“13–19 jolay. Almà 32–35: -Hambolenareo izany teny izany ao am-ponareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)
“13–19 jolay. Almà 32–35,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020
13–19 jolay
Almà 32–35
“Hambolenareo izany teny izany ao am-ponareo”
Raketo an-tsoratra ny fahatsapana ara-panahy voarainao eo am-pandalinanao ny Almà 32–35. Inona no tsapanao fa tokony hataonao noho ny zavatra nianaranao?
Raketo ireo zavatra tsapanao
Ho an’ny Zôramita, ny vavaka dia fomba fanao tsy voasaina sy mahazatra izay hatao indray mandeha isan-kerinandro fotsiny. Izany fivavahana izany dia fijoroana eo amin’ny toerana hahafahan’ny olona rehetra mahita azy ireo ary mamerimberina teny poakaty sy feno fireharehana. Ary ny tena ratsy angamba, dia tsy nino an’i Jesoa Kristy ny Zôramita, mety nandà ny fisiany mihitsy aza, ary nanosi-bohotanana ny mahantra (jereo ny Almà 31:9–25). Tetsy an-kilan’izay kosa, i Almà sy i Amioleka dia nampianatra fa ny vavaka dia misy ifandraisany bebe kokoa amin’ny zavatra tsapantsika ao anatintsika toy izay amin’ny zavatra aseho ety ivelany. Ary raha tsy mitondra ho amin’ny fangorahana an’ireo sahirana izany dia “zava-poana … sady tsy mahasoa … na amin’ inona na amin’ inona” (Almà 34:28). Ny manan-danja indrindra, dia fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy izany, izay manolotra fanavotana amin’ny alalan’ny “sorona tsisy fetra sady mandrakizay” izay nataony (Almà 34:10). Ny finoana toy izany, hoy i Almà nanazava, dia avy amin’ny fanetren-tena ary “[faniriana] ny hino” (Almà 32:27). Maniry tsikelikely toy ny hazo izany ary mitaky fikolokoloana tsy tapaka. Eo am-pamakianao ny Almà 32–35, dia mety hieritreritra ny finoanao sy ny vavakao manokana ianao. Moa ve ianao mahatsapa fihetsika toy ny an’ny Zôramita izay miseho ao anatin’izany? Ahoana no hikolokoloanao ny finoanao an’i Jesoa Kristy mba hahatonga izany ho “hazo maniry hatrany amin’ ny fiainana maharitra mandrakizay”? (Almà 32:41).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Afaka misafidy ny hanetry tena aho.
Tsikaritr’i Almà fa nanetry tena ireo Zôramita nahantra ary “voaomana … handre ny teny” (Almà 32:6). Eo am-pamakianao ny Almà 32:1–16, dia eritrereto ny fomba hiomananao hihaino ny tenin’ Andriamanitra.
Inona ny zavatra niainana izay nampanetry tena anao? Inona no nataonao mba ho lasa manetry tena kokoa? Ireo andininy ireo dia afaka mampianatra anao ny fomba hisafidianana ny fanetrentena toy izay ny ho voatery hanetry tena. Ohatra, inona no maha-samy hafa ny hoe “nahantra … raha ny amin’ ny zavatr’ izao tontolo izao” sy ny hoe “nahantra am-po”? (andininy 3). Inona no dikan’ny hoe “manetry ny tena[nao] … noho ny teny”? (andininy 14).
Jereo koa ny “Humilité,” Sujets de l’Evangile, topics.ChurchofJesusChrist.org.
Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fikolokoloana ny teniny ao am-poko.
Nahoana i Almà, araka ny hevitrao, no niresaka momba ny fambolena voa iray mba hamaliana ny fanontanian’ny Zôramita momba ny fitsaohana? Inona ilay voa izay noresahan’i Almà? (jereo ny Almà 32:28; 33:22–23). Eo am-pamakianao ny Almà 32:17–43, dia tadiavo ireo teny sy andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny fomba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy amin’ny teniny. Inona no ianaranao momba ny atao hoe finoana sy ny atao hoe tsy finoana? Aorian’izay, eo am-pamakianao ny toko 33–34, dia mitadiava valiny ho an’ilay fanontanian’ny Zôramita hoe ahoana no “fomba [hambolenay] ny voa?”Almà 33:1).
Inty misy fomba iray hafa handalinana ny Almà 32–34: Manaova sary maneho ireo dingana samihafa mikasika ny fitsirian’ny voa iray. Dia asio anarana avy amin’ny teny ao amin’ny Almà 32:28–43 ny sary tsirairay, izay manampy anao hahatakatra ny fomba hambolena sy hikolokoloana ny teny ao am-ponao.
Jereo koa ny Matio 13:3–8, 18–23; Hebreo 11; Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 65–68; “Foi,” Sujets de l’Evangile, topics.ChurchofJesusChrist.org.
Afaka mitsaoka an’ Andriamanitra amim-bavaka aho na oviana na oviana, na aiza na aiza.
Ny torohevitr’i Almà sy i Amioleka momba ny fitsaohana sy ny vavaka dia natao mba hanitsiana ny fahadisoan-kevitra manokana izay nananan’ny Zôramita (jereo ny Almà 31:13–23). Kanefa ny fahamarinana izay ampianarin’izy ireo dia afaka manampy na iza na iza amintsika mba hahatakatra bebe kokoa ny vavaka sy ny fitsaohana. Azonao atao tsara ny manao lisitra ireo fahamarinana momba ny vavaka izay hitanao ao amin’ny Almà 33:2–11 sy 34:17–29. Ataovy eo akaikin’izany lisitra izany ny lisitr’ireo fahadisoan-kevitra mety misy momba ny vavaka izay ahitsin’ireo fahamarinana ireo (jereo ny Almà 31:12–23). Inona no ho fiantraikan’ireo zavatra nianaranao avy amin’ireo andininy ireo eo amin’ny fomba fivavahanao sy fitsaohanao?
Iza i Zenôsa sy i Zenôka?
I Zenôsa sy i Zenôka dia mpaminany izay nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy nandritra ny fotoan’ny Testamenta Taloha, saingy tsy hita ao amin’ny Testamenta Taloha ny fampianaran’izy ireo. Nanana ny fampianaran’ireo mpaminany ireo ny Nefita, satria azo antoka fa isan’ny tao anatin’ireo takela-barahina izay azon’i Nefia avy tamin’i Labàna izany. Izy ireo ihany koa dia voalaza ao amin’ny 1 Nefia 19:10–12; Jakôba 5:1; ary Helamàna 8:19–20.
“Izao fiainana izao no fotoana … hiomanana hihaona amin’Andriamanitra.”
Eo am-pamakianao ny Almà 34:30–41, dia eritrereto ny fomba “hampiasa[nao] tsara ny fotoa[nao] … raha mbola eto amin’ ity fiainana ity” (andininy 33). Ahoana no hahafahan’ny fibebahana sy ny faharetana manampy anao hiomana hihaona amin’ Andriamanitra? Misy fanovana ilainao atao ve kanefa nahemotrao ny fotoana hanaovana izany? Makà antoka fa avadikao ho asa izay mety ho fahatsapana ara-panahy voarainao.
Jereo koa ny Almà 12:24; Larry R. Lawrence, “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Liahona, nôv. 2015, 33–35.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:
Almà 32:9–11; 33:2–11; 34:38–39
Mety ho toy ny ahoana ny fiainana raha tsy avela mitsaoka sy mivavaka isika raha tsy rehefa alahady ihany? Eo am-piarahanareo mamaky ireo andininy ireo, dia afaka miresadresaka ny fomba ahafahann’izy ireo mitsaoka isan’andro ny fianakaviana, ary miresaka ny antony maha-velom-pankasitrahana azy ireo fa afaka manao izany izy ireo.
Almà 32:28–43
Misy sarina hazo miaraka amin’ity rindran-damina ity. Mety ho ampiasainao izany mba hanehoana an-tsary ny tenin’i Almà ao amin’ireo andininy ireo. Na afaka mandeha mitsangantsangana ny fianakavianao mba hitady zava-maniry amin’ny dingana samihafan’ny fitsiriana ary mamaky ireo andininy ao amin’ny Almà 32 izay mampitaha ny zava-maniry mihalehibe iray amin’ny finoantsika. Azon’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana atao tsara ny mamboly voa iray ary mifanakalo hevitra momba ny zavatra ilaintsika hatao mba hampaniriana izany. Ao anatin’ireo herinandro manaraka dia azonareo atao ny manara-maso ilay voa novolenareo ary mifampahatsiahy momba ny filàna mikolokolo tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy.
Almà 33:2–11; 34:17–29
Inona no aroson’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika manatsara ny vavaka ataontsika manokana sy ataon’ny fianakaviantsika?
Almà 34:31
Inona avy ireo zavatra niainana izay naneho tamintsika fa rehefa mibebaka isika, dia manomboka mahazo “eo no ho eo” ireo fitahiana avy amin’ny drafitry ny fanavotana?
Almà 34:33–35
Fantatry ny fianakavianao ve ny dikan’ny hoe manemotra? Angamba mety misy olona afaka mizara ohatra amin’ny fanemorana ny fanaovana zavatra iray sy ny voka-dratsy aterak’izany. Inona no dikan’ny hoe “[manemotra] ny andron’ ny fibebahan[tsika]”?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.