Avia, hanaraka Ahy
11–17 mey. Môzià 18–24: “Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika”


“11–17 mey. Môzià 18-24: -Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“11–17 mey. Môzià 18–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
Nitsoaka ny vahoakan’i Limia

Minerva K. Teichert (1888-1976), Escape of King Limhi and His People, 1949-1951, hosodoko eo ambony masonite, 91.12 x 121.92 sentimetatra. Mozean’ny Tao-java-kanto an’ny Oniversiten’i Brigham Young, 1969.

11–17 mey

Môzià 18–24

Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika

Rehefa mamaky ny Môzià 18–24, ianao dia mieritrereta an’ireo ankizy izay ampianarinao. Afaka manampy anao hahita ireo fahamarinana izay hilain’izy ireo ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’olona iray izay atao batisa ary asao ny ankizy hizara zavatra izay fantatr’izy ireo mikasika ny batisa. Azon’izy ireo zaraina amin’ny fianakavian’izy ireo na rehefa manatrika batisa iray na any amin’ny toerana hafa ny zavatra nianaran’izy ireo rehefa namaky ny Môzià 18–24 .

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môzià 18:7–16

Rehefa atao batisa aho dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

Ny iray amin’ireo fomba tena manan-danja hanampiana ny ankizy hiomana amin’ny batisa dia ny mampianatra azy ireo mikasika ny fanekempihavanana izay hataon’izy ireo rehefa hatao batisa izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno jerena ny tantaran’i Almà sy ny vahoakany teo amin’ny ranon’i Môrmôna amin’ny alalan’ny fampiasana ny Môzià 18:7–16 na ny “Toko 15: Ny fampianarana sy ny batisa nataon’i Almà” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 43–44, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Ampisehoy ilay sary hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary avelao ny ankizy hilaza aminao ny zavatra fantatr’izy ireo momba ilay tantara.

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny Môzià 18:8–10 ho toy ny torolalana dia ampianaro an’ny ankizy amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana ireo zavatra sasantsasany izay hampanantenain’izy ireo fa hataon’izy ireo rehefa atao batisa izy ireo. Ohatra, hampanantena izy ireo fa hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa amin’ny alalan’ny fampaherezana ny olona malahelo. Mizarà tantara iray mikasika ny fomba nitananao na nitanan’ny olona iray izay fantatrao ireo fampanantenana ireo. (Jereo koa ny F&F 20:77, 79; Carole M. Stephens, “Misy Antony Lehibe Hifaliantsika,” Liahona, nôv. 2013, 115–17.)

  • Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia manao fampanantenana amintsika koa ny Ray any An-danitra. Zarao ireto fampanantenana voalaza ao amin’ny Môzià 18:9–10ireto.

Môzià 18:17–28

Rehefa atao batisa aho dia lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe lasa mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà olona iray izay vita batisa vao haingana mba hizara ny zavatra niainany. Vakio ny Môzià 18:17, hazavao fa rehefa atao batisa isika dia lasa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary mampanantena fa hanaraka an’i Jesoa.

  • Mampisehoa sary izay maneho ireo zavatra voalaza ao amin’ny Môzià 18:17–28 amin’ny ankizy. Ohatra, ny sary Fanendrena ao amin’ny fisoronana (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 106) dia mety maneho ny andininy 18, ary ny sary Fandoavana ny fahafolonkarena (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 113) dia afaka maneho ny andininy 27–28. Avelao ny ankizy hamaritra ny zavatra hitan’izy ireo eo amin’ireo sary ary hampiasa ireo sary sy ireo andininy mba hanampiana azy ireo hahita ny dikan’ny hoe mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
batisa eo amin’ny ranomasimbe

Manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra isika rehefa atao batisa.

Môzià 24:8–17

Afaka manamaivana ny enta-mavesatro Andriamanitra.

Oviana Andriamanitra no nanao izay hahamaivana ny enta-mavesatrao? Mieritrereta fomba ahafahanao mizara amin’ny ankizy ireo zavatra niainanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra fihetsika tsotra izay azon’izy ireo atao rehefa mitantara ny zavatra nitranga tamin’ny vahoakan’i Almà ao amin’ny Môzià 24:8–17ianao. Hamafiso fa noho i Almà nisafidy ny hanaraka ireo fampianaran’i Abinadia mikasika an’i Jesoa, dia nenjehina izy sy ny vahoakany, kanefa tsy nitsahatra velively nino an’i Jesoa izy ireo.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Môzià 24:14–15 . Fenoy zavatra mavesatra ny harona iray (mba hanehoana ilay enta-mavesatra), ary manasà ankizy iray mba hihazona izany harona izany. Hazavao fa rehefa malahelo na marary na manana olana isika dia toy ireny hoe milanja enta-mavesatra ireny. Asao ny ankizy hifandimby hanampy ilay ankizy hilanja ilay harona mba hahamaivana izany. Hazavao fa afaka manao izay hahamaivana ny enta-mavesatsika ny Ray any An-danitra rehefa mikatsaka ny fanampiany isika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanompoana ny hafa sy ny sisa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môzià 18:7–16

Rehefa atao batisa aho dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa?

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo taratasy kely ny ankizy tsirairay. Iaraho mamaky ny Môzià 18:8–10, ary asao ny ankizy hanoratra na hanao sary ireo fampanantenana ataontsika amin’ny batisa eo amin’ny ilany irain’ilay taratasy ary ireo fitahiana ampanantenain’ny Ray any An-danitra antsika eo amin’ilay ilany iray hafa. Avelao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra hitan’izy ireo. Rehefa mizara izany izy ireo dia mametraha fanontaniana toy ny hoe: Ahoana no ahafahantsika “miara-malahelo amin’izay malahelo”? Inona no dikan’ny hoe vavolombelon’Andriamanitra “amin’ny toerana rehetra”? (andininy 9). Inona no azontsika atao mba hitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika?

  • Manasà ankizy maromaro izay efa vita batisa mba hizara ny zavatra tsaroany mikasika izany zavatra niainany izany. Inona no nampiavaka izany andro izany? Inona no tsapan’izy ireo? Hazavao fa isaky ny Alahady dia manavao ny fanekempihavanan’ny batisa nataony izy ireo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Ampio ny ankizy hampitaha ny fanekempihavanan’ny batisa voafaritra ao amin’ny Môzià 18:8–10 amin’ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo (jereo ny F&F 20:77, 79). Ahoana no ahafahantsika manao ny fanasan’ny Tompo ho fotoana miavaka sy hanehoam-panajana toy ny tamin’ny batisantsika?

  • Anontanio ny mpikambana vaovao iray ny fomba nahafantarany ny Fiangonana sy ny zavatra tsapany rehefa natao batisa izy. Avelao ny ankizy hametraka fanontaniana toy ny hoe, inona no zavatra nanampy io olona io haniry hanao ireo fampanantenana hita ao amin’ny Môzià 18:7–16.

Môzià 18:17–28

Izaho dia mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika ny ankizy ho feno fankasitrahana noho ireo fitahiana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Môzià 18:17–28, ka hitady ireo fampianarana tao amin’ny Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’i Almà izay mitovy amin’ny an’izao androntsika izao. Soraty eo amin’ny goba na kaopy ny valin-tenin’izy ireo ary avelao ny ankizy hampiasa azy ireo mba hananganana rafitra iray maneho ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Iaraho hiraina miaraka amin’ny ankizy ny “L’Eglise de Jésus Christ,” (Chants pour les enfants 48), na vakio ny tonon’izany ary asao izy ireo mba hihaino ireo zavatra izay ampanantenantsika fa hataontsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika. Ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba izay ahafahan’izy ireo mitana izany fampanantenana izany.

Môzià 21:1–5, 13–16; 22:1–11; 24:8–22

Afaka manamaivana ny enta-mavesatro Andriamanitra.

Ny tantaran’ny vahoakan’i Almà dia afaka mampiseho ny ankizy fa indraindray Andriamanitra dia manampy amin’ny alalan’ny fampatanjahana antsika mba hahazaka ireo fitsapana mahazo antsika fa tsy amin’ny alalan’ny fanesorana izany. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hianatra avy amin’izany tantara izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hitady ireo zava-nitranga tena manan-danja avy tao amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Limia ao amin’ny Môzià 21:1–5, 13–16; sy 22:1–11 ary ny vahoakan’i Almà ao amin’ny Môzià 24:8–22. Angataho ny ankizy tsirairay avy eo mba hanao ny sarin’ny iray amin’ireo zava-nitranga ireo. Asao ny ankizy mba hametraka ireo sary araka ny filaharana tokony ho izy mba hitantarana ilay tantara. Rehefa eo am-panaovana izany izy ireo dia hamafiso fa nanampy ny vahoaka hahazaka ny enta-mavesatr’izy ireo Andriamanitra.

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny Môzià 21:14–15 sy 24:13–14. Ahoana no namalian’ny Tompo ireo vavaka nataon’ny vahoakan’i Limia sy i Almà? Angataho ny ankizy mba hizara ireo fotoana izay nivavahan’izy ireo mba hahazo fanampiana teo anatrehan’ny fitsapana iray ary nanampy azy ireo ny Ray any An-danitra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanazava amin’ny olona hafa ny zavatra hampanantenain’izy ireo fa hataon’izy ireo, izay tafiditra ao anatin’ny fanekempihavanan’ny batisa nataon’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Araho maso tsara ny ankizy. Raha toa ny ankizy ka toa mipelipelika foana, dia mety fotoana hanaovana asa iray hafa indray amin’izay na handehandehanana kely amim-panajana any ivelany. Etsy ankilany, raha toa ka mazoto ary mianatra izy ireo, dia aza mahatsapa ho voatery hiroso amina zavatra hafa mba hahavitana zavatra bebe kokoa fotsiny ao anatin’ny lesona.

Hamoaka printy