Scripture Stories
Toko 57: Novonoin’ireo Olona Ratsy Fanahy i Stefana


Toko 57

Novonoin’ireo Olona Ratsy Fanahy i Stefana

Sary
The Apostles continue to perform miracles after the death of Jesus. - ch.59-1

Maro ireo mpitarika Jiosy nieritreritra fa hitsahatra ny fahagagana rehefa maty i Jesoa. Kanefa ireo Apôstôly koa dia nanao fahagagana. Maro ireo olona nino an’i Jesoa Kristy ary lasa mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
The Apostle James is killed. - ch.59-2

Nahatonga ireo mpitarika Jiosy maro ho tezitra izany. Nampidirin’izy ireo am-ponja i Petera sy i Jaona. Novonoin’ny Mpanjaka Heroda Agripa ny Apôstôly Jakoba.

Sary
The Apostle Stephen. - ch.59-3

Niantso lehilahy fito ny Apôstôly hanampy hitarika ny Fiangonana. Lehilahy marina anankiray nantsoina hoe Stefana ny iray tamin’izy ireo. Nampianatra ny filazantsara tamin’ny olona maro izy. Nisy ireo olona ratsy fanahy nandainga ary nilaza fa mifanohitra amin’ny lalàn’ny Jiosy izay nolazain’i Stefana. Nentin’izy ireo mba hotsarain’ireo mpitarika Jiosy izy.

Sary
Stephen tells the Jewish leaders that they killed Jesus Christ, the Son of God. - ch.59-4

Nilaza tamin’ireo mpitarika i Stefana fa ratsy fanahy izy ireo. Nilaza izy fa novonoin’izy ireo i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra.

Sary
Stephen looks into heaven and sees Heavenly Father and Jesus Christ. - ch.59-5

Avy eo dia niandrandra ny lanitra i Stefana ary nahita ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa nilaza tamin’ireo mpitarika ireo ny zavatra hitany izy, dia tezitra mafy taminy izy ireo.

Sary
Stephen being stoned by the Jews. - ch.59-6

Nentin’izy ireo tany ivelan’ny tanàna i Stefana mba hovonoin’izy ireo amin’ny alalan’ny fitoraham-bato azy. Napetrak’izy ireo teo an-tongotry ny zatovolahy iray nantsoina hoe Saoly ny fitafiany. Rehefa teo am-pialana aina i Stefana, dia nangataka tamin’Andriamanitra izy handray ny fanahiny ho any an-danitra. Nangataka tamin’Andriamanitra koa izy hamela ny helok’ireo izay namono azy. Ary dia maty izy.

Hamoaka printy