Scripture Stories
Taorian’ny Testamenta Vaovao


Taorian’ny Testamenta Vaovao

Sary
The Apostles teach the gospel - ch.64-1

Niasa mafy ireo mpitarika ny Fiangonana nampianatra ny olona momba an’i Jesoa Kristy. Nitsidika sy nanoratra taratasy ho an’ny Olomasina izy ireo. Lasa mpikamban’ny Fiangonana ny olona tany amin’ny tany maro. Tsy tian’ireo olona ratsy fanahy hino an’i Jesoa Kristy ny olona.

Sary
Wicked people change the commandments and lead some people astray. - ch.64-2

Tian’ireo olona ratsy fanahy hovaina ny didy. Nisy Olomasina sasany nino azy ireny. Maro ireo nitsahatra nino an’i Jesoa ary tsy nankatò ny didiny.

Sary
Many righteous Saint are killed. The Apostles are killed also and the Church is no longer on the earth. - ch.64-3

Novonoina ireo Apôstôly sy ny ankamaroan’ireo Olomasina. Tsy nisy na iray aza tafajanona hitarika ny Fiangonana. Nesorina hiala teto an-tany ny fanalahidin’ny fisoronana. Tsy nanana mpaminany hitarika azy ireo ny olona. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tsy teto an-tany intsony. Efa nolazain’ny Apôstôly Paoly sy Petera fa hitranga izany.

Sary
Many different churches are established, but none are Jesus Christ's church. - ch.64-4

An-jaton-taonany maro no lasa. Nisy fiangonana maro isan-karazany tamin’izany. Tsy nisy nanana Apôstôly na ny fisoronan’Andriamanitra izy ireny. Tsy nisy na iray aza tamin’ireo fiangonana ireo no Fiangonan’i Jesoa Kristy. Kanefa ireo mpaminany dia efa nilaza fa aorian’ny taona maro dia hiverina eto an-tany indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Sary
In 1820 Joseph Smith goes to the woods near his home and prays. - ch.64-5

Tamin’ny taona 1820 dia nisy zazalahy nantsoina hoe Joseph Smith izay te-hahafantatra hoe iza amin’ireo fiangonana no Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nandeha tany anaty ala tany akaikin’ny tranony izy mba hivavaka. Nangataka an’Andriamanitra izy hilaza azy aminy izay fiangonana marina.

Sary
Heavenly Father and Jesus Christ appear to Joseph Smith.l - ch.64-6

Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nilaza tamin’i Joseph ny Mpamonjy mba tsy hiditra ho mpikambana any amin’izay fiangonana misy satria tsy misy Fiangonany izy ireo.

Sary
Joseph Smith translates the gold plates. - ch.64-7

Nisafidy ny hamerina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany indray Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Nandefa anjely Andriamanitra mba hanome an’i Joseph Smith ny fisoronana. Nanampy an’i Joseph nandika ny Bokin’i Môrmôna Izy. Tamin’ny 6 Aprily 1830 dia naorina teto an-tany indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Sary
Joseph Smith organizes the Church with Twelve Apostles - ch.64-8

Tahaka ny nisafidianan’i Jesoa Apôstôly Roa ambin’ny folo fony mbola tety an-tany Izy, dia nampian’Andriamanitra i Joseph Smith hifidy Apôstôly Roa ambin’ny folo hanampy azy hitarika ny Fiangonana. Nomena ny hery hampianatra ny filazantsara sy hanao fahagagana ireo lehilahy ireo.

Sary
Missionaries teach people about the true church. - ch.64-9

Tian’i Jesoa hahafantatra ny Fiangonany ny olon-drehetra. Nilaza tamin’i Joseph Smith Izy handefa misiônera hampianatra ny olona rehetra momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Sary
The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints is the same church Jesus organized when He was on the earth. Jesus Christ is pictured with the Salt Lake Temple in the background. - ch.64-10

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ilay fiangonana izay naorin’i Jesoa ihany fony Izy niaina tety an-tany.

Hamoaka printy