Avia, hanaraka Ahy
10–16 febroary. 2 Nefia 6–10: “Ô Endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!”


“10–16 febroary. 2 Nefia 6–10: -Ô endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“10–16 febroary. 2 Nefia 6–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Jesoa nivavaka tao Getsemane

Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao, nataon’i Harry Anderson

10–16 febroary

2 Nefia 6–10

“Ô endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!”

Eo am-pamakianao ny 2 Nefia 6-10 dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana izay hampianarina. Ity rindran-damina ity sy ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka mitaona anao hanana hevitra fanampiny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Amporisiho ny ankizy mba hifandimby hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany rehefa nandalina ny 2 Nefia 6–10 manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Nefia 9:7–13, 20–23

Manavotra ahy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy.

Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ny 2 Nefia 9:7–13 sy ny 20–23 mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa i Jesoa Kristy dia mamonjy ny olona rehetra amin’ny fahafatesana ary mahatonga antsika ho afaka mibebaka amin’ny fahotana?

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny ankizy ny tantaran’ny olona iray izay nianjera tao anaty lavaka tena lalina iray ka tsy afaka nihanika nivoaka tao izy. Nisy lehilahy tonga ka nisintona ilay olona avy tao anatin’ilay lavaka. Azonao atao ny manao ny sarin’io tantara io eny aminʼny solaitrabe na milalao an-tsehatra izany miaraka aminʼny ankizy. Hazavao fa io lavaka io dia tahaka ny fahafatesana ary ilay lehilahy izay nanampy io olona io dia tahaka an’i Jesoa Kristy, izay nanavotra ny olona rehetra amin’ny fahafatesana amin’ny alalan’ny fanomezana antsika ilay fanomezana, dia ny fitsanganana amin’ny maty izany. Lazao amin’ny ankizy fa io olona io dia nianjera tao anaty lavaka iray hafa. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nanome tohatra mba hiakarana avy ao anaty lavaka ilay mpanavotra. Hazavao fa io lavaka io dia tahaka ny fahotana ary ilay tohatra no Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay mamela antsika hibebaka sy ho voavela amin’ireo fahotantsika. Vakio ny 2 Nefia 9:22–23, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Hirao miaraka ny hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Je ressens son amour” (Chants pour les enfants, 42-43). Asao ny ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra izay manampy azy ireo hahafantatra fa tia azy ireo ny Mpamonjy.

2 Nefia 9:49

“Finaritra amin’ny fahamarinana ny foko.”

Ahoana no ahafahanao mamporisika ny ankizy ampianarinao mba “[ho] finaritra amin’ny fahamarinana,” na hankatò ny Tompo amim-pifaliana? (2 Nefia 9:49).

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny 2 Nefia 9:49 ary ampio izy ireo hahita sy hahatakatra izay nolazain’i Jakôba fa tiany sy halany. Mizarà tantara noforonina maromaro izay ahitana ankizy iray manao safidy tsara na safidy ratsy, ary asao ny ankizy mba hitsangana rehefa mitondra fahasambarana ilay safidy ary hipetraka rehefa mitondra alahelo ilay safidy. Nahoana no mitondra fifaliana ho antsika ny fisafidianana ny tsara? Oviana ianao no nahatsapa ho faly satria nanao safidy tsara?

  • Iaraho manao ny hira iray momba ny fifaliana izay tonga avy amin’ny fankatoavana, toy ny “La tête, les épaules, les genoux, les pieds” (Chants pour les enfants, 129), ary angataho ny ankizy mba hihaino izay mahatonga antsika ho faly. Omeo fahafahana hifandimby hody hanao hoe ray na reny ny ankizy ka hangataka ny ankizy hafa mba hanao zavatra iray. Asaivo mizatra mankatò amim-pifaliana ny ankizy hafa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Nefia 6; 7:1–2

Hanatanteraka mandrakariva ireo fampanantenany ny Tompo.

Ny fahatakarana fa ny Tompo dia mitandrina ireo fampanantenany dia afaka manampy ireo ankizy hanorina ny finoan’izy ireo eo Aminy sy hanana fahatokiana eo amin’ny fankatoavana ny didiny.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo miresaka momba ireo fampanantenana sasany nataony ny ankizy, toy ny fampanantenana iray nataon’izy ireo tamin’ny namany na ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa. Nahoana no sarotra indraindray ny mitandrina ireo fampanantenana nataontsika? Nahoana no zava-dehibe ny mitandrina ireo fampanantenana nataontsika? Vakio izao fehezan-teny manaraka izao: “Hanatanteraka ny fanekempihavanana izay efa nataony tamin’ny zanany ny Tompo” (2 Nefia 6:12). Mizarà ohatra iray ahitana ny fomba nihazonan’ Andriamanitra ireo fampanantenany, na dia tsy tonga teo no ho eo aza ireo fitahiana.

  • Asehoy eo akaikin’ny sarin’ny ankizy iray ny sarin’i Jesoa Kristy iray. Vakio ny 2 Nefia 7:1, ary hazavao fa rehefa nitsahatra tamin’ny fankatoavana ny filazantsaran’ Andriamanitra ny vahoaka, dia tahaka ny “nisaraka” Taminy izy ireo. Alaviro tsy ho eo akaikin’ny sarin’i Jesoa ny sarin’ilay ankizy mba hampisehoana fa rehefa tsy mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika, toy ny fanekempihavanan’ny batisa, dia mampisaraka ny tenantsika amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy isika. (Mba hamerenana hijery ireo fanekempihavanan’ny batisa dia jereo ny F&F 20:37.) Amin’ny fomba ahoana no hamelan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika hiverina hanakaiky Azy? Eo am-piresahanao momba izany dia asao ny mpianatra mba hampanatona ilay sary indray.

2 Nefia 9:10–23

Manavotra ahy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy.

Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ny 2 Nefia 9:10–23 mba hanampiana ny ankizy hianatra fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hanampy anao hanao sarina lalana iray eny amin’ny solaitrabe, ary asao izy ireo mba hanampy sakana na vato manerana ilay lalana. Iaraho mamaky ny 2 Nefia 9:10, ary asao ny ankizy hanisy anarana ireo sakana eny amin’ny lalana amin’ny alalan’ireo teny avy amin’io andininy io izay mamariparitra ireo sakana izay afaka manakana antsika tsy hiverina any amin’ Andriamanitra. Dia resaho ny fomba nandresen’i Jesoa Kristy ireo sakana ireo ho antsika (jereo ny 2 Nefia 9:21–23), ary eo am-panaovana izany dia asao ny ankizy mba hanala ireo sakana.

  • Mampisehoa sarin’i Adama sy i Eva toy ny Leaving the Garden of Eden (Nandao ny Saha Edena) (ChurchofJesusChrist.org). Hazavao fa rehefa nihinana ilay voankazo izay noraran’ Andriamanitra mba tsy hohanin’izy ireo i Adama sy i Eva dia nitondra ny fahotana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao izy ireo. Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny fomba nandresen’i Jesoa ny fahotana sy ny fahafatesana dia tantarao ny tantaran’ilay olona latsaka tao anaty lavaka, izay hita ao amin’ny hevitra enti-mampianatra voalohany eo ambanin’ny “Ankizy kely” ato amin’ity rindran-damina ity. Dia angataho ireo ankizy hanao ny sarin’io tantara io na hilalao izany an-tsehatra. Vakio ny 2 Nefia 9:21–23, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Ampio ny ankizy tsirairay hahita hira iray momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy na izany ao amin’ny fihirana na ao amin’ny Chants pour les enfants (afaka manampy ireo tovana ao amin’ireo boky ireo). Asao ny ankizy hitady sy hizara fehezan-teny avy ao amin’ilay hira izay mamariparitra ny zavatra nataon’i Jesoa ho antsika. Asao ny mpianatra hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, na zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

2 Nefia 9:20, 28–29, 42–43

Ho voatahy aho rehefa manaraka ny torohevitr’ Andriamanitra.

Ampio ny ankizy hanorina fototra mafy orina amin’ny fahatokiana an’ Andriamanitra ka rehefa mitombo ny fahalalan’izy ireo sy ny fahafahan’izy ireo mahavita zavatra, dia hanohy hiantehitra Aminy sy hanaraka ireo toroheviny izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hilaza aminao mikasika ny zavatra iray izay tena fantatr’izy ireo, toy ny boky na fialamboly iray izay tian’izy ireo indrindra. Angataho ny ankizy iray mba hamaky ny 2 Nefia 9:20, ary hijoro ho vavolombelona fa Andriamanitra dia “mahafantatra ny zavatra rehetra.” Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahatakatra fa mahafantatra ny zava-drehetra Andriamanitra?

  • Asaivo maka sary an-tsaina ireo ankizy fa naheno namana iray nilaza fa hadalana ireo didy na fampianaran’ny Fiangonana izy ireo. Inona no holazain’izy ireo amin’ny naman’izy ireo? Nahoana no zava-dehibe ny matoky ny torohevitr’ Andriamanita na dia tsy mahatakatra tanteraka izany aza isika? Amporisiho ny ankizy hijery ny 2 Nefia 9:20, 28–29, sy 42–43 mba hahitana fanampiana eo amin’ny fandinihana sy fifanakalozan-kevitra mikasika ireo fanontaniana ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hieritreritra fomba iray ahafahan’izy ireo mampianatra ny fianakavian’izy ireo izay nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Ohatra, azon’izy ireo atao ny mampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanazavana ny fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika handresy ny fahotana sy ny fahafatesana.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny pejin’ny asa atao. Eo am-panaovan’ny ankizy ny asa ao amin’ny pejin’ny asa atao dia ampiasao izany fotoana izany hanampiana azy ireo hahita ny fifandraisan’ireo fitsipika ao amin’ilay lesona sy ny fiantefan’ireo fitsipika ireo ao amin’ny fiainan’izy ireo.

Hamoaka printy