Avia, hanaraka Ahy
25 febroary–3 martsa. Matio 6–7: -Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy-


“25 febroary–3 martsa. Matio 6–7: -Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25 febroary–3 martsa. Matio 6–7,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Nampianatra teo amoron-dranomasina i Jesoa

Nampianatra ny olona teo amoron-dranomasina i Jesoa, nataon’i James Tissot

25 febroary– 3 martsa.

Matio 6–7

“Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 6–7 rehefa mieritreritra momba ny ankizy ampianarinao ianao. Inona avy ireo hafatra avy amin’ireo toko ireo izay tokony ho henony? Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra araka izay ilaina.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra nataony nandritra ny herinandro lasa mba ho fahazavana na ho ohatra ho an’ny olona.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 6:5–13

Afaka mivavaka amin’ny Raiko any An-danitra tahaka an’i Jesoa Kristy aho.

Afaka mianatra mivavaka ny ankizy amin’ny alalan’ny fihainoany ny vavaka ataon’ny hafa. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hianatra avy amin’ny vavaka nataon’i Jesoa Kristy ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno vakina ny fampianaran’i Jesoa momba ny vavaka hita ao amin’ny Matio 6:5–13. Azonao ampiasaina ny “Toko 20: Mampianatra momba ny vavaka i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 51-52 .

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hahatsiaro ireo dingana samihafa ao anatin’ny vavaka.

  • Araho eo amin’ny sombin-taratasy ny tanan’ny ankizy tsirairay. Resaho ny zavatra tokony hataontsika amin’ny tanantsika sy ny sandrintsika rehefa mivavaka. Soraty eo amin’ny dian-tanana tsirairay ny zavatra ataontsika mba hanehoana fanajana rehefa mivavaka isika (ohatra, manondrika ny lohantsika, manakimpy ny masontsika, sy ny sisa).

  • Ampio ny ankizy hanao sary apetaka izay hanampy azy ireo hahatsiaro hivavaka maraina sy hariva, dia asao izy ireo mba hizara izany amin’ny fianakaviany.

  • Mihirà hira iray mikasika ny vavaka miaraka amin’ny ankizy (toy ny “Le front baissé,” Chants pour les enfants, 25), dia mijoroa ho vavolombelona mikasika ny herin’ny vavaka. Azonao atao koa ny manasa ny ankizy hizara ny zavatra niainany mikasika ny vavaka.

Sary
ankizilahy mivavaka

Afaka mivavaka amin’ny Raiko any An-danitra tahaka an’i Jesoa Kristy aho.

Matio 7:12

Tokony hoentiko amin’ny fomba tiako hitondrana ahy ny hafa.

Ny fampianaran’i Jesoa ao amin’ny Matio 7:12, izay fantatra koa amin’ny hoe Lalàna Volamena, dia manome fitarihana tsotra mikasika ny fomba hitondrana ny hafa. Inona no zavatra hanampy ny ankizy ampianarinao mba hanaja io fitsipika io?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Matio 7:12, ary avereno lazaina amin’ny teny tsotra izay takatry ny ankizy izany. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba maro hamenoana fehezan-teny toy ity manaraka ity: “Tiako rehefa ahy ny hafa.” Aorian’ny fehezan-teny tsirairay dia asao izy ireo hamerina miaraka aminao ny hoe, “Dia tokony ny hafa aho.”

  • Miaraha mihira amin’ny ankizy ny “Aimez chacun,” Chants pour les enfants, 39, dia mamoronà fihetsika tsotra ampiarahana amin’ilay hira. Anontanio ny ankizy ny zavatra nianarany mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.

  • Asao ny ankizy hitanisa zavatra tsara nataon’ny ray aman-dreniny na ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana ho azy ireo. Vakio ny Matio 7:12, dia asao ny ankizy mba hitanisa ireo zavatra azon’izy ireo atao ho an’ny fianakaviany.

Matio 7:24–27

Afaka miorina eo amin’ny fototra mafy orina isika amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa.

Ny fampiasana ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy momba ny fanorenana trano eo ambonin’ny fasika na eo ambonin’ny vatolampy dia afaka ny ho fomba mendrika ny ho tsaroana mba hampianarana ny ankizy momba ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa eo anatrehan’ny zavatra ianarantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Miaraha mihira amin’ny ankizy ny “Le sage et le fou,” Chants pour les enfants, 132, dia mampiasà fihetsika izay mifanaraka amin’ny tonony.

  • Ampiasao ny Matio 7:24 mba hampianarana mikasika ny fahasamihafana misy eo amin’ilay lehilahy manan-tsaina sy ilay lehilahy adala. Mody asaivo manorina trano ny ankizy. Ahoana no ahafahantsika ho tonga toy ilay lehilahy manan-tsaina?

  • Avelao ny ankizy hanao sary maneho ny fanoharana momba ilay lehilahy mahiran-tsaina sy ilay lehilahy adala.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 6–7

Ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia ahitana hafatra ho ahy.

Ireo toko ireo dia ahitana hafatra maro izay mety miantefa amin’ireo ankizy ampianarinao. Vakio ireo sady mieritreritra ny ankizy. Inona no zavatra manaitra anao?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampahatsiahivo ny ankizy fa efa nianatra mikasika ny zavatra nampianarin’i Jesoa tao anatin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra izy ireo. Inona avy ireo fahamarinana tsaroan’izy ireo fa nianarany tamin’ny herinandro lasa?

  • Manoratà andian-teny sasantsasany avy amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra eny amin’ny solaitrabe sy andian-teny sasantsasany hafa izay tsy avy amin’ny soratra masina. Asao ny ankizy mba hamantatra hoe iza avy ireo andian-teny avy amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra ary hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’izany.

  • Misafidiana andininy maromaro avy amin’ny Matio 6–7 izay tsapanao fa hanan-danja amin’ny ankizy. Soraty eo amin’ny karatra kely ireo andinin-tsoratra masina, dia afeno manerana ny efitrano izy ireo. Avelao ny ankizy hitady azy ireo, sy hamaky ireo andinin-tsoratra masina ary hanazava ny antony maha-manan-danja an’ireo fampianarana ireo ho azy ireo.

  • Mizarà andininy izay tena tianao avy ao amin’ny Matio 6–7, dia hazavao ny antony hitiavanao izany. Raha misy andininy tian’ny ankizy, dia asao izy ireo mba hizara ny antony hitiavan’izy ireo izany sy ny zavatra nianarany avy amin’izany.

  • Miaraha mihira amin’ny ankizy ny “Jésus Christ est mon modèle,” Chants pour les enfants, 40–41, dia mijanòna rehefa tonga eo amin’ny andian-teny iray izay misy ifandraisany amin’ilay fitsipika ampianarina ao amin’ny Matio 6–7 ianao (toy ny hoe “J’apprends à servir autrui”). Ampio ny mpianatra hampifandray ireo zavatra ianarany avy amin’ireto toko ireto.

Matio 6:5–13; 7:7–11

Hihaino sy hamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka aho.

Rehefa mandalina ny Matio 6:5–13; 7:7–11 ianao dia inona no tsapanao fa ilain’ny ankizy takarina momba ny vavaka?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky mafy ny Matio 6:9–13 dia hitanisa ireo zavatra nolazain’ny Mpamonjy tao anatin’ny vavaka nataony avy eo. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony rehefa mivavaka isika?

  • Mihirà hira momba ny vavaka miaraka amin’ny ankizy, toy ny hoe “Moa nivavaka?” Fihirana sy Hiran’ny ankizy, pejy 96. Ampio ny ankizy handinika ny tonony mba hahitana ny antony hivavahantsika sy ireo fitahiana azo avy amin’ny vavaka.

  • Ampio ny ankizy hianatra tsianjery ny Matio 7:7 amin’ny alalan’ny filalaovana kilalao toy ity manaraka ity: Misy ankizy anankiray miteny ny teny na andian-teny voalohany avy ao amin’ilay andininy, dia manipy baolina iray mankeny amin’ny ankizy iray hafa izay miteny ny teny na ny andian-teny manaraka.

  • Lalaovy an-tsehatra miaraka amin’ny ankizy ny Matio 7:9–10, dia fitaovana tsotsotra no ampiasao. Angataho ny ankizy hizara ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny vavaka.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay namaliana ny vavaka nataonao.

Matio 6:19–21

Afaka mihary harena maharitra mandrakizay isika fa tsy harena eto an-tany.

Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy izay ampianarinao mba hanome lanja bebe kokoa ireo zavatra maharitra mandrakizay noho ireo zavatr’izao tontolo izao?

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà baoritra misy “harena” izay feno zavatra na sary maneho ireo zavatra omen’izao tontolo izao lanja, ohatra, vola na kilalao. Vakio miaraka ny Matio 6:19–21 , dia angataho ny ankizy avy eo mba hanampy anao hieritreritra harena any an-danitra izay afaka manolo ireo zavatr’izao tontolo izao ao anatin’ilay baoritra.

  • Asao ny ankizy hilaza na hanao ny sarin’ireo zavatra sasantsasany izay azon’izy ireo atao mba “hihariana … harena any an-danitra” (Matio 6:20).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny fampianarana tena tian’izy ireo avy ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra.

Manatsara ny fampianarantsika

Katsaho ny hahatakatra ireo ankizy ao amin’ny kilasinao. Fantatrao ny ankizy ampianarinao. Ireo hevitra ao anatin’ireto rindran-damina ireto dia azo ovaina mba hanomezana amin’ny fomba tena tsara ireo zavatra ilain’ny kilasinao. Azonao atao ny mamerina mandinika ireo asa atao rehetra voatanisa ato anatin’ity rindran-damina ity, fa tsy ireo asa atao natokana ho an’ny taonan’ny ankizy ampianarinao fotsiny, mba hahitana hevitra ho an’ny kilasinao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)

Sary
pejin’ny asa atao: Afaka mivavaka toy ny nataon’i Jesoa aho.

Hamoaka printy