ny valin’io fanontaniana io ao anatin’ny hira iray toy ny hoe “Appelés à servir” (Chants pour les enfants, 94). Ahoana no ahafahantsika hitovy amin’ny misiônera?

Sary
mpivady zokiolona eo amin’ny solosaina miaraka amin’ny olon-kafa

Ny asa fitoriana dia iray amin’ireo fomba ahafahana manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiverina eo anatrehany.

Jakôba 6:5

Tia ahy ny Raiko any An-danitra.

Ahoana no ahafahanao mampianatra ny mpianatrao fa tian’ Andriamanitra ny zanany rehetra ary manolotra ny “sandrin’ny famindram-pony” amin’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy mba hifamihina. Inona no tsapantsika rehefa mamihina antsika ny olona iray tiantsika? Vakio amin’ny ankizy ny Jakôba 6:5 ary hazavao fa ireo fehezan-teny hoe “ifikaran’ [Andriamanitra] aminareo” ary “mitolotra aminareo ny sandrin’ny famindram-pony” dia mampianatra fa tia antsika ny Ray any An-danitra ary tiany hiverina any Aminy isika indray andro any.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fitiavana toy ny hoe “Je ressens son amour” (Chants pour les enfants, 42). Asao ireo mpianatra hilaza zavatra izay manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Jakôba 7:1-23

Afaka mijoro amin’izay fantatro fa marina aho.

I Jakôba dia ohatra tena tsara momba ny olona iray nanana fijoroana ho vavolombelona mafy orina izay nanampy azy hiaro ny fahamarinana eo anatrehan’ny fanoherana.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny fomba ahafahan’ny ankizy mahatakatra azy ny tantaran’i Jakôba sy i Serema ao amin’ny (Jakôba 7:1–23). Azonao ampiasaina ny “Toko 10: Jakôba sy Serema” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 27-29, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Avereno tantaraina ilay tantara avy eo, saingy amin’ity indray mitoraka ity dia avelao ny ankizy hanampy amin’ny fanomezana ny antsipiriany. Anontanio azy ireo ny zavatra nianarany avy amin’i Jakôba. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

  • Asao ny ankizy hihira hira iray momba ny fisafidianana ny tsara, toy ny “Fais donc le bien” na “Défends le bien” (Chants pour les enfants, 80, 81). Angataho izy ireo mba hitsangana isaky ny mihira ny teny hoe bien na loyal.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jakôba 5

Miraharaha ny olony ny Tompo.

Nitantara ilay fanoharana mikasika ny hazo oliva i Jakôba mba hanasana ny olony hanatona an’i Kristy. Azo tanterahina koa izany ho an’ireo ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio sy hazavao amin’ny ankizy ireo andininy manan-danja izay mamintina ny fanoharana momba ny hazo oliva, toy ny Jakôba 5:3–4, 28–29, 47, sy 70–72, ary asao ny ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra faritan’ireo andininy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny zavatra tsapan’ny Tompo mikasika ny olony? Angataho ny ankizy mba hanao toy ny hoe mikarakara hazo oliva iray eo am-pamintinanao fohifohy ny andininy 61–71 (afaka manao fihetsika toy ny mangady, manondraka sy ny sisa izy ireo). Asao ny ankizy vitsivitsy hamaky ny Jakôba 5:11, 41, 47, sy 72, ka hitady ireo zavatra izay mampiseho ny firaharahian’ny Tompon’ny tanimboly fatratra (Jesoa Kristy) ireo hazo. Inona no ataon’ny Tompo mba hampisehoana fa miahy antsika Izy? Ilay horonan-tsary “Old Testament Olive Vineyard” (ChurchofJesusChrist.org) dia afaka manampy amin’ity asa atao ity.

  • Mitanisà sariohatra sasantsasany hita ao amin’ny Jakôba 5 eny amin’ny solaitrabe toy ny hoe tanimboly, tompon’ny tanimboly, mpanompo ary ireo hazo oliva. Dia manaova lisitra iray hafa indray an’ireo zavatra asehon’ireo sariohatra ireo tsy amin’ny tena filaharany marina, toy ny hoe izao tontolo izao, ny Mpamonjy, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na misiônera ary ny olon’ Andriamanitra. Iaraho mamaky ireo andininy avy ao amin’ny Jakôba 5 izay milaza ireo sariohatra ireo ary ampio ny ankizy hanoritra tsipika eny amin’ny solaitrabe izay mampifandray ireo sariohatra ireo amin’ireo mety ho dikany (jereo mba hahitana ohatra ny, andininy 3–4, 28–29, 47, 70–72).

Jakôba 6:4–5

Tian’ny Ray any An-danitra aho ary hamela ny fahotako Izy rehefa mibebaka aho.

Zava-dehibe ny manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa tia azy ireo Andriamanitra ary Izy dia hamela foana ny fahotan’izy ireo rehefa mibebaka amin-kitsim-po izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova tabilao eny amin’ny solaitrabe izay mizara roa ka ahitana ny lohateny hoe, Ray any An-danitra sy Isika. Iaraho mamaky ny Jakôba 6:4–5, ary angataho ny antsasaky ny mpianatra mba hitady ireo fehezan-teny izay miantefa amin’ Andriamanitra ary ny antsasany hafa mba hitady fehezan-teny izay miantefa amintsika. Soraty eo amin’izay faritra tokony hisy azy ny zavatra hitan’izy ireo. Ampio izy ireo hamaritra ireo teny izay tsy takatr’izy ireo.

  • Zarao ny tantaran’ny Loholona Allen D. Haynie mikasika ny nampihoson-doto azy tao anatin’ny lavaka feno fotaka tao anatin’ilay hafany hoe “Mahatsiaro ilay nametrahantsika fitokiana” (Liahona, nôv. 2015, 121–123). Inona no ampianarin’izany tantara izany antsika mikasika ny zavatra tokony hataontsika mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra? Inona koa no zavatra hafa ianarantsika avy amin’ny Jakôba 6:4–5?

Jakôba 7:1–23

Afaka mijoro amin’izay fantatro fa marina aho.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika ny ankizy hijoro amin’ny fahamarinana toy ny nataon’i Jakôba?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny zava-niseho nandritra ny fifampiresahana nisy teo amin’i Jakôba sy i Serema amin’ny alalan’ny fampiasana ny Jakôba 7:1–23 mba hakana fitarihana. Na ampisehoy ny horonan-tsary “Jacob et Shérem” (ChurchofJesusChrist.org). Angataho ny ankizy hiresaka mikasika ireo ampahany tian’izy ireo ao amin’ilay tantara. Ahoana no fomba nijoroan’i Jakôba tamin’izay fantany fa marina? Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainana rehefa nijoro tamin’ny marina izy ireo na mizarà zavatra niainanao manokana.

  • Asao ny ankizy hihira hira iray momba ny fisafidianana ny tsara, toy ny “Fais donc le bien” na “Défends le bien” (Chants pour les enfants, 80, 81). Zarao ho vondrona izy ireo ary asao mba hamorona saina na sary manentana ny fanahy izay maneho zavatra iray ijoroan’izy ireo sy inoan’izy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hieritreritra fomba iray ahafahan’izy ireo manampy ny fianakavian’izy ireo mba hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ohatra, amin’ny alalan’ny fanazavana ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fikarakaran’ny Tompon’ny tanimboly an’ireo hazo oliva.

Manatsara ny fampianarantsika

Tian’ny ankizy ny mizara ny zavatra nianarany. Na dia mbola kely aza izy ireo dia afaka mampatanjaka ny olona ao amin’ny fianakaviany ny ankizy. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’ny fianakaviany ireo zavatra izay nianarany tao amin’ny Kilonga. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)

Hamoaka printy