Scripture Stories
Toko 22: Ilay Lehilahy nisy Fanahy Ratsy


Toko 22

Ilay Lehilahy nisy Fanahy Ratsy

Sary
Man with an unclean spirit - ch.25-1

Nisy lehilahy iray nitoetra tao amin’ny fasana teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia izay nitoeran’ny fanahy ratsy ka nahatonga azy ho romotra. Nafatotry ny olona tamin’ny gadra izy hifehezana azy, kanefa notapahiny izany gadra izany.

Sary
The man with the unclean spirit cries and cuts himself with stones - ch.25-2

Nitoetra andro aman’alina teny an-tendrombohitra sy tany anaty zohy ilay lehilahy. Ninananana foana izy ary niteti-tena tamin’ny vato.

Sary
The man runs to meet Jesus as He disembarks - ch.25-3

Indray andro i Jesoa sy ny mpianany namakivaky ny Ranomasin’i Galilia tamin’ny sambo. Rehefa niala ny sambokely i Jesoa, dia nisy lehilahy iray nihazakazaka teny aminy.

Sary
Jesus commands the unclean spirit to come out of the man - ch.25-4

Nilaza tamin’ilay fanahy ratsy i Jesoa mba hiala ao amin’ilay lehilahy. Fantatr’ilay fanahy ratsy fa i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra. Nangataka an’i Jesoa izy mba tsy hampijaly azy.

Sary
The unclean spirit says his name is Legion and begged Jesus to send them into the swine - ch.25-5

Rehefa nanontanian’ny Mpamonjy ny anaran’ilay fanahy ratsy, dia hoy izy hoe: “Legiona no anarako,” izay midika hoe maro. Fanahy ratsy maro no tao amin’ilay lehilahy. Nangataka tamin’i Jesoa izy ireo mba hamela azy ireo hiditra ao amin’ny vatan’ireo kisoa maromaro izay teo akaiky teo.

Sary
The evil spirits enter the bodies of the swine and rush into the sea and drown - ch.25-6

Nanaiky i Jesoa. Niala tao amin’ilay lehilahy ireo fanahy ratsy ary niditra tao amin’ny vatan’ireo kisoa miisa 2.000 teo ho eo. Nitratrevatreva tany amin’ny hantsana ireo kisoa ho any amin’ny ranomasina ary dia maty.

Sary
The men who cared for the swine ran to tell other people what had happened and they came and saw that the man wasn't wild anymore - ch.25-7

Ary ny mpiandry ireo kisoa dia nandositra tany an-tanàna ary nilaza tamin’ny vahoaka ny zava-nitranga. Tonga ny olona ary nahita an’i Jesoa sy ilay demoniaka. Saingy efa ary saina ilay lehilahy.

Sary
The people were afraid of Jesus and asked Him to go away - ch.25-8

Lasa raiki-tahotra tamin’i Jesoa ny olona. Nangatahan’izy ireo Izy mba hiala teo. Niverina nankeny amin’ny sambo Izy.

Sary
Jesus tells the man not to come with Him but go and tell his friends about how he had been healed - ch.25-9

Te-hanaraka Azy ilay lehilahy vao nositraniny. Nasain’ny Mpamonjy nody any an-tranony izy ary hilaza amin’ireo namany ny zavatra nitranga taminy.

Sary
The man's friends marvelled at what he told them - ch.25-10

Nilaza tamin’ireo namany momba izany ilay lehilahy ary dia talanjona tamin’ny hery lehiben’i Jesoa izy ireo.

Hamoaka printy