Scripture Stories
Toko 1: I Elizabeta sy i Zakaria


Toko 1

I Elizabeta sy i Zakaria

Sary
Zacharias and Elisabeth praying for a child - ch.1-1

I Zakaria sy i Elizabeta vadiny dia Jiosy nonina teo akaikin’i Jerosalema. Nankatò ny didin’Andriamanitra izy ireo. Nivavaka nandritra ny taona maro izy ireo mba hanan-janaka. Rehefa nihaantitra izy ireo, dia mbola tsy nanan-janaka ihany.

Sary
The angel Gabriel appearing to Zacharias in the temple. ch.1-2

Mpisorona tao amin’ny tempoly i Zakaria. Indray andro dia nisy anjely antsoina hoe Gabriela nitsidika azy. Nilaza i Gabriela fa hovalian’Andriamanitra ny vavaka nataon’i Zakaria sy i Elizabeta. Hanan-janaka izy ireo. Nilaza i Gabriela fa i Jaona no hataon’izy ireo anaran’ilay zaza.

Sary
The angel Gabriel talking to Zacharias in the temple. ch.1-3

Nilaza i Gabriela fa i Jaona dia ho mpaminany marin’Andriamanitra. Hampianatra ny olona momba an’i Jesoa Kristy izy.

Sary
The angel Gabriel is speaking with Zacharias in the temple. ch.1-4

Tsy nino ilay anjely i Zakaria. Efa antitra loatra i Elizabeta ka tsy afaka ny hanan-janaka. Nilaza i Gabriela fa noho i Zakaria tsy nino ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tsy afaka ny hiteny izy mandra-pahaterak’i Jaona.

Hamoaka printy