Avia, hanaraka Ahy
27 aprily–3 mey. Môzià 7–10 : “Ao anatin’ny herin’ny Tompo”


“27 aprily–3 mey. “Môzià 7–10: -Ao anatin’ny herin’ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“27 aprily–3 mey. Môzià 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
i Amôna mampianatra ny Mpanjaka Limia

Minerva K. Teichert (1888-1976), Ammon before King Limhi, 1949-1951, hosodoko eo ambony masonite, 91.28 x 121.92 sentimetatra. Mozean’ny Tao-java-kanto an’ny Oniversiten’i Brigham Young, 1969.

27 aprily 29–3 mey

Môzià 7–10

“Ao anatin’ny herin’ny Tompo”

Vakio amim-bavaka ny Môzià 7–10, dia saintsaino ireo fahatsapana azonao. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo toko ireo manampy amin’izay ilain’ny ankizy?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Amporisiho ny ankizy hizara izay zavatra fantany momba ny ny zava-nitranga tao amin’ireo toko ireo. Afaka mahita fanampiana avy ao amin’ny “Toko 13: Zenifa” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 36–37, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) ianao.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môzià 7:18–20, 33

Nanampy ireo olona tao amin’ny soratra masina Andriamanitra, ary afaka manampy ahy Izy.

Ny vahoakan’i Limia, izay nandevozin’ny Lamanita, dia nila ny finoana fa hanampy azy ireo Andriamanitra. Koa nampahatsiahivin’i Limia azy ireo ireo fotoana nanampian’Andriamanitra ny vahoakany.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hizara momba ny fotoana iray izay nilan’izy ireo fanampiana. Hazavao fa nanana olana ny vahoakan’i Limia Mpanjaka, ka nizara tantara iray izy mba hanampiana azy ireo hanana finoana. Vakio amin’ny ankizy ny Môzià 7:19 ary ampisehoy ny sarin’ny zanak’i Isiraely niampita ny Ranomasina Mena (jereo ny Moses Parting the Red Sea (I Mosesy nampisaraka ny Ranomasina Mena), ChurchofJesusChrist.org). Avereno io tantara io sy ny tantaran’ny mana, ary ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ireo tantara ireo (jereo ny toko 17 sy 18 ao amin’ny Tantaran’ny Testamenta Taloha, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Tompo ny olony? Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy antsika koa ny Tompo.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Môzià 7:33 ary ampio izy ireo hahatakatra izay ampianarin’ireo andininy ireo antsika fa tokony hataontsika mba hahazoana fanampiana avy amin’ny Tompo. Ampio ireo ankizy hieritreritra fihetsika hanehoana ireo zavatra ireo, ary avereno vakina ilay andininy rehefa manao ireo fihetsika ireo izy ireo. Inona avy ireo zavatra sasany ilantsika fanampiana? Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa matoky ny Tompo isika? Zarao ny zavatra niainanao iray izay natokianao ny Tompo ary nanampiany anao.

  • Misafidiana andininy vitsivitsy ao amin’ny “Dans le Livre de Mormon” na “Le courage de Nephi” (Chants pour les enfants, 62, 64) mba hiraina miaraka amin’ny ankizy. Ampio izy ireo hamantatra ny fomba nanampian’ny Tompo ny olony tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mizarà tantara hafa ao amin’ny soratra masina izay tsapanao fa hanampy ny ankizy hianatra hatoky ny Tompo.

Môzià 8:16–17

Andriamanitra dia nanome antsika mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Môzià 8:16–17 mba hampianarana ny ankizy momba ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny maha-mpahita azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny ankizy ny fomba hanaovana ny tanan’izy ireo ho eny amin’ny mason’izy ireo ho toy ireny mijery amin’ny solomaso na masolivatra ireny izy ireo. Vakio ny Môzià 8:17, ary asaivo mametaka ny “solomasony” ny ankizy isaky ny maheno ny teny hoe “mpahita.” Hazavao fa Andriamanitra dia nanome antsika mpaminany ary anisan’ireo anjara asan’ny mpaminany ny hoe “mpahita” satria afaka “mahita” ireo zavatra ho avy izy. Zarao ny ohatra sasany amin’ireo zavatra hitan’ny mpaminany ka nambarany tamintsika (anisan’izany ny soratra masina), na mizarà ohatra iray izay nahitana mpaminany iray nanao ny asany amin’ny maha-mpahita azy (toy ny 1 Nefia 11:20–21).

  • Manaova sarina dian-tongotra amin’ny taratasy, ary ataovy sary eo amin’izany ireo zavatra izay nasain’ny mpaminany ataontsika. Apetraho amin’ny lalana iray manodidina ny efitrano ireo dian-tongotra, ary hazavao ireo sary. Avelao ny ankizy hifandimby hilalao ny toeran’ny mpaminany iray ka hitarika ireo ankizy hafa hanaraka ireo dian-tongotra.

  • Ampisehoy ilay sary hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary asao ireo ankizy mba hamariparitra izay hitan’izy ireo. Hazavao fa ny Mpaminany Joseph Smith dia mpahita iray. Nomen’Andriamanitra fitaovana nantsoina hoe Orima sy Tomina ary vato mpahita izy mba hampiasaina tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mampisehoa horonan-tsary fohy ahitana ny hafatra farany nataon’ny Filohan’ny Fiangonana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany (na ampisehoy ny sariny na mamakia zavatra izay nampianariny). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa izy dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môzià 7:18–20, 33; 9:14–19; 10:6–10, 19–21

Nanampy ireo olona tao amin’ny soratra masina Andriamanitra, ary afaka manampy ahy Izy.

I Zenifa sy ny vahoakany, izay nitoetra tao amin’ny tanin’ny Lamanita, dia notafihan’ny Lamanita ary nila ny fanampian’ Andriamanitra. Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’io tantara momba an’Andriamanitra manampy ny zanany io?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ho vondrona telo ny ankizy ary asao ny vondrona tsirairay mba handalina ny iray amin’ireto tantara ao amin’ny soratra masina manaraka ireto: ny Isiraelita miampita ny Ranomasina Mena (jereo ny Eksôdôsy 14:10–14, 21–31), ny fianakavian’i Lehia nandeha tany an-tany foana (jereo ny 1 Nefia 16:9–16; 17:1–6), ary ny vahoakan’i Zenifa nafahana tamin’ny Lamanita (jereo ny Môzià 9:14–19; 10:6–10, 19–21). Ahoana no nanehoan’ny olona ao amin’ireo tantara ireo fa natoky ny Tompo izy ireo? Ahoana no fomba nanampian’ Andriamanitra azy ireo? Ahoana no hanampiany antsika rehefa matoky Azy isika?

  • Manasà ankizy anankitelo hanoratra fitsapana na olana atrehan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Asao ny ankizy iray hamaky ny Môzià 7:33, ary entano ny ankizy hafa hamafa ny iray amin’ireo fitsapana na olana isaky ny maheno zavatra izay azon’izy ireo atao mba hahazoana ny fanampian’ny Tompo izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatokiaana ny Tompo manampy antsika handresy ireo olantsika?

Môzià 8:12–19

Manome mpaminany sy mpahita ary mpanambara mba ho tombontsoan’ny olona Andriamanitra.

Tohanantsika ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy momba ny lanjan’ny mpaminany?

Asa atao azo tanterahina

  • Misafidiana teny manan-danja maromaro avy ao amin’ny Môzià 8:12–19, ary soraty eny amin’ny solaitrabe ireo. Asao ny ankizy iray mba hamaky ireo andininy ireo, ary asaivo manangana ny tanany ny ankizy ambiny rehefa maheno ny teny tsirairay eny amin’ny solaitrabe. Ajanony ny famakiana ary ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny iray kilasy ny teny tsirairay.

  • Asaivo mamerina mamaky ny Môzià 8:16–18 ny ankizy mba hianarana ny atao hoe mpahita. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny ity: Ny mpahita dia tahaka ny . Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba hamenoana io fehezan-teny io mba hanazavana ny antony maha-fitahiana ny mpahita iray ho antsika. Ohatra: ny mpahita dia tahaka ny mpamonjy aina, izay mampitandrina antsika amin’ny loza.

  • Misafidiana fehezan-teny iray avy ao amin’ny Môzià 8:16-17, ary soraty eny amin’ny solaitrabe izany, ka soloy famantarana namboarina ny teny tsirairay. Omeo ny ankizy ny lisitr’ireo famantarana sy ireo teny asehon’izany, ary avelao izy ireo hamaha na “handika” ilay fehezan-teny tahaka ny ataon’ny mpahita. Amin’ny fomba ahoana ihany koa no mahatonga ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara ho “tombontsoan’ny olona”? (Môzià 8:18).

Môzià 9:14–18; 10:10–11

Rehefa malemy aho dia afaka mampatanjaka ahy ny Tompo.

Rehefa miatrika olana ny ankizy dia mahatsapa ho malemy na tsy afa-manao zavatra izy ireo. Ampiasao ny tantaran’ny vahoakan’i Zenifa mba hampianarana ny ankizy fa afaka mahazo hery avy amin’ny Tompo izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hizara ireo fomba ahafahan’izy ireo ho lasa matanjaka ara-batana. Inona no dikan’ny hoe manana ny “herin’ny tena”? (jereo ny Môzià 10:11). Inona no dikan’ny hoe manana ny “herin’ny Tompo”? (jereo ny Môzià 9:17–18; 10:10). Ahoana no fomba andraisantsika ny herin’ny Tompo?

  • Asao ny ankizy hanao sarin’ny olona iray izay tsapan’izy ireo fa manana ny herin’ny Tompo sy hizara ny antony nanaovan’izy ireo ny sarin’io olona io.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny tantara iray avy ao amin’ny soratra masina izay manentana azy ireo “hametraka ny fitokia[ny] amin’Andriamanitra” (Môzià 7:19).

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana nentanim-panahy. Mametraha fanontaniana izay manasa ny ankizy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny fahamarinan’ny filazantsara. Ohatra, raha miresaka momba ireo mpaminany ianao, dia afaka mangataka ny ankizy mba hizara ny fitahiana azon’izy ireo noho ny mpaminany.

Hamoaka printy