Ny Fanoharana Voalohany
Ilay Ondry Very
Nisy mpiandry ondry tsara nanana ondry 100. Very ny iray tamin’izy ireo.
Nandao ireo ondry 99 ity mpiandry ondry ity ary lasa nandeha nitady ilay iray very. Rehefa hitany izany, dia tena faly izy.
Nentin’ilay mpiandry ondry nody ilay ondry. Nantsoiny daholo ireo namany sy ny mpifanolobodirindrina aminy ho tonga sy hiara-paly aminy. Hitany indray ilay ondry very.
Nolazain’i Jesoa Kristy an’ireo Fariseo ny dikan’ilay fanoharana. Nilaza Izy fa ireo mpanota dia tahaka ilay ondry very.
Tahaka ilay mpiandry ondry izay te-hanavotra ilay ondry very, dia tian’i Jesoa hovonjena ihany koa ireo izay manota.
Nilaza i Jesoa fa izany no antony niresahany tamin’ireo mpanota.
Ary tahaka ilay mpiandry ondry izay tena faly rehefa nahita ilay ondry very, dia faly koa i Jesoa rehefa mibebaka isika.