“29 jona–5 jolay. Almà 23–29: -Tsy nihemotra na oviana na oviana- izy ireo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)
“29 jona–5 jolay. Almà 23–29,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020
29 jona–5 jolay
Almà 23–29
“Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo
Eo am-pandalinanao ny Almà 23–29, dia inona avy ireo hafatra nentanim-panahy hitanao ho an’ny tenanao sy ny fianakavianao? Inona no zavatra azonao zaraina any amin’ireo kilasinao any am-piangonana?
Raketo ireo zavatra tsapanao
Moa ve ianao manontany tena indraindray raha tena afaka miova marina ny olona? Mety mampanahy anao angamba raha toa ianao ka afaka mandresy na tsia ireo safidy ratsy efa nataonao na ireo fomba ratsy lasa fanaonao, na mety manana fanahiana mitovy amin’izany momba ireo olon-tianao ianao. Raha izay no izy, dia afaka manampy anao ny tantaran’ny Antia-Nefia-Lehia. Fahavalo tena nankahala ny Nefita ireo vahoaka ireo. Rehefa nanapa-kevitra ny hitory ny filazantsara tamin’izy ireo i Amôna sy ireo rahalahiny dia “nihomehy naneso [azy ireo]” ny Nefita. Toy ny hoe vahaolana azo heverina kokoa ny famonoana ny Lamanita raha oharina amin’ny fampiovana fo azy ireo. (Jereo ny Almà 26:23–25.)
Niova tokoa anefa ny Lamanita, tamin’ny alalan’ny hery manova fo avy amin’ny Tompo. Raha toa izy ireo tany aloha tany ka fantatra tamin’ny hoe “vahoaka … mafy fo sy lozabe” (Almà 14:14), dia lasa “niavaka … noho ny zotom-pony tamin’ Andriamanitra” (Almà 27:27) izy ireo. Raha ny marina dia “tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo (Almà 23:6).
Mety manana fomban-drazana diso tokony havela angamba ianao na “fiadian’ny fikomia[na]” tokony hapetraka (Almà 23:7). Na mety mila manao fanolorantena misimisy kokoa fotsiny ianao amin’ny fijoroanao ho vavolombelona ary tsy ho mora mihemotra. Na inona na inona fiovana ilainao, ny Almà 23–29 dia afaka manome fanantenana anao fa azo heverina tsara ny hisian’ny fiovana maharitra amin’ny alalan’ny hery manavotr’i Jesoa Kristy.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Rehefa manaiky ny filazantsara ireo zanak’ Andriamanitra dia misy fitahiana lehibe azo aorian’izay.
Rehefa nanao fanambarana ny mpanjakan’ny Lamanita fa tsy tokony “ho tojo sakana” teo anivon’ny vahoakany ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 23:1–5), dia nanokatra ny varavarana mba hidiran’ny fitahiana lehibe ho azy ireo izy. Eo am-pamakianao ny Almà 23–29, dia tadiavo ireo fitahiana ireo. Ahoana no hakanao antoka fa “tsy ho tojo sakana” ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao sy ao amin’ny fianakavianao?
Manova ny fiainako ny fiovam-poko ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Ireo Lamanita notsidihan’i Amôna sy ireo rahalahiny dia toa ireny tsy hiova fo ireny. Nosakanan’ny fomban-drazan’ireo razambeny sy ny faharatsiany manokana izy ireo. Na izany aza dia maro tamin’izy ireo no nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka nitondra fiovana goavana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Ho mariky ny fiovam-pon’izy ireo dia niantso ny tenany hoe Antia-Nefia-Lehia ireo Lamanita ireo. (Ny hevitry ny hoe “anti-” eto dia tsy mitovy amin’ny hoe “anti-” ao amin’ny hoe “anti-Christ.”)
Ny fandinihana ny fiovam-pon’ireo Lamanita ireo dia mety hitaona anao hisaintsaina ny fiovam-ponao manokana “ho an’ny Tompo” (Almà 23:6). Fomba iray azo handalinana ireo toko ireo ny famantarana ny fomba nanovan’ny fiovam-pon’ny Antia-Nefia-Lehia ny fiainan’izy ireo. Afaka manampy anao hanomboka izany ireto andininy manaraka ireto.
Eo am-pandalinanao ny fiovana teo amin’ireo Antia-Nefia-Lehia, dia saintsaino ny fomba hanovan’ny fiovam-ponao ho an’i Kristy ny tenanao. Inona no tsapanao fa mbola ilainao hovaina mba hahafahan’ny filazantsara manana hery lehibe kokoa eo amin’ny fiainanao?
Be indrafo Andriamanitra.
Na dia azo lazaina aza fa tena hafa amin’izay mety ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ny fahotana izay tsy maintsy noresen’i Amôna sy ny Antia-Nefia-Lehia, dia miantehitra amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra avokoa isika rehetra. Inona no hitanao ao amin’ny Almà 24:7–19 sy 26:17–22 ka manampy anao hahatakatra ny famindram-pony? Eo am-pamakianao izany dia mety hieritreritra ireto zavatra ireto ianao: ny fomba nanasana anao hibebaka, ny zavatra niainanao tamin’ny fibebahana, ny fomba niezahanao tsy hanota intsony, ary ireo fitahiana izay tonga teo aminao tamin’ny alalan’ny fibebahana. Rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina eo am-pieritreretana izany ianao, dia inona no ianaranao momba ny famindram-pon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?
Mitondra fifaliana ny fanompoana ny Tompo.
Na dia tsy mitovy aza ny zavatra niainan’izy ireo, dia nanana fahatsapana mitovy momba ny asa fitoriana ny filazantsara izay nataony i Amôna sy i Almà. Hevero ny hamaky ny Almà 26 sy 29 sy ny hampitaha izany. Inona no fitoviana tsikaritrao? Inona ireo teny sy andian-teny miverimberina ao? Inona no azonao ianarana avy amin’i Amôna sy Almà mikasika ny fomba hahitana ny fifaliana marina na dia eo aza ireo olanao? (Mba hijerena indray ireo olana natrehan’i Almà dia jereo ny sasin-tenin’ny toko ho an’ny Almà 5–16. Mba hijerena indray ireo olana nananan’i Amôna sy ny rahalahiny dia jereo ny sasin-tenin’ny toko ho an’ny Almà 17–28.)
Inona no atao hoe amboara sy sompitra?
Amin’ny fotoam-pijinjana, dia matetika ireo voa no angonina ho lasa fehezana antsoina hoe amboara ary apetraka ao amin’ny trano fitehirizana, izay antsoina indraindray hoe sompitra. Ny Loholona David A. Bednar dia nanome fanazavana momba ny tandindona ao amin’ny Almà 26:5: “Maneho ireo mpikambana vao vita batisa ato amin’ny Fiangonana ireo amboara ato amin’ity fanoharana ity. Ny sompitra dia ny tempoly masina” (“Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Liahona, mey 2009, 97). Eritrereto ny zavatra ampianarin’ilay fanoharana ao amin’ny Almà 26:5–7 anao momba ny maha-zava-dehibe ireo fanekempihavanan’ny tempoly.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:
Almà 24:6–19
Nahoana ny Antia-Nefia-Lehia no nandevina ny fitaovam-piadiany “lalina [t]ao anaty tany”? (Almà 24:16). Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana angamba ny hanoratra amin’ny taratasy kely maromaro ireo zavatra tian’izy ireo horesena na hafoy. Aorian’izay izy ireo dia afaka mangady lavaka ary mandevina ireo taratasy.
Almà 24:7–12
Ny fandalinana ireo andininy ireo dia afaka manampy ny fianakavianao hahatakatra ny fanomezam-pahasoavana mahatalanjon’ny fibebahana. Inona no nataon’ny Antia-Nefia-Lehia mba hibebahana tamin’ny fahotany? Ahoana no nanampian’ny Tompo azy ireo hibebaka? Inona no azontsika ianarana avy amin’io ohatra io?
Almà 24:20–27
Inona no hitantsika fa mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ilay fanambaran’i Môrmôna hoe: “Dia toy izany no ahitantsika fa miasa amin’ ny fomba maro ny Tompo ho famonjena ny olony”? (Almà 24:27).
Almà 26:2
Ahoana no hamalian’ny fianakavianao ireo fanontanian’i Amôna ao amin’ny Almà 26:2? Azonao atao tsara ny manao lisitra ny valin-tenin’izy ireo amin’ny taratasy lehibe iray ary manantona izany amin’ny toerana iray izay ahafahan’ny rehetra mahita izany. Amporisiho ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hampiditra zavatra ao anatin’izany rehefa mieritreritra ireo fitahiana hafa izay “natolony antsika” izy ireo.
Almà 29:9
Ahoana no naha-fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra an’i Amôna sy Almà? Hevero ny hijery ireo fitaovana ao an-tokantranonao sy ny hifanakalo hevitra mikasika ny fomba hanampian’ny tsirairay avy amin’izany ny fianakavianao. Ahoana no hanampian’izany antsika hahatakatra ny fomba hahafahan’ny tsirairay avy amintsika ho “fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra”?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.