Scripture Stories
Toko 18: Nifidy ireo Apôstôliny i Jesoa


Toko 18

Nifidy ireo Apôstôliny i Jesoa

Sary
Jesus teaches people from a boat on the shore of the Sea of Galilee - ch.18-1

Indray andro dia nampianatra avy teo amin’ny sambo teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa. Ilay sambo dia an’ny lehilahy iray antsoina hoe Petera.

Sary
Jesus tells Peter to take his boat into deep water - ch.18-2

Nanjono nandritra ny alina i Petera sy ny namany saingy tsy nahazo na dia trondro iray aza. Rehefa vita ny fampianaran’i Jesoa, dia nilaza tamin’i Petera Izy mba hampandroso ilay sambo eny amin’ny lalina. Ary dia nilaza tamin’i Petera sy ny namany Izy mba handatsaka ny haraton’izy ireo ao anaty rano.

Sary
Peter catches so many fish that the net breaks - ch.18-3

Nahazo trondro maro izy ireo ary nanomboka triatra ny haraton’izy ireo.

Sary
Peter calls to men in another boat to help carry all the fish - ch.18-4

Niantso ireo namany tamin’ny sambo hafa i Petera mba hanampy. Feno trondro avokoa ireo sambo roa ka nanomboka nilentika izany.

Sary
Peter is amazed at the number of fish he has caught - ch.18-5

Talanjona i Petera sy ireo namany. Fantatr’izy ireo fa i Jesoa Kristy no nanao izay nitrangan’izany.

Sary
Peter kneels at the Savior's feet - ch.18-6

Nandohalika teo an-tongotry ny Mpamonjy i Petera. Nilaza izy fa tsy mendrika ny ho eo akaikin’i Jesoa. Nilaza tamin’i Petera i Jesoa mba tsy hatahotra.

Sary
Jesus tells Peter, James and John to follow Him - ch.18-7

I Jakoba sy i Jaona izay roa tamin’ireo naman’i Petera, dia mpirahalahy. Nilaza tamin’i Petera, i Jakoba, ary i Jaona i Jesoa mba hanaraka Azy ary ho tonga “mpanarato olona.” Nandao ny zava-drehetra nananany ireto lehilahy ireto ary niaraka tamin’i Jesoa. Nangataka lehilahy hafa ihany koa i Jesoa mba hanaraka Azy.

Sary
Jesus ordains the Apostles - ch.18-8

Nifidy Apôstôly roa ambin’ny folo i Jesoa hitarika ny Fiangonany. Nivavaka nandritra ny alina iray manontolo Izy mba hisafidianany ireo lehilahy tena izy marina. Ny ampitso maraina dia nifidy sy nanendry ireo lehilahy roa ambin’ny folo Izy, ary nanome azy ireo ny fisoronana sy ny fahefana ho Apôstôly.

Sary
The Apostles go forth to preach - ch.18-9

Nandeha tany amin’ny tanàna maro ireo Apôstôly. Nampianatra ny filazantsara ary nanasitrana olona izy ireo. Niverina nilaza tamin’i Jesoa ny zavatra nataony izy ireo.

Hamoaka printy