Toko 20
Nampianatra momba ny Vavaka i Jesoa
Nampianatra ny mpianany hivavaka i Jesoa. Nilaza Izy fa misy olona sasany izay mivavaka fotsiny mba ho hitan’ny olon-kafa izy ireo fa mivavaka. Nampianatra i Jesoa fa tokony hanao ny vavaky ny tena manokana isika any amin’ny toerana maha-irery antsika, raha azo atao.
Nilaza Izy fa misy olona sasany izay mitovy foana ny teny ao anatin’ny vavaka ataony isaky ny mivavaka. Tsy tena mieritreritra ny zavatra lazainy izy ireo. Nilaza i Jesoa fa tokony hanao vavaka am-pahitsim-po mikasika izay ilaintsika isika.
Nanao vavaka iray i Jesoa mba hampisehoana an’ireo mpianany ny fomba fivavaka. Izany dia natombony tamin’ny hoe: “Rainay … izay any an-danitra.” Nidera ny Ray any an-danitra Izy ary nangataka fanampiana taminy avy eo. Niteny hoe “amena” Izy tamin’ny fiafaran’ny vavaka nataony. Taty aoriana, dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa mba hivavaka amin’ny Ray amin’ny anarany. Nampanantena Izy fa hamaly ny vavaka ataon’izy ireo ny Ray any an-danitra.