Avia, hanaraka Ahy
17–23 febroary. 2 Nefia 11–25: “Mifaly amin’i Kristy isika”


“17–23 febroary. 2 Nefia 11–25: -Mifaly amin’i Kristy isika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“17–23 febroary. 2 Nefia 11–25,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Isaia manoratra eo amin’ny horonan-taratasy

17–23 febroary

2 Nefia 11–25

“Mifaly amin’i Kristy isika”

Ny fiomananao mba hampianatra dia manomboka amin’ny famakianao ny 2 Nefia 11–25. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ivereno resahina fohifohy miaraka amin’ny ankizy ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny herinandro lasa teo mikasika ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany . Raha nizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fianakanaviany izy ireo dia amporisiho izy ireo mba hiresaka momba izany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Nefia 12:2–3

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Ny faminanian’i Isaia momba “ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo” dia afaka ny ho zavatra tsara hampianarana ny ankizy mikasika ny tempoly ary hanampiana azy ireo hiandrandra ny handeha ho any indray andro any.

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny ankizy iray hihazona sarin’ny tempoly iray (ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia ahitana sarin’izany anankiray), ary angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo mikasika ny tempoly. Vakio ny 2 Nefia 12:3, ary hazavao fa ao anatin’io andininy io ny mpaminany iray antsoina hoe Isaia dia naminany fa hisy tempoly amin’ny andro farany. Avereno vakina ilay andinin-tsoratra masina ary hamafiso fa rehefa mankany amin’ny tempoly isika, dia “hampianatra antsika ny lalany” ny Tompo ary hanampy antsika “handeha amin’ny lalany.”

  • Manamboara lalana iray eo amin’ny tany ary asio sarin’ny tempoly anankiray izay misarona eny amin’ny faran’ilay lalana. Avelao ny ankizy handeha eo amin’ilay lalana ary eo am-pandehanan’izy ireo eo amin’izany dia ampio izy ireo hamerina ny andian-teny hoe “handeha amin’ny lalany.” Rehefa tonga eny amin’ny faran’ilay lalana ny ankizy dia avelao izy ireo hamoaka ilay sary. Inona no dikan’ny hoe mandeha amin’ny lalan’ Andriamanitra?

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny tempoly, toy ny “Oh, j’aime voir le temple” (Chants pour les enfants, 99). Ampio ireo ankizy hahita teny sy andian-teny ao amin’ilay hira izay mampianatra ny atao hoe tempoly sy ny zavatra atao any.

2 Nefia 19:6; 25:26

“Mifaly amin’i Kristy isika.”

Nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy i Nefia sy i Isaia ary nitondra fifaliana ho azy ireo ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo. Ampio ny ankizy hahita fa “mifaly amin’i Kristy” ianao.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba hihazona sary iray ahitana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 30), ary ampio ny ankizy hitady an’i Jesoa zazakely ao amin’ilay sary. Vakio ny 2 Nefia 19:6 na asehoy ny horonan-tsary “Un Sauveur est né – Vidéo de Noël” (ChurchofJesusChrist.org), ary angataho ny ankizy mba hanondro an’i Jesoa rehefa maheno ireo teny hoe zaza sy zazalahy izy ireo. Hazavao fa ny mpaminany Isaia izay nanoratra ireo teny ao amin’ny 2 Nefia 19:6, dia nahafantatra mikasika ny fahaterahan’i Jesoa an-jato taonany maro nialoha ny nitrangan’izany.

  • Mitantarà tantara iray momba an’i Jesoa Kristy nitondra fifaliana ho an’ny hafa, na mampisehoa horonan-tsary toy ny “Jésus guérit un aveugle de naissance” na “Laissez venir à moi les petits enfants” (ChurchofJesusChrist.org). Asongadino ireo fotoana mahafinaritra tao amin’ilay tantara na horonan-tsary. Vakio ny 2 Nefia 25:26 ary resaho ny antony “ifaliantsika amin’i Kristy.” Angataho ny ankizy mba hiresaka mikasika ny fomba itondran’i Jesoa fifaliana ho azy ireo.

2 Nefia 21:6–922

Ny Arivotaona dia ho fotoan’ny fiadanana sy fifaliana.

Aorian’ny Fiaviany fanindroany dia hiara-hipetraka amin’ny olona mandritra ny vanim-potoana iray hanjakan’ny fiadanana izay antsoina hoe Arivotaona i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ireo biby izay voalaza ao amin’ny 2 Nefia 21:6–7 amin’ny ankizy ary angataho izy ireo mba hilaza ny anaran’ireo biby. Hazavao fa mpifahavalo ireo biby ireo amin’ny ankapobeny, kanefa nampianatra i Isaia fa aorian’ny fiavian’i Jesoa Kristy indray dia hisy fotoam-piadanana antsoina hoe Arivotaona izay fotoana tsy hifamonoan’ireo biby. Ahoana no fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra asehon’ireo biby ireo eo amin’ny fomba fifampitondrantsika? Asao ny ankizy hanao ny sarin’ireo biby ireo izay miara-miaina amim-pilaminana.

  • Vakio ny 2 Nefia 22:5, ary angataho ny ankizy mba hanampy anao hitady hira iray izay mamaritra ireo “zavatra tsara dia tsara” nataon’ny Tompo. Ireo ohatra sasantsasany amin’izany dia mety ahitana ny “Mon Père céleste m’aime” (Chants pour les enfants, 16) na “Seigneur, mon Dieu” (Cantiques, no. 44). Iaraho mihira ilay hira. Hazavao fa amin’ny Arivotaona dia hahafantatra ireo “zavatra tsara dia tsara” nataon’ny Tompo ny olona rehetra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Nefia 12:2–3

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hanampiana ny ankizy hiandrandra ilay andro izay ahafahan’izy ireo mandeha any amin’ny tempoly?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny tempoly anankiray (ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia ahitana sarin’izany anankiray). Angataho ny ankizy iray mba hamaky ny 2 Nefia 12:2–3, ary asao ny ankizy ambiny mba hihaino ireo antony nilazan’i Isaia fa mila tempoly isika. Azonao hazavaina fa nantsoin’i Isaia hoe “tendrombohitry ny tranon’ny Tompo” ny tempoly. Nahoana araka ny eritreritrao no tandindona tsara maneho ny tempoly ny tendrombohitra?

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo mandeha any amin’ny tempoly. Raha azo atao dia mangataha zatovolahy na zatovovavy iray ao amin’ny paroasy mba hilaza amin’ny ankizy ny fisehon’ny fanatanterahana batisa ho an’ny maty any amin’ny tempoly. Io zatovo io na ny olona iray hafa ao amin’ny paroasy dia afaka mampianatra ny ankizy ny fomba ahitana ireo anaran’ireo razamben’izy ireo izay mila ireo ôrdônansin’ny tempoly.

2 Nefia 15:20

Miezaka mampisafotofoto ny saiko mikasika ny tsara sy ny ratsy i Satana.

Isika dia miaina ao anatin’ny tontolo iray izay iantsoan’ny olona ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy araka ny naminanian’i Isaia. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hamantatra ny famitahana tahaka izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa zavatra mangidy na marikivy amin’ny ankizy, toy ny kônkômbra madinika na voasary makirana anatina famonosana vatomamy. Iaraho mamaky ny 2 Nefia 15:20, ary hazavao fa i Satana dia miezaka manao izay hahatonga ny zavatra ratsy hanana endrika tsara. Ampio ireo ankizy hieritreretra ny fomba anaovan’i Satana an’izany. Ahoana no ahafahantsika mamantatra ireo famitahana ataony?

  • Asehoy ny iray minitra sy sasany voalohan’ilay horonan-tsary “You Will Be Freed” (ChurchofJesusChrist.org). Nahoana ilay mpanjono no nanafina ny fintany tao ambadiky ny endri-javatra hafa? Nahoana i Satana no manafina fahotana ao ambadiky ny endri-javatra hafa?

2 Nefia17:14; 19:6; 25:23–26

“Mifaly amin’i Kristy isika.”

Ilain’ny ankizy ny mahafantatra fa mifono fifaliana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo “hifaly amin’i Kristy”?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hahita ireo anaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny 2 Nefia 17:14 sy 19:6. Mety ilaina ny manazava fa “Imanoela” dia iray amin’ireo anarana ireo ary izany dia midika hoe “Andriamanitra miaraka amintsika.” Inona avy no ampianarin’ireo anarana tsirairay ireo antsika mikasika Azy?

  • Asio sarin’ny Mpamonjy anankiray eny amin’ny solaitrabe, ary iaraho mamaky ny 2 Nefia 25:26. Nahoana no niresaka sy nanoratra be dia be mikasika an’i Jesoa Kristy i Nefia? Avelao ny ankizy tsirairay hanoratra eny amin’ny solaitrabe zavatra iray mikasika ny Mpamonjy izay nitondra fifaliana ho azy ireo ka atao eny akaikin’ilay sarin’i Jesoa Kristy izany.

  • Angataho ny ankizy hieritreritra olona iray izay tian’izy ireo “[resena] lahatra… mba [hino] an’i Kristy” (2 Nefia 25:23). Ahoana no ahafahantsika maneho amin’ny hafa ny fifaliana izay entin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika? Avelao ny ankizy hanoratra na hilalao an-tsehatra ireo zavatra sasantsasany izay mety ataon’izy ireo mba hanampiana olona iray izay eritreretin’izy ireo hino an’i Jesoa Kristy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo mpianatra hieritreritra zavatra iray azon’izy ireo atao mba hampisehoana ny fianakavian’izy ireo fa “mifaly amin’i Kristy” izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Avelao ny ankizy ho tia hamorona zavatra. “Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo. Mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe asa atao mahafinaritra fotsiny ireo zavatra ireo. Tena ilaina amin’ny fianarana izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy