Avia, hanaraka Ahy
1–7 jona. Almà 5–7 : “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”


“01–07 jona. Almà 5–7: -Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“01–07 jona. Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020

Sary
I Jesoa mitrotro zanak’ondry iray

Tsy adino ianareo, nataon’i Jon McNaughton

1–7 jona

Almà 5–7

“Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”

Diniho ombam-bavaka ireo fitsipika ao amin’ny Almà 5–7 izay tsapanao fa manan-danja manokana ho an’ny ankizy ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo momba an’i Almà Zanany izay nianaran’izy ireo herinandro vitsy lasa izay. Hazavao fa rehefa avy niova fo i Almà dia nampianatra an’ireo zavatra manan-danja momba ny filazantsara tamin’ny olona izy. Avelao ireo ankizy hizara izay fantatr’izy ireo mikasika ireo zavatra nampianariny.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 5:44–48

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana aho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Afaka mamolavola fijoroana ho vavolombelona matanjaka na dieny mbola kely aza ny ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampiasà sary irain’i Almà Zanany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 77) mba handinihina indray ny tantaran’ilay anjely namangy azy (jereo ny Môsià 27). Angataho avy eo ny ankizy mba hanome famaritana ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona ary ampio izy ireo raha ilaina izany. Hazavao fa nanao asa i Almà mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona taorian’ny namangian’ilay anjely azy. Averimbereno kely vakina miadana ny Almà 5:46 ary asao ny ankizy hihaino ny zavatra nataon’i Almà sy ny fomba nahafantarany ny fahamarinana. (Mety ho ilainao ny manazava fa atao ny hoe mifady hanina dia tsy misakafo sy tsy misotro rano.)

  • Mampisehoa sarin-javatra izay mihamitombo ary mila fikarakarana tsy tapaka, toy ny zavamaniry iray na biby mbola kely iray. Angataho ny ankizy mba hizara ny fomba fikarakarantsika an’ireo zavatra ireo sy ny fanampiana azy ireo hitombo. Ampahatsiahivo azy ireo fa tsy maintsy mikarakara tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika koa isika.

  • Mampiasà baolina tsy mibontsina iray mba hampisehoana ny fijoroana ho vavolombelona ary asio rivotra ao anatin’izany isaky ny mizara zavatra izay manampy ny fijoroana ho vavolombelona hitombo ianao. Afatory ny lohan’ilay baolina ary ampitapitao izany sady angataho ny ankizy hizara zavatra izay azon’izy ireo atao mba hampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Asao ny ankizy hanao sary ny tenan’izy ireo manao zavatra izay hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Sary
ankizilahy anankiroa miaraka amin’ny biby mbola kely

Rehefa manaiky ny filazantsara isika dia toy ny manomboka fiainana vaovao izany.

Almà 7:10–13

Nentin’ny Mpamonjy teo Aminy ny fahotantsika sy ny fanaintainantsika ary ny fahoriantsika.

Ireo fahamarinana ao amin’ny Almà 7:10–13 dia afaka manampy ny ankizy hahafantatra fa miraharaha azy ireo i Jesoa Kristy ary afaka manampy azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy sarin’i Jesoa anankiray ny ankizy. Hazavao fa fantany izany hoe maratra na malahelo na matahotra izany. Vakio ireo teny sasantsasany ao amin’ny Almà 7:11–13 izay mamaritra ny zavatra nozakain’ny Mpamonjy ary hazavao ireo teny izay mety tsy takatry ny ankizy. Hazavao fa afaka manampy sy mampahery antsika i Jesoa rehefa malahelo isika. Zarao ny fomba nanampian’ny Mpamonjy anao sy nampaharezany anao.

  • Angataho ny ankizy mba hizara zavatra niainan’izy ireo tamin’izy ireo narary na nandalo fanaintainana na nanana olana hafa izay nampalahelo azy ireo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa nizaka an’ireo zavatra ireo koa ny Mpamonjy ary mahafantatra ny fomba hanampiana antsika.

Almà 7:19–20

Mahitsy ny lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ny famaritan’i Almà ilay lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra mba hanampiana ny ankizy hianatra hanao safidy tsara?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Almà 7:19 ary hazavao fa rehefa manao safidy tsara isika dia eo amin’ilay lalana mitondra miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra. Tolory karazana safidy na zavatra atao ny ankizy (toy ny hoe maneho haratsian-toetra amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na manompo azy ireo). Anontanio azy ireo raha toa ka tsara sy mitondra miverina any amin’Andriamanitra na ratsy sy mampanalavitra ny tena Aminy ny safidy tsirairay.

  • Vakio ny Almà 7:20 ary ampio ny ankizy hahatakatra ireo teny ao anatin’ireo andininy izay mamaritra ilay lalana miverina any amin’Andriamanitra. Manaova sarina lalana iray eny amin’ny solaitrabe izay miainga avy eo amintsika mankany amin’ny Ray any An-danitra. Manaova sarina lalana ratsy avy eo izay ahitana lala-tampina, izay mampanalavitra an’Andriamanitra. Asao ny ankizy mba hanoritra ireo lalana ireo amin’ny alalan’ny rantsantanan’izy ireo. Iza no lalana tsara kokoa? Ampio izy ireo hieritreritra safidy tsara izay hanampy azy ireo hijanona eo amin’ilay lalana mahitsy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 5:12–14, 27–28, 57; 7:14–24

Tsy maintsy hateraka indray aho ary avy eo hanaraka ilay lalana miverina any amin’Andriamanitra.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe hateraka indray?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina zazakely amin’ny ankizy ary asao izy ireo mba hiresaka momba ny endriky ny zazakely iray raha vao teraka izy. Asao ny ankizy iray hamaky ny Almà 5:14. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “naterak’Andramanitra araka ny fanahy,” dia angataho izy ireo mba hieritreritra hoe nanao ahoana i Almà Zanany talohan’ny niovany fo. Nanao ahoana izy taty aoriana? (Jereo ny Môsià 27:23–32 ary ny Almà 36:12–24.) Hazavao fa rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy sy miaina ny filazantsara isika dia toy ireny manomboka fiainana vaovao ireny isika toy ny zazakely.

  • Iaraho mamaky ny Almà 7:19, ary hazavao fa rehefa aorian’ny fahaterahantsika indray dia tsy maintsy manaraka “ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra” isika. Manafena taratasy manodidina ny trano izay ahitana ireto soratra masina manaraka ireto misoratra eo amin’izy ireo: Almà 5:12–13, 27–28, 57; 7:14–16, 23–24. Asao ny ankizy hitady ireo taratasy ireo sy hitady soratra masina ary hizara ny zavatra ampianarin’ny soratra masina tsirairay fa tsy maintsy ataontsika mba hiverenana eo anatrehan’Andriamanitra.

Almà 5:14, 44–48

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana aho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Novangian’ny anjely iray i Almà, saingy ny fijoroany ho vavolombelona dia “[nampahafantarina azy tamin’ny] alalan’ny Fanahy Masina” (Almà 5:46).

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakina amin’ny ankizy ny Almà 5:44–46. Inona no nataon’i Almà mba hahazoany ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tenany manokana? Omeo taratasy kely ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo mba hanao drafitra ny hanao zavatra iray amin’ity herinandro ity mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

  • Ampitapitao ny fitaratra iray ary avelao ny ankizy hijery ny taratry ny endrik’izy ireo eo amin’izany rehefa mamaky ny Almà 5:14 ianao. Inona ny dikan’ny hoe misoritra eo amin’ny tarehintsika ny endriky ny Mpamonjy? Mizarà fotoana na zavatra nataon’ny olona iray izay nampahatsiaro anao ny Mpamonjy ary angataho ny ankizy hanao an’izany koa.

Almà 7:10–13

Nentin’ny Mpamonjy teo Aminy ny fahotantsika sy ny fanaintainantsika ary ny fahoriantsika.

Rehefa mandalina ny Almà 7 ianao dia saintsaino ny fomba ahafahana manorina ny finoan’ny ankizy an’i Jesoa Kristy mba hahafahan’izy ireo mitodika any Aminy ao anatin’ny fitsapan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny Almà 7:11–13, ka hitady ireo zavatra izay nozakain’i Jesoa Kristy. Mety vonona ny hizara zavatra niainan’izy ireo izy ireo rehefa nahatsapa fanaintainana na narary na tratran’ny fahoriana. Araka ireo andininy ireo dia nahoana ny Mpamonjy no vonona hizaka an’ireo zavatra rehetra ireo? (Azavao fa ny “manampy” dia midika hoe “mitondra fanampiana.”)

  • Tantarao amin’ny ankizy ny momba ny aretina iray na ny ratra iray na ny fahoriana iray nitranga taminao ary anontanio izy ireo raha niaina zavatra mitovy amin’izany. Iaraho mamaky ny Almà 7:11–13, ary hamafiso ny zavatra nozakain’i Jesoa ho antsika. Ampio ny ankizy hieritreritra fotoana niainan’ny Mpamonjy ireo zavatra ireo toy ny tamin’ny fotoana nakana fanahy Azy (jereo ny Matio 4:1–11) na tamin’ny fotoana nijaliany teo Getsemane. Nahoana no manampy antsika ny mahafantatra fa mahatakatra ireo olana mahazo antsika i Jesoa? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fananan’i Jesoa hery mba hampaherezana sy hanampiana ary hanasitranana antsika.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hanantona sarin’i Jesoa anankiray eo amin’ny toerana iray izay hahitan’izy ireo izany matetika mba hampahatsiahivana azy ireo mikasika ny zavatra nianaran’izy ireo momba Azy androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao hivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy anao. Zava-dehibe amin’ny maha-mpampianatra anao ny misaintsaina fomba ahafahanao mampitombo ny fahafahanao manampy ny ankizy hanorina ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hevero ny hampiasa ireo fanontaniana hanombantombanana ny tena manokana ao amin’ny pejy 37 ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

Hamoaka printy