Avia, hanaraka Ahy
29 jona–5 jolay. Almà 23–29: “Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo


“29 jona–5 jolay. Almà 23–29: -Tsy nihemotra na oviana na oviana- izy ireo” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“29 jona–5 jolay. Almà 23–29,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
ireo Antia-Nefia-Lehia mandevina ny fitaovam-piadiany

ireo Antia-Nefia-Lehia mandevina ny fitaovam-piadiany, nataon’i Jody Livingston

29 jona–5 jolay.

Almà 23–29

“Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo

Halalino ombam-bavaka ny Almà 23–29, hikatsahana fitaomam-panahy ny amin’ny zavatra ilain’ny ankizy ary ny fomba hanampiana azy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manaova sarin’endrika faly eo amin’ ny taratasy iray, dia avelao ny ankizy tsirairay hihazona izany. Eo am-pihazonany ny taratasy dia asao izy ireo hilaza zavatra iray nianarany avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mitondra fifaliana ho azy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 24:6–24

Voatahy aho rehefa manaja ny fampanantenana nomeko.

Inona avy ao amin’ny Almà 24:6–24 no nianaranao ka afaka manampy ireo ankizy hahatakatra ny lanjan’ny fanajana ny fampanantenana tsara iray natao?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny andininy na andian-teny sasany avy ao amin’ny Almà 24:6–24 mba hampianarana ny ankizy mikasika ireo Antia-Nefia-Lehia, ny fampanantenana nataon’izy ireo, ary ny fomba nanajan’izy ireo ilay fampanantenana. Azonao ampiasaina koa ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ny “Toko 26: Ny vahoakan’i Amôna” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 73–74, na horonan-tsary mifanaraka amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Lazalazao ny fomba nanajan’ireo Antia-Nefia-Lehia ny fampanantenana nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fandevenana ny fitaovam-piadian’izy ireo. Asao ny ankizy hanao sarina sabatra ary mody hanao hoe mandavaka lavaka ary mandevina ny sabany. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fampanantenana nataony. Nahoana no zava-dehibe ny mitandrina ireo fampanantenana natao? Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia manao fampanantenana amin’ Andriamanitra ary manao fampanantenana amintsika koa Izy. Antsoina hoe ôrdônansy izy ireny. Mijoroa ho vavolombelona fa voatahy isika rehefa mitandrina ireo fampanantenana nataontsika tamin’ Andriamanitra.

Almà 2629

Mitondra fifaliana ho ahy ny filazantsara, ary afaka mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa aho.

I Amôna, izay nanampy nampianatra ny filazantsara tamin’ireo Antia-Nefia-Lehia, dia nahazo fifaliana lehibe avy amin’ny fitoriana ny filazantsara. I Almà, izay nampianatra ihany koa ny filazantsara tamin’olona maro, dia nahazo fifaliana mitovy amin’izany koa. Afaka miaina fifaliana tahaka izany isika rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Mifantena andian-teny vitsivitsy avy amin’ny Almà 26 na 29 izay miresaka fifaliana, dia vakio amin’ny ankizy izany (jereo ohatra ny Almà 26:11, 13 na ny Almà 29:13–14). Asao ny ankizy hitsangana isaky ny maheno ny teny hoe “fifaliana” na “hifaliana.” Ampio ireo ankizy hahatakatra fa nitondra fahasambarana tamin’i Almà sy Amôna ny fizarana ny filazantsara. Zarao ny zavatra niainanao iray ka nitondra fifaliana ho anao ny filazantsara tamin’izany.

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra izay mitondra fifaliana ho azy ireo. Asao ny ankizy tsirairay mba hanome ny mpiara-mianatra iray hafa ny sary nataony ary hanazava ilay izy. Mariho fa rehefa mitondra fifaliana ho antsika ny zavatra iray, toy ny filazantsara ohatra, dia hitombo ny fifaliantsika rehefa mizara izany isika.

  • Omeo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ny ankizy iray, dia omeo fahafahana izy hizatra hizara izany amin’ny mpiara-mianatra iray hafa. Amporisiho ny ankizy hanazava ny zavatra tsapany momba ny Bokin’i Môrmôna. Nahoana isika no mizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa?

Almà 27:20–30

Afaka manampy ny namako hiaina ny filazantsara aho.

Niaro ireo Antia-Nefia-Lehia tamin’ny fahavalony sy nanampy azy ireo hitandrina ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo ny Nefita.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy ny tantaran’ireo Antia-Nefia-Lehia nanao fampanantenana ny tsy hiady intsony (jereo ny Almà 27:20–30). Hazavao fa noho ny fampanantenana nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia dia tsy afaka niaro ny tenan’izy ireo tamin’ny fahavalony izy ireo. Vakio ny Almà 27:23, dia hazavao fa ny Nefita naman’izy ireo dia nisafidy ny hiaro ny Antia-Nefia-Lehia mba hahafahan’izy ireo mitandrina ny fampanantenana nataon’izy ireo. Ahoana no ahafahantsika manampy ny namantsika hitandrina ny fampanantenana nataony? Lazalazao ny momba ny fotoana iray nanampian’ny namana iray anao hitandrina ny fampanantenana nataonao tamin’ Andriamanitra.

  • Manaova filalaovana an-tsehatra miaraka amin’ny ankizy, izay hahafahan’izy ireo manampy ny hafa ao anatin’ny hatsaram-panahy mba hisafidy ny marina. Ohatra, inona no azontsika lazaina amin’ny namana iray izay te handainga na te ho ratsy fanahy?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 24

Fampanantenana ataoko amin’ Andriamanitra sy ataony amiko no atao hoe fanekempihavanana.

Nalevin’ireo Antia-Nefia-Lehia ny fitaovam-piadian’izy ireo ary nampanantena izy ireo fa tsy hamono intsony. Torak’izany koa, ireo ankizy ampianarinao dia afaka manaja ny fanekempihavanany.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo vatokely ny ankizy dia asao izy ireo hanoratra ny teny hoe fanekempihavanana eo amin’ny vatony. Hazavao fa ny fanekempihavanana dia fampanantenana eo amin’ny Ray any An-danitra sy ireo zanany. Mahatonga antsika ho “[m]iorina” toy ny vato amin’ny fomba ahoana ny fanekempihavanana ataontsika? (Almà 24:19). Iaraho mamaky ny Almà 24:16–25 mba hianarana ny fanekempihavanana nataon’ny vahoakan’i Amôna ary ny fomba nanajan’izy ireo izany fanekempihavanana izany. Asao ny ankizy hitondra ireo vatokely mody ho fampahatsiahivana ny fanajana ny fanekempihavanana nataony.

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Almà 24:16–19, dia ifanakalozy hevitra ny zavatra nataon’ny Antia-Nefia-Lehia mba hampisehoana amin’ Andriamanitra fa efa nibebaka izy ireo. Inona no nataon’izy ireo fanekempihavanana fa tsy hataon’izy ireo intsony? Hazavao fa ny fanekempihavanana ataontsika dia “vavolombelona amin’ Andriamanitra” fa te hanaraka ny didin’ Andriamanitra isika (andininy 18). Inona avy ireo fanekempihavanana efa nataon’ny ankizy?

  • Asao ny mpianatra hanao ny sarin’ny fitaovam-piadian’ireo Antia-Nefia-Lehia. Dia asao izy ireo hanoratra ao ambadiky ny fitaovam-piadiana, ny zavatra iray tsapany fa tokony hovainy mba hahafahany manaraka tanteraka kokoa an’i Jesoa Kristy. Avelao izy ireo mody hanao hoe mandevina ny fitaovam-piadiany ary hamolavola drafitra amin’ny fampiharana izay nosoratany.

Almà 24:7–10; 26:23–34; 27:27–30

Noho ny famindrampon’ny Ray any An-danitra dia afaka mibebaka sy miova isika.

Tato ato ny ankizy dia nianatra momba an’i Almà sy Amôna ary ireo Antia-Nefia-Lehia. Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo fampitahana tantara ireo mba hanehoana fa mamindra fo amin’ireo izay tena mibebaka ny Ray any An-danitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty hoe Taloha sy Avy eo eo amin’ny solaitrabe. Mangataha mpianatra vitsivitsy hamaky ireto andininy manaraka ireto mba hahitana hoe nanao ahoana ireo Lamanita talohan’ny nampianaran’i Amôna sy ireo rahalahiny azy ireo: Almà 17:14–15; 26:23–24. Manasà mpianatra hafa hamaky ireto andininy ireto mba hahitana hoe nanao ahoana ny fiovan’ireo Lamanita: Almà 26:31–34; 27:27–30. Asao ny ankizy hanao lisitra ny zavatra hitany eo ambanin’ny lohateny. Dia asao izy ireo hianatra ao amin’ny Almà 24:7–10 ny fomba nahafahan’ireo Lamanita ireo tena niova tanteraka. Mijoroa ho vavolombelona momba ny herin’ Andriamanitra mba hamela sy hanampy antsika hibebaka sy hiova.

  • Asao ny ankizy hiaraka hamaky ny Almà 26:21–22, hitadiavana ireo fitahiana izay tonga amin’ireo izay mibebaka. Asao ny mpianatra hanoritsoritra ny sasany amin’ireo fitahiana ireo amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo manokana.

Almà 2629

Mitondra fifaliana ho ahy ny filazantsara, ary afaka mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa aho.

Ireo toko ireo dia feno ohatra maneho ny fifaliana tonga avy amin’ny fiainana sy fizarana ny filazantsara. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Almà 26 sy 29 mba hanentanana ny ankizy hikatsaka izany fifaliana izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hahita ireo teny hoe “fifaliana” sy “hifaliana” ao amin’ny Almà 26 sy 29. Iaraho mamaky ny sasany amin’ireo andininy hitan’izy ireo, ary ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fifaliana. Inona no nitondra fifaliana ho an’i Almà sy Amôna? Zarao ny zavatra niainanao izay nahatsapanao fifaliana avy amin’ny fiainana na fizarana ny filazantsara, na asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany manokana.

  • Asao mba hifanatrika ny mpianatra anankiroa ka hanao izay hampitsiky ilay iray hafa voalohany. Inona avy ireo fomba sasany hahafahantsika manely fifaliana ho an’ny hafa? Amin’ny fomba ahoana ny fizarana ny filazantsara no fampielezana fifaliana? Ampio ny ankizy hieritreritra fomba hahafahany mizara ny fifalian’ny filazantsara amin’ny namany sy fianakaviany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hanaja ny fampanantenana nataony toy ny nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianara soratra masina iray. Misafidiana andian-teny na andalana fohy ao amin’ny soratra masina izay heverinao fa afaka manampy ny ankizy ao amin’ny kilasinao, ary ampio izy ireo hanao izany. Ireo zavatra jerena manampy amin’ny fitadidiana na fihetsika atao amin’ny tanana dia afaka manampy ihany koa.

Hamoaka printy