Scripture Stories
Toerana Hafa Tsara ho Fantatra


Toerana Hafa Tsara ho Fantatra

Amerika

Nitsidika ny mponina tany Amerika i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty ary nampianatra ny filazantsara. Niantso mpianatra roa ambin’ny folo Izy hitarika ny Fiangonany tany. (40)

Egypta

firenena iray any atsimon’ny Tany Masina. Nasain’ny anjely iray nentin’i Josefa tany Egypta ny fianakaviany mba mba tsy hahafahan’i Heroda mamono an’i Jesoa zazakely. (8)

Lanitra

toerana izay honenan’ny Ray any an-danitra. (Sasinteny)

Roma

ilay renivohitry ny Fanjakana Romana. Nampianatra ny filazantsara nandritra ny fotoana nahatao an-tranomaizina azy tany Roma i Paoly. (63)

Tany

ilay planeta izay onenantsika rehetra. Namboarin’i Jesoa Kristy ho antsika ity tany ity. (Sasinteny)

Tany Masina

ilay tany izay nipetrahan’i Jesoa sy nampianarany. I Jodia sy Samaria ary Galilia dia faritra any amin’ny Tany Masina daholo. (Sasinteny)

Hamoaka printy