Avia, hanaraka Ahy
25–31 mey. Môzià 29–Almà 4: “Niorina mafy izy sady tsy niova”


“25–31 mey. Môzià 29–Almà 4: -Niorina mafy izy sady tsy niova,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“25–31 mey. Môzià 29–Almà 4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Almà Zanany mitory teny

I Almà zanany mitory teny, nataon’i Gary L. Kapp

25–31 mey

Môzià 29–Almà 4

“Niorina mafy izy sady tsy niova”

Afaka mianatra zavatra maro ny ankizy ampianarinao ao amin’ny kilasinao, saingy mbola hianatra zavatra maro kokoa aza izy ireo raha toa ka mamboly fahazarana mandalina ny soratra masina any an-trano izy ireo. Diniho ny fomba ahafahanao mamporisika sy manohana ny fianarana filazantsara any an-trano.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra mba hipetraka amin’ny tany hanao endrika faribolana ary akodiadiavo mankeny amin’ny iray amin’izy ireo ny baolina iray. Angataho izany ankizy izany mba hizara zavatra izay nianarany vao haingana tany an-trano na tany am-pianarana mikasika ny filazantsara. Avy eo dia asao ilay ankizy mba hanakodiadia ilay baolina eny amin’ny olona iray hafa. Avereno izany mandra-pananan’ny ankizy rehetra fahafahana nizara zavatra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 1:2–9, 26–30

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ahy dia tokony hitia sy hanompo ny hafa aho.

Mety tsy hisafidy ny hilaza zavatra betsaka momba ireo fampianaran’i Nehôra ianao, kanefa izy ireo dia mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fahafantarana fa manompo isika satria tia ny hafa fa tsy hoe te hanan-karena isika na ho malaza.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ny ankizy amin’ny teny tsotra ny tantaran’i Almà sy i Nehôra (jereo ny Almà 1; “Toko 20: Almà and Nehôra,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 54–55, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Hamafiso fa na dia naneho haratsiam-panahy tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana aza ireo mpanara-dia an’i Nehôra, dia maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no nitoetra ho tsara fanahy sy feno fitiavana.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Almà 1:30 ary ampio izy ireo hahatakatra fa ny olon’ny Fiangonana dia nizara izay nananany tamin’ny olona izay nila izany. Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azon’izy ireo zaraina sy hieritreritra olona izay azon’izy ireo hizarana izany. Amporisiho ny ankizy hanao sary an’ireo drafitr’izy ireo.

  • Miaraha mihira hira iray mikasika ny fitiavana sy ny fanompoana toy ny hoe “Soyons gentils” (Chants pour les enfants, 145), ary ampio ny ankizy hamorona fihetsika afaka miaraka amin’ilay hira.

Almà 2:28–30

Hamaly ireo vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Rehefa nahatsapa “fahoriana be” (Almà 2:23) i Almà sy ny Nefita, dia nivavaka mba hahazo fanampiana izy ireo ary nahazo hery. Ampio ny ankizy hianatra avy amin’ny ohatra nasehony.

Asa atao azo tanterahina

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ao amin’ny “Toko 21: Ny Amlisita” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 56–57, na ny horonan-tsary mifanaraka amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org), dia tantarao amin’ny ankizy ny fomba nahazoan’ny Nefita hery handresena ny Amlisita. Anontanio ny ankizy ireo zavatra mampatahotra azy ireo na sarotra ho azy ireo, ary mijoroa ho vavolombelona fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo fanampiana amin’ireo zavatra ireo izy ireo.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nanampian’ Andriamanitra anao rehefa avy nivavaka Taminy ianao. Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainan’izy ireo mahakasika ny vavaka.

Almà 4:19

Afaka mampatanjaka ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Matetika ny “fanambarana tsisy tsiny” (Almà 4:19) ataon’ny ankizy iray dia afaka ny hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny hafa. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahita fomba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Sokafy ao amin’ny Almà 4:19 ny soratra masina ary hazavao fa rehefa hitan’i Almà ny haratsian-toetran’ny olona dia nanapa-kevitra izy fa ny fomba tena tsara hanampiana azy ireo dia ny mizara “fanambarana tsisy tsiny” amin’izy ireo. Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hampianarana ny ankizy ny dikan’ny hoe fijoroana ho vavolombelona sy ny zavatra ao anatin’izany. Amporisiho izy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

  • Mampidina rano madio ao anatin’ny vera mangarahara iray ary hazavao fa ny rano dia toy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika satria azontsika zaraina amin’ny hafa izany. Ampidino ao anatin’ny kaopy kely ho an’ny ankizy tsirairay ilay rano ao anatin’ny vera ary lazao ny ankizy fa rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika dia manampy ny hafa koa hanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa.

  • Avelao ny ankizy hanao fampiharana eo amin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona raha te hanao izany izy ireo. Manolora fomba maro ahafahan’izy ireo mampiseho fa fantatr’izy ireo fa marina ny filazantsara, ka anisan’izany ny hoe amin’ny alalan’ny asa ataon’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 1:2–9

Afaka mianatra mamantatra ireo fampianarana diso aho.

Misy fotoana eo amin’ny fiainantsika izay tsy maintsy hiatrehantsika olona tahaka an’i Nehôra. Ireo olona izay manandrana mamitaka antsika miaraka amin’ny hafatra izay toa mahasarika nefa diso sy manimba. Ny fizarana ny tantara ao amin’ny Almà 1:2–9 dia afaka manampy ny ankizy hiomana amin’ny fihaonana amin’olona toy izany eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamaky ny Almà 1:2–4 mba hamerenana ireo zavatra sasany nampianarin’i Nehôra, ilay mpampianatra sandoka. Ampio izy ireo hamorona fitsapam-pahalalana valina amin’ny hoe marina na diso amin’ny alalan’ny fampiasana fehezan-teny avy amin’ireo andininy ireo. Nahoana i Satana indraindray no manafangaro ny fahamarinana amin’ny zavatra diso? Ampio ny ankizy hieritreritra ohatra vitsivitsy.

  • Aorian’ny fiarahana namerina nandinika ny Almà 1:2–9 dia angataho ny ankizy tsirairay mba hamaky ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Matio 7:21–23; 2 Nefia 26:29–31; Mosià 18:24–26; ary Helamàna 12:23–26. Inona no zavatra lazain’ireo soratra masina ireo izay mitsipaka ny fampianaran’i Nehôra? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny soratra masina, mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara?

Almà 1:26-30; 4:6-13

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ahy dia tokony hitia sy hanompo ny hafa aho.

Nisy fotoana ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Almà nalala-tanana sy tia nanome ary nisy fotoana hafa, ratsy fanahy sy nieboebo izy ireo. Ampio ny ankizy ampianarinao mba hianatra avy amin’ireo zavatra niainan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamaky ny Almà 4:6-13 ary hanome ny famaritana ny teny toy ny hoe “nifanebaka,” “nanenjika,” ary “nanamavo” (ampiasao ny rakibolana raha ilaina). Inona no tsapantsika rehefa misy olona manao ireo zavatra ireo amintsika? Asao ny ankizy mba hitady teny ao amin’ny Almà 1:26–30 izay mamaritra ny fomba tian’ny Raintsika any An-danitra hifampitondrantsika.

  • Angataho ny ankizy mba hamaky ny Almà 1:27, 30 ary hitanisa ireo karazan’olona ampian’ireo Mpikamban’ny Fiangonana. Asao ny ankizy mba hieritreritra olona mipetraka any amin’ny manodidina azy ireo na olona any an-tsekoly izay mety “[mila]” (Almà 1:30) ny fitiavan’izy ireo sy ny fanampian’izy ireo. Mba hanamafisana io fitsipika io dia iaraho mihira ny hira iray momba ny hatsaram-panahy toy ny hoe “Je viens vers toi” (Chants pour les enfants, 78).

Almà 4:8–20

Afaka mampatanjaka ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Niala teo amin’ny toerany tamin’ny naha-lohan’ny mpitsara azy i Almà mba hahafahany manokana fotoana bebe kokoa hizarana ny fijoroany ho vavolombelona sy hanampiany ny olona hibebaka. Mety hanosika ny ankizy hizara matetika kokoa ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ny ohatra nasehony.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Almà 4:8–12, 15 ary angataho izy ireo mba hitady ireo olana nitranga tao amin’ny Fiangonana araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo. Asao ny ankizy hanolotra zavatra vitsivisy izay azon’i Almà atao mba hamahana ireo olana ireo. Ampio izy ireo hahita ao amin’ny Almà 4:16–20, ny zavatra notapahan’i Almà fa hataony. Nahoana no tena mahery vaika ny fijoroana ho vavolombelona?

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona sy ny zavatra ao anatin’izany dia ampisehoy ilay horonan-tsary “Apostle Testimony Montage” (ChurchofJesusChrist.org); miaraha mihira hira momba izany lohahevitra izany toy ny hoe “Le Saint-Esprit a témoigné” (Cantiques, no. 74); na ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ireo loharano ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hieritreritra olona izay ahafahan’izy ireo mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo mba hanoratra drafitra iray mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ny tanjon’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay manasa hijoro ho vavolombelona. “Ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika ampianarina dia afaka ny ho fomba mahery vaika iray hanasana ny Fanahy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Tompo, 32). Mba hanasana ny ankizy hijoro ho vavolombelona dia mametraha fanontaniana izay manosika azy ireo hieritreritra sy hizara ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy na ny filazantsarany. Azonao atao koa ny manontany ireo zavatra niainan’izy ireo mahakasika ny vavaka, ny fanompoana, ireo ôrdônansy toy ny batisa, na ny fahatsapana ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy