Avia, hanaraka Ahy
25 febroary–3 martsa. Matio 6–7: -Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy-


“25 febroary–3 martsa. Matio 6–7: -Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25 febroary–3 martsa. Matio 6–7,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

I Jesoa mampianatra eo amoron-dranomasina

I Jesoa mampianatra ny vahoaka eo amoron-dranomasina, nataon’i James Tissot

25 febroary–3 martsa

Matio 6–7

“Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fanontaniana ao an-tsaina isika ary miaraka amin’ny fananana faniriana marina hahatakatra ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho fantatsika dia manasa ny Fanahy Masina mba hanentana ny fanahintsika isika. Eo am-pamakianao ny Matio 6–7 dia henoy tsara ireo fahatsapana ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia iray amin’ireo lahateny fantatry ny Kristianina indrindra. Nampianatra tamin’ny alalan’ny sary mazava tsara ny Mpamonjy, toy ny tanàna iray miorina eo an-tampo-tendrombohitra, voninkazo any an-tsaha, ary ny amboadia manao fitafian’ny ondry. Saingy ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia lehibe lavitra noho ny lahateny mahafinaritra fotsiny. Ny herin’ny fampianaran’ny Mpamonjy an’ireo mpianany dia afaka manova ny fiainantsika, indrindra fa rehefa miaina mifanaraka amin’izy ireny isika. Dia ho lasa mihoatra ny teny tsotra fotsiny ny teniny, lasa fototra azo antoka ho an’ny fiainana izany, tahaka ny tranon’ilay lehilahy manan-tsaina, izay afaka manohitra ny rivotra sy riaka amin’izao tontolo izao (jereo ny Matio 7:24–25).

personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 6–7

Tokony hanankina ny foko amin’ireo zavatry ny lanitra aho.

Tsy mora foana ny manao ireo zavatr’ Andriamanitra ho lohalaharana amin’ireo zavatr’izao tontolo izao. Inona amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 6–7 no manampy anao hifantoka amin’ireo zavatry ny lanitra? Inona no eritreritra na fahatsapana anananao rehefa mandalina ny teniny ianao? Inona no tsapanao fa tokony hataonao? Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao Ohatra:

Matio 6:1–4

Tokony izay eritreretin’ Andriamanitra momba ahy no raharahiko kokoa fa tsy izay eritreretin’ny hafa.

Matio 6–7

Afaka manatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’ny vavaka amim-panetrentena sy amin-kitsimpo.

Ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia mirakitra lohahevitra maro, ary ny lohahevitra tsikaritrao dia ho arakaraka ny toetoetry ny fiainanao amin’izao sy izay tian’ny Tompo horesahina aminao.

Ny lohahevitra iray an’ny Matio 6–7 dia ny vavaka. Makà fotoana handinihana ireo vavaka ataonao. Ahoana ny fahatsapanao ny ezaka ataonao mba hanakaikezana bebe kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka? Fampianarana inona ao amin’ny Matio 6–7 no mitaona anao hanatsara ny fomba fivavakao? Soraty ireo fahatsapana voarainao amin’ny alalan’ny Fanahy. Ohatra:

Matio 6:9

Rehefa mivavaka aho, dia tokony hasiako fanajana ny anaran’ny Ray any An-danitra.

Matio 6:10

Rehefa mivavaka aho, dia tokony haneho ny faniriako hahatanteraka ny sitrapon’ny Tompo .

Azonao averina vakina indray ny Toriteny teo an-tendrombohitra, ary amin’ity indray mitoraka ity dia mitadiava lohahevitra na hafatra izay miantefa aminao manokana. Soraty ao anaty diary fandalinana ny zavatra hitanao, miaraka amin’ireo eritreritra sy fahatsapana anananao.

vavaka ataon’ny mpianakavy

Afaka manakaiky kokoa an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka.

Matio 6:7

Inona no dikan’ny hoe “manao teny maro foana” rehefa mivavaka?

Matetika ny fahazoan’ny olona ny hoe “manao teny maro foana” dia mamerimberina teny mitovy foana. Ny teny hoe foana anefa dia mety hamaritra zavatra izay tsy misy lanjany. Ny fanaovana “teny maro foana” dia mety hidika hoe mivavaka tsy amin-kitsimpo sy tsy avy amin’ny fo (jereo ny Almà 31:12–23).

Matio 6:9–13

Nahoana isika no tsy mitanisa ny vavaky ny Tompo?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe: “Ny teny fanolorana nataon’ny Tompo alohan’ny vavaka nataony dia fangatahana tamin’ny mpanara-dia Azy aloha mba tsy hanao –teny maro foana– [Matio 6:7] ary hivavaka –toy izao– [Matio 6:9]. Noho izany ny Vavaka nataon’ny Tompo dia ampiasaina ho maodely mba harahina fa tsy vavaka ho atao tsianjery ary haverimberina matetika. Tian’ny Mpampianatra hivavaka amin’ Andriamanitra fotsiny isika mba hangataka fanampiana eo am-piezahantsika tsy tapaka hanohitra ny ratsy sy hiaina amim-pahamarinana” (“Lesona avy amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo,” Liahona, mey 2009, 46–47).

Matio 7:1–5

Tokony hitsara amim-pahamarinana aho.

Ao amin’ny Matio 7:1 dia mety ho toy ny niteny ny Mpamonjy fa tsy tokony hitsara isika, saingy ao amin’ny soratra masina hafa (tafiditra ao anatin’izany ireo andininy hafa ato amin’ity toko ity), dia manome toromarika antsika Izy mikasika ny fomba fitsarana. Raha toa misafotofoto izany aminao dia mety hanampy ny Dikantenin’i Joseph Smith an’io andininy io: “Aza mitsara araka ny tsy fahamarinana, mba tsy hotsaraina; fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina.  Inona no hitanao ao amin’ny Matio 7:1–5, sy ny ambin’ilay toko, izay manampy anao hahafantatra ny fomba hitsarana “araka ny fitsarana marina”?

Jereo ihany koa ny “Fitsarana ny hafa,” Miorim-paka ao amin’ny Finoana,; Lynn G. Robbins, “Ilay mpitsara marina,” Liahona, nôv. 2016, 96–98.

Matio 7:21–23

Lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy aho rehefa manao ny sitrapony.

Ny andian-teny hoe “tsy mba fantatro akory hianareo” ao amin’ny Matio 7:23 dia novaina hoe “tsy mba fantatrareo akory aho” ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith . Ahoana no hanampian’io fiovana io anao hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ampianarin’ny Tompo ao amin’ny andininy 21–22 momba ny sitrapony? Hatraiza araka ny fahatsapanao ny fahafantaranao ny Tompo? Inona no azonao atao mba hahafantarana Azy bebe koa?

Jereo ihany koa ny David A. Bednar, “Raha nahafantatra Ahy hianareo,” Liahona, nôv. 2016, 102–5.

family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mandalina ny Toriteny teo an-tendrombohitra miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ny fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao.

Ireto

misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 6:5–13

Inona no azontsika ianarana momba ny vavaka avy amin’ny fomba nivavahan’ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny vavaka nataony mba ho maodely hanatsarana ny vavaka ataon’ny tenantsika manokana na ny mpianakavy? (Jereo koa ny Lioka 11:1–13.) Raha manana zanaka mbola kely ianao dia azonao atao ny mizatra mivavaka miaraka.

Matio 6:33

Inona no dikan’ny hoe “katsaho aloha ny fanjakany”? Ahoana no anaovan’ny fianakaviantsika izany?

Matio 7:1–5

Afaka mampiasa tapa-kazo kely iray sy hazo lehibe iray ianao mba hanehoana ny sombin-kazo sy ny andry rehefa mifanakalo hevitra momba ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fitsarana ny hafa. Vakio ilay teny iditra hoe “Fitsarana ny hafa” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io.

Matio 7:24–27

Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra bebe kokoa ny fanoharan’ny Mpamonjy momba ilay lehilahy manan-tsaina sy ilay lehilahy adala, dia azonao asaina mandraraka rano amin’ny fasika sy amin’ny vato izy ireo. Ahoana no ahafahantsika manorina ny fototra ara-panahintsika eo amin’ny vatolampy?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mizarà hevi-baovao. Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo fitsipika nianaranao tamin’ny fandalinana manokana nataonao dia tsy fomba tsara hampianarana ny hafa fotsiny ihany fa manampy ny fahatakaranao manokana ihany koa. Miezaha mizara fitsipika iray izay nianaranao tamin’ny famakiana niaraka tamin’ny fianakaviana tamin’ity herinandro ity na tao amin’ireo kilasinao tany am-piangonana.

I Jesoa mivavaka

Izaho nangataka ho anao, nataon’i Del Parson