Scripture Stories
Toko 23: Ilay Lehilahy tsy afa-Nandeha


Toko 23

Ilay Lehilahy tsy afa-Nandeha

Sary
Jesus teaches the people - ch.19-1

Indray andro i Jesoa dia nampianatra vondron’olona tao anatin’ny trano iray.

Sary
Some men are carrying their friend who has palsy to see Jesus - ch.19-2

Nisy lehilahy vitsivitsy izay nitondra ny namany tamin’ny fandriana mba hahita an’i Jesoa. Tsy afa-nandeha ilay naman’izy ireo. Tsy afaka nampiditra azy tao amin’ilay trano ireo lehilahy ireo noho ny habetsahan’ny olona.

Sary
The men lower their palsied friend through the roof to where Jesus is - ch.19-3

Nentin’ireo lehilahy ireo tany amin’ny tafon-trano ilay namany. Nendahin’izy ireo ny ampahan’ilay tafon-trano ary nampidininy tao amin’ilay trano ilay naman’izy ireo.

Sary
Jesus heals the man with palsy - ch.19-4

Rehefa hitany ny finoana lehibe nananan’ireto lehilahy ireto, dia nolazain’i Jesoa tamin’ilay lehilahy marary fa voavela ny helony. Nasainy nobatain’ilay lehilahy ny fandriany ary nasainy nody izy. Nitsangana ilay lehilahy. Sitrana izy. Noraisiny ny fandriany ary dia nandeha nody izy. Feno fankasitrahana an’Andriamanitra izy.

Hamoaka printy