Avia, hanaraka Ahy
3–9 febroary. 2 Nefia 1–5: “Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay”


“3–9 febroary. 2 Nefia 1–5: -Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“3–9 febroary. 2 Nefia 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
Nandao ny saha Edena i Adama sy i Eva

I Adama sy Eva, nataon’i Douglas Fryer

3–9 febroary

2 Nefia 1–5

“Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay”

Nampianatra ny tsirairay tamin’ireo zanany araka ny zavatra nilain’izy ireo sy ny toe-java-niseho teo amin’izy ireo manokana i Lehia. Araho ny ohatra nasehony eo am-piomananao mba hampianatra ireo ankizy ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Rehefa avy nanazava ianao fa i Lehia dia nampianatra ny fianakaviany momba ny fahafahana hanao ny safidintsika manokana, dia asao ny ankizy mba hizara ireo zavatra niainany rehefa nisafidy ny tsara izy ireo. Inona no tsapan’izy ireo rehefa avy nanao izany safidy izany? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izy ireo mahatsiaro ny hisafidy ny tsara amin’ny hoavy?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Nefia 1:20

Voatahy aho rehefa mankatò.

Ny fitsipika ampianarina ato anatin’ity andininy ity izay hoe, ny fankatoavana dia mitondra fitahiana, dia miseho matetika ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra izany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hanampy anao hamaritra ny teny hoe didy sy hanao lisitra iray misy ireo didy. Vakio ny 2 Nefia 1:20, ary hamafiso fa isika dia “hiroborobo,” na ho voatahy, rehefa mitandrina ireo didy. Inona no tsapantsika rehefa mankatò ireo didy ireo isika?

  • Mampisehoa zavatra izay manome fiarovana toy ny kiraro, satroka ary fonon-tanana amin’ny ankizy. Avelao hanandrana izany izy ireo. Ahoana no hiarovan’ireo zavatra ireo antsika? Lazao azy ireo fa ireo didin’ny Ray any An-danitra dia afaka miaro antsika amin’ny loza ara-panahy. Mizarà zavatra iray niainanao izay niarovana anao noho ny fanarahana ireo didy.

2 Nefia 2:11, 16, 27

Nanome ahy fahafahana hisafidy Andriamanitra.

Tsy maintsy niala ny Saha Edena i Adama sy i Eva noho ny safidy nataon’izy ireo. Ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy fa ny safidy nataon’i Adama sy i Eva dia mamela antsika hampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hisafidy ny Ray any An-danitra ankehitriny?

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina olona afaka iray sy sarina olona babo iray (olona iray ao am-ponja ohatra), ary asao ny ankizy mba hanondro ny sary marina rehefa mamaky ireo teny hoe fahafahana sy fahababoana ao amin’ny 2 Nefia 2:27 ianao. Hamafiso ilay andian-teny hoe “malalaka ny hisafidy,” ary asao ny ankizy tsirairay hamerina izany.

  • Avereno jerena miaraka amin’ny ankizy ny tantaran’i Adama sy i Eva (jereo ny 2 Nefia 2:17–19; jereo ihany koa ny “Toko 3: Adama sy Eva,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 15–18, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) sy ny safidy nataon’izy ireo tao amin’ny Saha Edena. Ampio ireo ankizy hitanisa ny sasany amin’ireo safidy ataon’izy ireo isan’andro. Mijoroa ho vavolombelona fa nanome antsika fahafahana misafidy ny tsara na ny ratsy Andriamanitra, ary asao ny ankizy hitsambikimbikina na hitehaka mba hankalazana ny fahafahany misafidy.

  • Manaova kilalao iray ka ianao dia hiteny teny iray (toy ny hoe hazavana) ary ny ankizy hilaza ny mifanohitra amin’izany (haizina). Avereno im-betsaka ity asa atao ity. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa manampy antsika hanao safidy ny fisian’ny mifanohitra, dia vakio ny tapany voalohany amin’ny 2 Nefia 2:11 sy ny 2 Nefia 2:16. Tantarao ny tantara momba ny ankizy iray izay alaim-panahy hanao safidy ratsy. Ampio ny ankizy hieritreritra ny mifanohitra amin’izany safidy izany, ary asao izy ireo mba hilalao izany an-tsehatra. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia mitahy antsika rehefa misafidy ny tsara isika.

  • Hirao miaraka ny hira iray momba ny fanaovana safidy, toy ny “Jesus Christ est mon modèle” na “Choisir le bien” (Chants pour les enfants, 40, 82), ary anontanio ny ankizy izay ianaran’izy ireo momba ny fanaovana safidy avy amin’ilay hira.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Nefia 1:20

Voatahy aho rehefa mankatò.

Rehefa manana finoana ny ankizy fa Andriamanitra dia hitahy azy ireo noho ny fitandremana ireo didy, na dia tsy tonga eo no ho eo aza ireo fitahiana ireo, dia mora kokoa ho azy ireo ny manao safidy tsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamerina hijery ny sasany amin’ireo safidy nataon’i Nefia sy ireo rahalahiny. Ohatra vitsivitsy amin’izany, jereo ny 1 Nefia 2:11–16; 3:5–7; ary 18:9–11. Asao izy ireo hiaraka hamaky ny 2 Nefia 1:20 ary hizara, araka ny eritreritr’izy ireo, ny antony nanomezan’i Lehia io hafatra io ho an’ireo zanany.

  • Manorata fehezan-teny avy ao amin’ny 2 Nefia 1:20 eo amin’ny taratasy lavalava, ary ifampiresaho ny dikan’ireo fehezan-teny ireo. Asao ny ankizy handahatra ireo taratasy lavalava ireo araka ny filaharany marina amin’ny alalan’ny fampiasana ilay andininy. Mba hanehoana ny maha-samy hafa ny firoboroboana sy ny fanesorana hiala, dia ampisehoy ny ankizy ny zavamaniry salama iray ary ny ravina iray na sampana iray izay nesorina hiala tamin’ilay zavamaniry. Inona no maha-samy hafa ilay ravina iray izay eo amin’ilay zavamaniry sy ny raviny iray izay notapahina avy amin’izany? Nahoana isika no mitovy amin’ilay ravina eo amin’ilay zavamaniry rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra? Asao ny ankizy hirakitra ao amin’ny diariny ireo fomba hitahian’ Andriamanitra azy ireo rehefa misafidy ny tsara izy ireo.

2 Nefia 2:22–28

Nanome ahy fahafahana hisafidy Andriamanitra.

Nanavotra antsika tamin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy (fisarahana amin’ Andriamanitra noho ny fahotana) i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Mba hiainana miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray dia tsy maintsy mampiasa ny fahafahantsika misafidy isika mba hibebahana tsy tapaka sy hiezahana hiaina araka ny fahamarinana.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazony ambony ny sarin’i Adama sy i Eva (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 4), ary asao ny ankizy hizara izay fantatr’izy ireo momba ny zava-nitranga tamin’i Adama sy i Eva tao amin’ny Saha Edena. Ampio ny ankizy hahita valin-teny ao amin’ny 2 Nefia 2:22–27. Hazavao fa noho ny safidin’i Adama sy i Eva dia afaka ny ho tonga eto an-tany isika ary hampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hanao safidy tsara sy hibebaka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy rehefa manao safidy ratsy isika.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny ao amin’ny 2 Nefia 2:27. Ampio ny ankizy hanao tsianjery ilay andininy amin’ny alalan’ny famerimberenana izany sy fifandimbiasana mamafa teny isaky ny mamerina izany izy ireo. Ampio ny ankizy hieritreritra hoe hanao toy ny ahoana ny fiainana tsy misy safidy. Nahoana izy ireo no feno fankasitrahana noho ny fahafahana misafidy?

  • Asao ny ankizy hizara zavatra niainana iray ka nanao safidy tsara iray izy ireo tao anatin’izany. Inona no tsapan’izy ireo rehefa avy nanao izany safidy izany? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny tenantsika hisafidy ny tsara rehefa alaim-panahy hanao zavatra ratsy isika? Iaraho manao ny hira iray momba ny fanaovana safidy, toy ny “Choisir le bien” (Chants pour les enfants, 82), ary asao ny ankizy hizara izay ianaran’izy ireo avy ao amin’io hira io.

2 Nefia 3:6–24

“Mpahita nofinidy” iray i Joseph Smith.

Niresaka momba ny faminaniana iray mikasika ny Mpaminany Joseph Smith i Lehia ao amin’ny 2 Nefia 3. Afaka mampiasa izany ho fahafahana iray hampianarana ny ankizy momba ny asa nanirahana azy amin’ny andro farany ianao.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamakafaka ny 2 Nefia 3:6–24 mba hahitana ireo famantarana momba ny hoe mpaminany iza no resahana ao. Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo famantarana ireo. Nahoana i Joseph Smith no nantsoina hoe “mpahita nofinidy”? Inona no nataon’i Joseph Smith izay “nanan-danja lehibe ho [an’ireo rahalahiny]”? (andininy 7).

  • Hirao ny hira iray mikasika an’i Joseph Smith, toy ny “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 100), na jereo ny horonan-tsary izay milazalaza ireo lafiny samihafa teo amin’ny asa nanirahana azy, toy izay hita ao amin’ny history.ChurchofJesusChrist.org/article/joseph-smith-video-downloads. Anontanio ireo ankizy hoe nahoana izy ireo no velom-pankasitrahana noho ny Mpaminany Joseph Smith.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba handinika ireo fahafahana ananan’izy ireo mba hanao safidy amin’ity herinandro ity. Asao izy ireo mba ho vonona ny hizara ireo safidy nataony sy ireo vokatry ny safidy nataony amin’ny herinandro manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Afaka mahafantatra ny fitarihan’ny Fanahy ny ankizy. Ampianaro ny ankizy fa avy amin’ny Fanahy Masina ny fahazoan’izy ireo fahatsapana fiadanana sy fitiavana ary hafanana rehefa miresaka na mihira hira mikasika an’i Jesoa sy ny filazantsarany izy ireo. Afaka manorina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ireo fahatsapana ireo.

Hamoaka printy