Scripture Stories
Votoatiny


Votoatiny

Loharanon-kevitra

Ny fampahalalana sasany ao amin’ity boky ity dia nalaina avy tao amin’ireo boky hafa ankoatra ny soratra masina izay voatanisa etsy ambany.

Bible Dictionary ao amin’ny Baiboly dikatenin’i King James navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany (1979)

James E. Talmage, Jesus le Christ, Boky nivoaka faha-3 (1916)

Enseignements du Prophète Joseph Smith, nofantenin’i Joseph Fielding Smith (1976)

Ho an’ny Mpamaky

Ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao dia nosoratana manonkana ho anao. Ireto tantara ireto dia nalaina avy tamin’ny boky iray izay masina. Rehefa mamaky ireto tantara ireto ianao, dia tsarovy fa mikasika ny olona tena nisy izy ireo, izay niaina tany aloha be tany.

Avereno vakiana foana ireo tantara mandra-pahafantaranao azy ireo tsara. Afaka mamaky ny momba azy ireo ihany koa ianao ao amin’ny Baiboly. Eo ambanin’ny ankamaroan’ireo sary, dia hahita toromarika ianao izay milaza ny misy an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly na any amin’ny boky hafa. Asao ny rainao, na ny reninao na ny mpampianatra anao, na ny namanao hanampy anao hahita ilay tantara ao amin’ny soratra masina.

Raha toa ka misy teny izay tsy fantatrao ny dikany, dia jereo ao amin’ny fizarana hoe “Ireo Teny Tsara ho Fantatra” any amin’ny faran’ny boky izany. Raha toa ianao ka te-hianatra bebe kokoa momba ny toerana iray, dia jereo ao amin’ny fizarana hoe “Toerana Tsara ho Fantatra” izany. Raha toa ka misy olona iray tsy fantatrao, dia tadiavo ao amin’ny fizarana hoe “Ireo Olona Tsara ho Fantatra” izany. Ity boky ity koa dia misy fizarana mirakitra ireo sarin’ny toerana ao amin’ny Tany Masina sy ny fanehoana ny fifanesen-java-miseho ara-banim-potoana ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Ho an’ireo Ray aman-dreny sy ny Mpampianatra

Ity boky ity dia afaka hanampy anao hampianatra ny soratra masina. Ampiasao ireo fizarana hoe “Teny Tsara ho Fantatra,” sy “Toerana Tsara ho Fantatra” ary ny “Olona Tsara ho Fantatra” mba hanampy ny ankizy ho zatra amin’ireo teny sy ireo olona, ary ireo toerana amin’ity boky ity. Ireo zavatra hafa manampy izay hita ao amin’ity boky ity koa dia ny sarintany, sary nalaina, ary ny fanehoana ny fifanesen-java-miseho ara-banim-potoana.

Rehefa mampianatra ianao dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Baiboly. Amporisiho ireo izay ampianarinao mba hikatsaka ombam-bavaka ny hahazo ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona manokana momba ny soratra masina sy ny Mpamonjy, Jesoa Kristy. Hiroborobo bebe kokoa ny fahatakaran’ireo izay ampianarinao rehefa vakianao ao amin’ny Baiboly mihitsy amin’izy ireo ny tantara tena tiany indrindra.

Hamoaka printy