Scripture Stories
Ireo Teny Tsara ho Fantatra


Ireo Teny Tsara ho Fantatra

ady

fifandonana hifanandrinan’ny mpifahavalo

alitara

zavatra masina mitovy amin’ny latabatra hita tany amin’ny tempoly fony fahavelon’i Jesoa. Nanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra teo amin’ny alitara ny olona.

Sary
alitara
Anjely

iraky ny lanitra avy amin’Andriamanitra

Apôstôly

mpitarika iray ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary mampianatra ny filazantsara

asa fitoriana

fotoam-panompoana miavaka iray handehanana sy hampianarana ny olona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary hanamafisan’orina ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany

batisa [manao batisa]

ôrdônansy na fombafomba izay ahitana lehilahy iray manana ny fahefan’ny fisoronana avy amin’Andriamanitra manitrika olona iray ao anaty rano ary mamoaka azy indray avy eo. Takiana ny batisa mba hahatongavana ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Jereo koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Sary
batisa
boka

olona marary izay feno fery ny vatany iray manontolo

devoly

anarana hafa nomena an’i Satana

dia

miala amin’ny toerana iray mankany amin’ny toerana iray hafa

didy

zavatra izay asain’Andriamanitra ataon’ny olona mba hahazoan’izy ireo fifaliana

divay

zava-pisotro vita amin’ny voaloboka

efitra

tany izay zara raha ahitana rano sy zavamaniry na biby

fahafolonkarena

vola omena an’Andriamanitra hananganana ny Fiangonany

fahagagana

zavatra izay tsy mahazatra miseho vokatry ny herin’Andriamanitra

fahamarinana

zavatra izay marina sy mahitsy

fahefana

zo hampiasa hery iray toy ny fisoronana na ny fananan-jo hanasazy ireo izay tsy mankatò

fahitana

karazana fanambarana avy amin’ny Ray any an-danitra

fahotana

tsy fankatoavana ny didin’ny Ray any an-danitra

famonjena

voavonjy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana mba hahafahantsika miaina miaraka amin’Andriamanitra indray

fampanantenana

fitenenana fa hanao zavatra ianao

fanahy

iray amin’ireo zanak’Andriamanitra izay tsy manana vatana nofo sy taolana

fanambadiana

fotoana iray hifaneken’ny lahy sy ny vavy fa hivady

fanambarana

zavatra izay lazain’Andriamanitra amin’ny zanany

fanasan’ny Tompo

ôrdônansy iray izay ahitana fanamasinana ny mofo sy ny rano ary fizarana izany amin’ny mpikamban’ny Fiangonana hampatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy sy hampatsiahy azy mba hitandrina ny didy. Izany ôrdônansy izany dia tanterahin’ireo lehilahy manana ny fisoronana.

fanjakan’Andriamanitra

ilay Fiangonana na ilay toerana izay hiarahan’ireo olo-marina mipetraka amin’ny Ray any an-danitra aorian’ity fiainana ity

fanoharana

tantara iray izay mampianatra fitsipika na lesona

fanomezana

zavatra tsara omen’Andriamanitra na omen’olon-kafa antsika

fanomezana ny Fanahy Masina

ny zo handray ny fanampian’ny Fanahy Masina. Omena ny olona izany aorian’ny batisa tanterahin’ny olona iray manana ny fahefan’ny fisoronana

fasana

toerana handevenana ireo maty

Sary
fasana
feno ny Fanahy Masina

manana ny Fanahy Masina izay mameno fahamarinana ny saina sy ny fon’ny olona iray

fery

faritra iray amin’ny vatana izay marary na mandeha ra

fety

sakafo goavana matetika hanina amin’ny andro miavaka anankiray

fiainana mandrakizay

lasa tahaka ny Raintsika any an-danitra ary miaina miaraka Aminy mandrakizay

Fiaviana Fanindroany

rehefa tonga eto an-tany indray i Jesoa hanavotra ireo olo-marina ary handringana ny olon-dratsy

fihinanam-bilona

toerana fanasiana sakafo mba hohaninin’ny biby

Sary
fihinanam-bilona
fijoroana ho vavolombelona

fahatsapana na eritreritra avy amin’ny Fanahy Masina fa marina ny filazantsara

filazantsara

ny fampianaran’i Jesoa Kristy momba ny fomba tokony hiainan’ny olona mba hahafahan’izy ireo miverina sy miaina miaraka amin’Andriamanitra. Izany dia ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra

finoana

mino sy matoky an’i Jesoa Kristy

fiovan-tarehy

fiovana eo amin’ny olona iray mandritra ny fotoana fohy izay ahafahany mijoro eo anatrehan’Andriamanitra

fisoronana

fahefana hanao asa amin’ny anaran’Andriamanitra

fitsarana

fotoana iray izay hiezahan’ny olona hanaporofoana fa nandika na tsy nandika lalàna ny olona iray

hendry

olona iray izay tena mahay sy mahatakatra an-tsaina ny olona, ny lalàna sy ny soratra masina ary koa, olona izay mahay manomana mialoha

hery

fahafahana hanao zavatra iray Jereo koa ny fisoronana.

hetra

vola alohan’ny olona ho an’ny fanjakana

hira fiderana

hiran’ny fiangonana na hira hiderana an’Andriamanitra

horohoron-tany

fihovitrovitry ny tany izay tena mahery vaika

jamba

tsy afaka mahita

jiolahy

olona mangalatra ny zavatry ny hafa

kamo

tsy te-hiasa

karavasy

tady manify izay ampiasaina hikaravasiana olona na zavatra

Sary
karavasy
lamba fitafy

ampahan-damba lava sy mikopakopaka hanaovana ivelan’ny akanjo rehetra

Sary
lamba
lanitra

toerana izay iainan’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy

Magy

ireo lehilahy avy any Atsinanana nitsidika an’i Jesoa fony izy mbola zazalahy kely

maka fanahy

manao izay hanaovan’ny olona iray zavatra ratsy

mamadika

mivadika amin’ny namana na manolotra azy amin’ny fahavalo

mambabo [babo]

maka firenena na olona an-keriny

mamela heloka

mitsahatra tsy tezitra amin’ny olona iray izay nanao zavatra ratsy na nandratra ny tena

mamokatra

manao na mampitombo zavatra

manaraka

manao izay ataon’ny olona iray

manasitrana

manao izay hahatsara olona marary na voaratra

manavotra

mamonjy amin’ny loza. maty i Jesoa mba hanavotra antsika amin’ny fahafatesana ara-nofo sy ny loza ateraky ny fahotana

mandainga

tsy milaza ny marina

mandevina [nalevina]

mametraka ny vatan’ny olona efa maty iray ao amin’ny fasana na ao ambanin’ny tany. Mametraka zavatra iray any ambanin’ny tany izay tian’ny olona iray hafenina.

mandidy

milaza amin’ny olona iray na zavatra iray ny zavatra tokony hatao

mandika teny

manova amin’ny fiteny hafa ny teny voasoratra na notenenina amin’ny fiteny iray ka mitovy dika tsara izany

mandohalika

mametraka ny lohalika amin’ny tany

Sary
mandohalika
mandrakizay

zavatra izay tsy manam-petra. Mitohy hatrany hatrany

mandrakizay

hatrany hatrany

manendry

ireo lehilahy izay mihazona ny fahefan’ny fisoronana dia mametraka ny tanan’izy ireo eo amin’ny lohan’ny lehilahy iray hafa mba hanome azy ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana

Sary
fanendrena
maneso

mananihany

mangalatra

maka zavatra izay an’olon-kafa

mankalaza

mahatsiaro andro iray amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra miavaka

mankatò

manao izay rehetra angatahina na andidiana

manombo

mamono olona iray amin’ny alalan’ny fanantonana azy eny amin’ny hazo fijaliana tahaka ny nataon’izy ireo tamin’i Jesoa Kristy

manorina

mametraka ny lamina ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

marenina

tsy afaka mandre

marina

mankatò ny didin’Andriamanitra

masina

zavatra izay madio ary natokana ho ampiasain’Andriamanitra

masina

izay zavatra omen’Andriamanitra antsika ka ilaina hajaina sy omena ny hasiny

miaramila

olona izay manatanteraka ny baikon’ny mpanjaka na ny mpanapaka iray

mibebaka

mahatsiaro manenina amin’ny zavatra nataonao ary mampanantena ny tsy hamerina izany intsony

midera

milaza zavatra tsara momba ny olona iray

mifady hanina

tsy mihinana sakafo sy tsy misotro rano eo am-pikatsahana fitahiana amin’ny Ray any an-danitra

mifidy

misafidy

mijaly

mahatsapa fanaintainana goavana

mijoro ho vavolombelona

milaza amin’ny olona hafa fa fantatsika fa marina ny zavatra iray

mino

mahatsapa zavatra iray izay ara-drariny na marina

miondrika

manondrika ny loha ho fanajana

Sary
loha miondrika
mirotsaka

lasa tafiditra ao anatin’ny vondrona iray

misiônera

olona izay mandeha manao asa fitoriana. Matetika ilay olona dia voantso handeha ho any amin’ny firenena hafa

mitahy

manome zavatra tsara na manampy olona

mitarika

mitondra ireo hafa

mitsangana amin’ny maty

mitambatra indray ny vatantsika sy ny fanahintsika aorian’ny fahafatesantsika

mitsaoka

mankalaza, mitia, ary mankatò an’Andriamanitra

mivavaka

miresaka amin’Andriamanitra, sy manolotra fisaorana Azy ary mangataka fitahiana

mofo

mofo nandrahoina tamin’ny lafaoro

Sary
mofo
mosary

tsy fisian-tsakafo noho ny tsy fahampian’ny zavatra maniry mba hamahanana ny olona rehetra

mpaminany

olona izay nantsoin’Andriamanitra hilaza amin’ny olona ny tian’Andriamanitra hataon’izy ireo

mpampakatra

lehilahy iray izay hiroso amin’ny fanambadiana

mpampihavana

olona iray izay manampy ny olona tsy ho tezitra amin’ny hafa

mpanolotsaina

olona iray izay manampy olona iray na manome sosokevitra ho azy

mpanompo

olona izay manompo na miasa ho an’olona iray na ho an’Andriamanitra

mpanota

olona izay tsy mankatò ny didin’ny Ray any an-danitra

mpiambina

olona izay miambina ireo gadra ao an-tranomaizina; miambina olona, na toerana, na zavatra

mpianatra

olona mino an’i Jesoa Kristy ary miezaka ho tahaka Azy

mpiandry ondry

olona iray izay mikarakara ondry

Sary
mpiandry ondry
mpifanolobodirindrina; namana

olona mipetraka eo akaikin’ny tranonao; ireo zanak’Andriamanitra hafa

mpikambana

olona iray izay mpikambana ao amin’ny fiangonana iray na vondrona hafa

mpisorona

mpitarika iray ao amin’ny fiangonana

mpitarika

olona izay mitondra sy tompon’andraikitry ny vondron’olona iray

mpitondratena; mananotena

vehivavy iray izay maty vady

Olomasina

mpikamban’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy

olona ratsy fanahy

olona iray manana toetra ratsy

Paska

fankalazana iray manokana izay hahatsiarovan’ny vahoaka Jiosy ny fomba nanavotan’Andriamanitra ny vahoakany tamin’ireo Egyptiana tamin’ny fotoanan’i Mosesy

ratra

fery eo amin’ny vatan’ny olona iray

ratsy

zavatra izay tsy tsara ary tsy avy amin’Andriamanitra

rendrika

maty noho ny fijanonana ela loatra tany anaty rano

Sabata

andro iray manokana ao anatin’ny herinandro izay hideran’ny olona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandehanana any am-piangonana sy fianarana bebe kokoa momba Azy

satroka tsilo

tsilo maranitra natao boribory izay napetraka teo ambony lohan’i Jesoa

Sary
satroka tsilo
soratra masina

boky izay mirakitra ny tenin’Andriamanitra nomena tamin’ny alalan’ny mpaminaniny

sorona; fahafoizan-tena

mahafoy zavatra iray manan-danja ho an’Andriamanitra na ho an’olon-kafa

synagoga

trano izay hiangonan’ireo vahoaka Jiosy mba hiderana an’Andriamanitra

tantely

mason-tantely namboarin’ireo tantely. fenoin’ireo tantely ranon-tantely izany maso-tantely izany.

Sary
tantely
tany foana

toerana tsy ahitana tanàna na tanàn-dehibe ary olona vitsy ihany no mipetraka any

tempoly

tranon’Andriamanitra eto an-tany; toerana hiderana an’Andriamanitra; toerana masina izay hanatanterahana ireo ôrdônansy masina

Sary
tempoly
tendrombohitra

havoana lehibe

tompon’ny tranom-bahiny

olona izay miandraikitra ny tranom-bahiny

toriteny

lahateny momba ny filazantsara zaraina amin’ny vondron’olona iray

tranomaizina

toerana hitazonana ny olona nandika lalàna

tranom-bahiny

toerana izay ahafahan’ny olona misakafo sy matory rehefa manao dia lavitra

tsilo

faritra maranitra sy manindrona eo amin’ny zavamaniry iray izay mandratra raha kasihina

tsodrano

vavaka manokana angatahana amin’ny Ray any an-danitra ny mba hanomezany fankaherezana na fahasitranana ho an’ny olona iray. Ilay lehilahy manao izany vavaka izany dia manatanteraka izany amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana izay hazoniny. Izay mety ho fanampiana azontsika avy amin’Andriamanitra.

valala

bibikely vaventy manidina matetika ampiasaina ho sakafo

Sary
valala
vatana nofo sy ra

ilay vatana ananan’ny olona eto an-tany izay vita amin’ny hoditra, taolana, nofo, ary ra

vavaka

ireo zavatra lazain’ny olona rehefa mivavaka izy

voaloboka

ilay tahony lehibe eo amin’ny zavamaniry iray toy ny voaloboka, izay hivoahan’ny sampany miolikolika Ny voaloboka dia miaro ireo sampany rehetra mba ho velona

Sary
voaloboka
vola madinika

vola vỳ fisaka

Sary
vola madinika
zohy

lavaka ao anatin’ny havoana

Sary
zohy

Hamoaka printy