Avia, hanaraka Ahy
11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11: -Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i [Jesoa]-


“11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11: -Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i [Jesoa]-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Jesoa nanendry an’i Petera

11–17 martsa

Matio 10–12; Marka 2; Lioka 711

“Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i [Jesoa]”

Rehefa mamaky ny Matio 10–12; Marka 2; ary Lioka 711 ianao dia hahazo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina izay hanampy anao mba hiomana. Ireo bitsika ireo miaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao amin’ny fiomananao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Amporisiho ny ankizy mba hizara ny fomba hihazonany ny andro Sabata ho masina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 10:1–10

Niantso Apôstôly roa ambin’ny folo i Jesoa dia nomeny hery hanao ny asany.

Moa ve ny ankizy ampianarinao mahafantatra fa manana Apôstôly roa ambin’ny folo isika amin’izao fotoana izao? Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hampianarana azy ireo mikasika ny maha-zava-dehibe ny Apôstôly amin’izao andro maoderina izao sy ny zavatra asaina ataon’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino amin’ny teny tsotra ny Matio 10:1–10. (Jereo ny I Kristy manendry ireo Apôstôly, Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38.) Hazavao fa niantso Apôstôly mba hanampy azy hanorina ny Fiangonany i Jesoa.

  • Avelao ny ankizy hanisa ireo Apôstôly eo amin’ny sary I Kristy manendry ireo Apôstôly (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38) sy eo amin’ny sarin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao (jereo ny LDS.org na ny laharan’ny gazetiboky Liahona misy ny fihaonamben’ny Fiangonana). Hazavao fa manana Apôstôly roa ambin’ny folo isika amin’izao fotoana izao toy ny tamin’ny andron’i Jesoa.

  • Afeno manerana ny efitrano ny sarin’ireo Apôstôly amin’izao andro maoderina izao (mba hahazoana ireo sary ireo dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona misy ny fihaonamben’ny Fiangonana nivoaka farany ). Asao ny ankizy mba hitady ireo sary dia asaivo miresaka kely mikasika ny Apôstôly tsirairay izy ireo .

  • Asao ny ankizy iray mba hihazona ambony ny sarin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny sarin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ilay ankizy mba hitarika ny ankizy hafa manodidina ny trano hankeny amin’ny sary irain’i Jesoa. Mijoroa ho vavolombelona fa ny mpaminany sy ny apôstôly dia mitarika antsika mankany amin’i Jesoa Kristy.

  • Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo Apôstôlin’ny Tompo.

Sary
Kôlejin’ny Roambinifololahy

Manatanteraka ny asan’ny Tompo ireo Apôstôly Roambinifolo ankehitriny.

Matio 11:28–30

Hanampy ahy i Jesoa rehefa manatona Azy aho.

Afaka mahatsapa fampaherezana ny ankizy rehefa mahafantatra fa hanampy azy ireo hanamaivana ny enta-mavesany i Jesoa rehefa manatona Azy izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Matio 11:28–30, dia mampisehoa sarina omby miray zioga ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Hazavao fa ny omby miray zioga dia afaka miaraka mitarika zavatra mavesatra kokoa noho izy mitarika zavatra irery. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mahatsapa ho malahelo na miahiahy na matahotra isika dia afaka mitady an’i Jesoa ary hanampy antsika Izy.

  • Angataho ny ankizy iray hilanja zavatra mavesatra iray. Rehefa sahirana izy dia manolorà fanampiana. Ahoana no fomba hanampian’i Jesoa antsika mba hanao zavatra sarotra? Moa ve efa nahatsapa ny fanampiany ny ankizy?

Matio 12:1–13

Afaka mihazona ny andro Sabata ho masina Aho.

Inona ireo fomba mahafinaritra sasantsasany azonao ampianarina ny ankizy mikasika ny fanajana ny andro Sabata sy ny antony hitandremana izany ho masina?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio mafy ny Matio 12:10–13. Asao ny ankizy mba hitsangana dia hipetraka isaky ny maheno anao miteny hoe “Sabata” izy ireo, dia iaraho averina ilay andian-teny hoe “Mety ny manao soa amin’ny Sabata” (Matio 12:12). Inona no dikan’izany araka ny eritreritr’izy ireo?

  • Mampisehoa tetiandro amin’ny ankizy dia asio marika ho azy ireo ny andro Sabata. Inona no ataontsika mandritra ireo andro hafa ao anatin’ny herinandro? Inona no zavatra azontsika atao amin’ny Sabata mba tsy hitovian’izany amin’ireo andro hafa? (jereo ny Isaia 58:13–14).

  • Angataho ny ankizy mba hanao ny sarin’ireo zavatra tsara izay azon’izy ireo atao mandritra ny andro Sabata (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity).

  • Asao ny ankizy mba hamorona zavatra atao mba hanampy azy ireo hahatsiaro ireo fomba hivononantsika ho amin’ny Sabata rehefa mihira ilay hira hoe “Samedi,” Chants pour les enfants, 105.

  • Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ny maso roa sy sofina roa ary vava iray sy tanana roa. Angataho ny ankizy mba hilaza aminao hoe inona no azon’ireo faritry ny vatantsika ireo atao mba hihazonana ny andro Sabata ho masina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 10:1–10; Marka 3:13–19

Afaka mampianatra ahy momba an’i Jesoa ny Apôstôly Roambinifolo.

Nahoana no manampy ny ankizy hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ataon’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao ny fianarana mikasika ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny andron’i Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’ireo Apôstôly tamin’ny andron’i Jesoa sy ny sarin’ireo Apôstôly amin’izao androntsika izao (jereo ny I Kristy manendry ireo Apôstôly, Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38, sy ny laharan’ny gazetibokin’ny Fiangonana misy ny fihaonambe farany indrindra). Angataho ny ankizy mba hamaky ny Matio 10:1–10 sy Marka 3:14–15 mba hahitana ny zavatra ataon’ireo Apôstôly.

  • Manasà ankizy vitsivitsy mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara tantara notantarain’ny iray amin’ireo Apôstôly velona. Ahoana no fomba hanampian’ireo Apôstôly velona antsika hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy?

  • Soraty eo amin’ny tapa-taratasy tsirairay ny anaran’ireo Apôstôly amin’izao andro maoderina izao. Asao ny ankizy mba hampifanaraka ny anaran’ny Apôstôly tsirairay amin’ny sariny (LDS.org). Azo averina imbetsaka ity asa atao ity.

  • Mizarà fijoroana ho vavolombelona maromaro momba an’i Kritsy nataon’ireo Apôstôly amin’izao andro maoderina izao amin’ny ankizy (jereo ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra na ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ ny Apôstôly,” Liahona, apr. 2000,2).

  • Ampio ny ankizy hitadidy sy hahatakatra ny Fanekem-pinoana 1:6.

Matio 11:28–30

Hanampy ahy i Jesoa rehefa manatona Azy aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny Mpamonjy dia hanome azy ireo fitsaharana eo anatrehan’ireo olan’izy ireo rehefa manatona Azy izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hizara fotoana iray izay niahiahiany sy nitebitebeny mikasika ny zavatra iray. Asao izy ireo mba hitady torohevitra ao anatin’ny Matio 11:28–30 izay afaka manampy azy ireo ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany.

  • Asao ny ankizy mba hanao sary ny zavatra ataon’izy ireo mba hanatonana an’i Jesoa sy hianarana mikasika Azy. Afaka manome hevitra ho azy ireo ny fanekem-pinoana fahefatra.

Matio 12:1–14

Ny sabata dia andro iray hanaovana zavatra tsara izay mampanakaiky ahy kokoa an’ Andriamanitra.

Hahazo hery ny ankizy ampianarinao rehefa manantitrantitra ireo tanjon’ny fihazonana ny andro Sabata ho masina sy ireo fitahiana azo avy amin’izany ianao.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba hilalao an-tsehatra ilay lehilahy izay nositranin’ny Mpamonjy ny tanany (jereo ny Matio 12:10–13). Afaka manontany azy mikasika ny zavatra niainany ny ankizy anankiray.

  • Vakio ny Matio 12:12. Inona avy ireo zavatra tsara azontsika atao amin’ny Sabata? Avelao ny ankizy hanao ny sarin’ireo heviny ao amin’ity pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity, dia hanapatapaka izany sy hifandimby hanambatra ny piozila an’izy samy izy.

  • Manafena sary maro ahitana olona manao zavatra mampiseho ny fitiavan’ny Ray any an-danitra amin’ny andro Sabata. Angataho ny ankizy mba hitady ireo sary ireo sy hizara ny antony mahatonga ny fanaovana ireo zavatra ao amin’ireo sary ireo ho mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra.

  • Omeo harona kely ny ankizy tsirairay mba hofenoiny hevitra mikasika ireo zavatra tsara atao amin’ny Sabata. Afaka mahita hevitra vitsivitsy ao amin’ny “Respect du jour du Sabbat” ao amin’ny Jeunes, soyez forts, 30–31 izy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara hevitra amin’ny fianakaviany mba hihazonana ny andro Sabata ho masina.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny lafiny iray manan-danja ao anatin’ny fanehoana fanajana dia ny fieritreretana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahatsiahy ny ankizy mba haneho fanajana amin’ny alalan’ny fihirana moramora na any anaty ny hira iray na amin’ny alalan’ny fampisehoana sary irain’i Jesoa.

Sary
pejin’ny asa atao: Hihazona ny Sabata ho masina aho

Hamoaka printy