Scripture Stories
Toko 6: Ny Fitondrana an’i Jesoa tany amin’ny Tempoly


Toko 6

Ny Fitondrana an’i Jesoa tany amin’ny Tempoly

Sary
The baby Jesus is taken to be presented at the temple - ch.6-1

Raha mbola vao herinandro vitsivitsy fotsiny no nahaterahan’i Jesoa dia nentin’ny ray aman-dreniny tany Jerosalema Izy mba hanolorana Azy ao amin’ny tempoly.

Sary
The Holy Ghost reveals to Simeon that he will see Christ - ch.6-2

I Simona izay lehilahy marina iray nonina tao Jerosalema dia tao amin’ny tempoly tamin’izay. Nilaza taminy ny Fanahy Masina fa hahita an’i Kristy izy alohan’ny hahafatesany.

Sary
Simeon holds Jesus and praises God - ch.6-3

Nahita an’i Jesoa zazakely tao amin’ny tempoly i Simona. Notazoniny teny an-tsandriny i Jesoa ary nidera an’Andriamanitra izy.

Sary
Simeon speaks while holding Jesus with Joseph and Mary looking on and marvelling at his words - ch.6-4

Nilaza i Simona fa hitondra famonjena ho an’ny olona rehetra ilay zaza. Talanjona tamin’ny zavatra nolazainy i Maria sy i Josefa.

Sary
Anna sees the baby Jesus in the temple - ch.6-5

I Ana izay vehivavy iray mananotena, dia nahita koa an’i Jesoa ary nahafantatra hoe iza Izy. Nanolotra fisaorana izy ary nilaza tamin’ny olona maro ny momba Azy.

Hamoaka printy