Avia, hanaraka Ahy
6–12 jolay. Almà 30–31: “Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.”


“6–12 jolay. Almà 30–31: -Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“6–12 jolay. Almà 30–31,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Almà mampianatra an’i Kôrihôra

Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; (Almà sy i Kôrihôra), nataon’i Walter Rane

6–12 jolay

Almà 30–31

“Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra”

Halalino ny Almà 30–31 ka ataovy ao an-tsaina ireo ankizy ampianarinao. Rehefa misaintsaina ny tanjak’izy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo ianao dia hanampy anao hahafantatra ny fomba ampianarana azy ireo ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hizara ny valin’ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Rahoviana isika no tokony hivavaka? Inona no zavatra lazaintsika rehefa mivavaka isika? Misy afaka mizara ve ny fomba nivavahan’ireo Zôramita na ny fomba nivavahan’i Almà?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 30:44

Ny zava-drehetra dia mijoro ho vavolombelona fa misy Andriamanitra

Nanondro zavatra teny amin’ny habakabaka sy teto an-tany Almà mba hijoroana ho vavolombelona fa velona sy mitantana izao rehetra izao Andriamanitra. Zavatra inona manodidina azy ireo no azonao tondroina amin’ny ankizy fa mijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Almà 30:44 ary angataho izy ireo hihaino izay zavatra nolazain’i Almà fa manampy antsika hahafantatra fa tena misy Andriamanitra. Ampisehoy ny sarin’ireo zavatra sasany ireo, dia asao ny ankizy hanondro ny sary rehefa mamaky momba izany ao amin’ilay andininy ianao. Asao ny ankizy hanao ny sarin’ireoy zavatra izay manampy azy ireo hino an’ Andriamanitra.

  • Raha azo atao dia mandehana an-tongotra any ivelany miaraka amin’ny ankizy na angataho izy ireo mba hitsangana eo akaikin’ny varavarankely rehefa mamaky ny Almà 30:44 ianao. Asaivo tondroin’izy ireo ny zavatra hitany izay manampy azy ireo hahafantatra fa tena misy Andriamanitra. Afaka manampy ihany koa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity.

  • Angataho ny ankizy hipetraka ao anaty faribolana ary hiaraka hiventso ny hira iray momba ireo zavatra noharian’ Andriamanitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17). Eo am-pihiran’ny ankizy dia asao izy ireo hifanolotra zavatra iray toy ny baolina ohatra. Rehefa mijanona ny hira dia asaivo mizara zavatra iray noharian’ny Ray any An-danitra izay ankasitrahany ilay ankizy mihazona ilay zavatra.

Almà 31:5

Mahery ny tenin’ Andriamanitra

Rehefa mieritreritra ny hoe hery ny ankizy dia mety hihevitra zavatra toy ny hoe super-héros, mpanjakavavy, na mpanjaka izy ireo. Azonao ampiana izy ireo hahatakatra fa ny tenin’ Andriamanitra dia mahery kokoa noho ny “zavatra hafa” (Almà 31:5).

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina sabatra eo amin’ny solaitrabe. Vakio amin’ny ankizy ny Almà 31:5, dia asao izy ireo hihaino ny zavatra nolazain’i Almà fa mahery kokoa noho ny sabatra. Mizarà toe-javatra niainana iray ka nisy fiantraikany mahery taminao ny tenin’Andriamanitra tamin’izay.

  • Mihirà hira momba ny soratra masina miaraka amin’ny ankizy, dia asao ny ankizy hihaino ny fomba hanampian’ny soratra masina antsika. Averimbereno imbetsaka ny andian-teny hoe “Ny tenin’ Andriamanitra dia mahery kokoa noho ny …” , dia asao ny ankizy hanampy anao hameno ilay fehezan-teny.

Almà 31:8–35

Mihaino ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Nalahelo Almà rehefa nahita ny fomba fivavaky ny Zôramita (jereo ny Almà 31:24)—tsy nino an’i Jesoa Kristy izy ireo ary namerimberina hatrany vavaka iray tsy miova eo amin’ny toerana iray izay hahafahan’ny rehetra mahita azy ireo (Almà 31:13–14). Ny vavaka nataon’i Almà kosa dia feno fanetrentena ary naneho ny finoany an’i Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino fohifohy amin’ny ankizy ny tantaran’i Almà sy ireo Zôramita amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andininy avy ao amin’ny Almà 31:8–35. Ataovy fanamarihana ny fahasamihafana misy eo amin’ny vavaka nataon’ny Zôramita sy ny an’i Almà. Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe mihaona amina ankizy Zôramita izy. Inona no holazain’izy ireo mba hampianarana azy hivavaka?

  • Ampio ny ankizy hamantatra zavatra nolazain’ny Zôramita tao anatin’ny vavaka nataony (jereo ny Almà 31:15–18) eo am-panampianao azy ireo hanangana tilikambo Rameomtôma amin’ny alalan’ny goba na vatokely. Hazavao fa tsy tokony ho toy izany no hivavahan’izy ireo. Anontanio ny ankizy hoe ahoana no tokony hivavahantsika, dia avelao izy ireo hanala goba na vatokely iray isaky ny voatonona ny zavatra iray.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 30

Mampitandrina ahy ny amin’ireo fampianaran-diso ny Bokin’i Môrmôna.

Ny fampianaran-dison’i Kôrihôra dia fariparitana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hanampiana antsika hamantatra sy handà ny fampianarana toy izany amin’izao vanin’androntsika izao.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa zavatra vitsivitsy (toy ny vola na sakafo) ary kilalao miendrika izany ihany, izany hoe sandoka. Inona amin’ireo no mety ho tian’ny ankizy kokoa? Ampio ny ankizy hikaroka ao amin’ny Almà 30:12–18 ireo lainga na fampianaran-diso nampianarin’i Kôrihôra momba an’ Andriamanitra.

  • Ampio ny ankizy hamantatra ireo lainga nampianarin’i Kôrihôra ary soraty eo amin’ny tapa-taratasy izany mba hapetaka eo amin’ny solaitrabe (jereo ny Almà 30:12–18, 24). Angataho ny ankizy hikaroka ao amin’ny Almà 30:32–35, ka hitady ireo fomba namalian’i Almà an’ireo laingan’ i Kôrihôra. Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahan’izy ireo mahafantatra fa ireo zavatra nampianarin’ i Almà dia marina.

    Sary
    I Kôrihôra miresaka amin’i Almà

    Mifanandrina amin’i Almà i Kôrihôra, nataon’i Robert T. Barrett

Almà 31:5

Ny tenin’ Andriamanitra dia mahery noho ny zavatra hafa rehetra.

Oviana ianao no nahatsapa ny herin’ny tenin’ Andriamanitra? Diniho ny fitaomana mety hoentin’ny zavatra niainanao eo amin’ireo ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hieritreritra zavatra na olona izay tena mahery, na mampisehoa sarina zavatra tena mahery vitsivitsy. Inona no mahatonga ireo zavatra ireo ho mahery? Iaraho mamaky ny Almà 31:5, dia anontanio ny ankizy hoe inona no dikan’io andininy io araka ny heviny. Mahery kokoa noho ny sabatra ny tenin’ Andriamanitra, amin’ny fomba ahoana? Manana hery hanao inona ny tenin’ Andriamanitra?

  • Mifandraisa mialoha amina ankizy vitsivitsy, dia angataho izy ireo hieritreritra zavatra niainana iray mba hozaraina mandritra ny fotoam-pianarana ary izay dia momba ny fotoana iray izay nanampian’ny soratra masina na lahateny nataon’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana azy ireo mba hanao zavatra tsara iray. Nahoana ny tenin’ Andriamanitra no mampanao zavatra tsara azy ireo ?

  • Mihirà hira iray momba ny tenin’ Andriamanitra miaraka amin’ny ankizy, toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” na “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66, 58–59).

Almà 31:8–35

Afaka manetry tena aho.

Raha ny fahadisoana rehetra nataon’ny Zôramita dia ny avonavon’izy ireo no toa nampalahelo indrindra an’i Almà. Afaka ny ho fotoana tena tsara izao hampianarana ny ankizy ny lanjan’ny fanetrentena.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hahatakatra ny fahasamihafana eo amin’ny avonavona sy fanetrentena (jereo ny “Avonavona” sy “Fanetrentena” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Asaivo mifandimby mamaky ny Almà 31:24–28 ny ankizy. Rehefa mamaky izany izy ireo dia angataho izy ireo hanao fanamarihana ny fomba nampisehoan’ny Zôramita ny avonavony. Ahoana no nanehoan’i Almà fa nanetry tena izy? (jereo ny Almà 31:30–33).

  • Zarao ho vondrona maromaro ny ankizy ary angataho ny vondrona tsirairay mba hanapa-kevitra ny amin’ny valin’ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Nanankina ny fony tamin’inona ireo ny Zôramita? (jereo ny Almà 31:24, 28). Inona ireo zava-poanan’izao tontolo izao sasany izay hanankinan’ny olona ny fony amin’izao fotoana izao? Nahoana ny olona no mihevitra fa tsaratsara kokoa noho ny hafa izy ireo? Rehefa nizara valiny iray ny vondrona tsirairay dia avelao izy ireo hanao sarina ampahana tilikambo Rameomtôma eo amin’ny solaitrabe. Dia angataho izy ireo hamafa ampahany amin’ilay tilikambo isaky ny mieritreritra fomba hahafahana manetry tena izy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hampianatra amin’ny fianakaviany ny zavatra iray izay nianarany momba ny herin’ny tenin’ Andriamanitra androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mety tsy hahay hamaky teny loatra ny ankizy kely, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Ohatra, afaka mamaky andalan-tsoratra masina iray ianao dia manasa azy ireo hitsangana na hanangana ny tanan’izy ireo rehefa maheno teny na andian-teny manokana. Dia ampio izy ireo hahatakatra ilay teny na andian-teny. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,20–21

Hamoaka printy