Scripture Stories
Toko 58: I Simona sy ny Fisoronana


Toko 58

I Simona sy ny Fisoronana

Sary
People in Samaria listening to the gospel - ch.-1

Maro ireo olona tany Samaria no nandre sy nino ny filazantsara. Natao batisa izy ireo, saingy tsy nanana ny Fanahy Masina.

Sary
Peter and John give the gift of the Holy Ghost to the members in Samaria. - ch.-2

Nandeha tany Samaria i Petera sy i Jaona. Nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny olona izy ireo ary nanome azy ireo ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Sary
Simon asks Peter and John for the priesthood and offers them money. - ch.-3

Nisy lehilahy antsoina hoe Simona nahita an’i Petera sy i Jaona nanome ny olona ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Fantatr’i Simona fa ireo Apôstôly roa dia afaka manome ny olona ny fanomezan’ny Fanahy Masina satria nanana ny fisoronana izy ireo. Nila ny fisoronana koa izy.

Sary
Peter tells Simon that the priesthood is only given to righteous men and tells him to repent. - ch.-4

Nanome vola an’i Petera sy i Jaona izy. Nilaza tamin’i Simona i Petera fa tsy misy afaka mividy ny fisoronana. Omen’Andriamanitra an’ireo lehilahy marin-toetra izany. Fantatr’i Petera fa tsy marin-toetra i Simona. Nasainy nibebaka izy.

Hamoaka printy