Scripture Stories
Toko 14: I Nikodemosy


Toko 14

I Nikodemosy

Sary
Nicodemus - ch.14-1

I Nikodemosy dia anisan’ny tao anatin’ny vondron’ny Jiosy anankiray izay nantsoina hoe Fariseo. Anisan’ny mpanapaka teo anivon’ny Jiosy koa Izy. Maro ireo Fariseo no tsy nino fa i Jesoa Kristy dia nirahin’Andriamanitra. Fa i Nikodemosy kosa dia nino noho ny fahagagana nataon’i Jesoa.

Sary
Nicodemus comes at night to talk to Jesus - ch.14-2

Indray alina dia tonga niresaka tamin’ny Mpamonjy i Nikodemosy. Nilaza taminy i Jesoa fa raha tsy ateraka indray ny olona iray dia tsy afaka ny hiditra ny fanjakan’Andriamanitra.

Sary
Nicodemus asks Jesus how a person can be born again - ch.14-3

Tsy azon’i Nikodemosy izany. Hataon’ny olona ahoana no hateraka indray? Nazavain’ny Mpamonjy fa zavatra ara-panahy izany noresahany izany. Ny hoe ateraka indray, dia tsy maintsy atao batisan’ny rano ary mandray ny Fanahy Masina ny olona iray.

Sary
Jesus tells Nicodemus He is on earth to prepare a way for all men to return to Heavenly Father - ch.14-4

Nazavain’i Jesoa fa nalefa tety an-tany Izy mba hanampy antsika rehetra hiverina any amin’ny Ray any an-danitra. Nilaza Izy fa hijaly noho ny fahotantsika ary ho faty eny ambony hazo fijaliana mba hananantsika ny fiainana mandrakizay.

Sary
Jesus tells Nicodemus that men need to choose the right to live in the kingdom of God - ch.14-5

Nilaza Izy fa mila mino Azy isika ary misafidy ny tsara. Raha manao ny tsara isika, dia hiaina mandrakizay ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Hamoaka printy