Scripture Stories
Toko 19: Ny Toriteny teo An-tendrombohitra


Toko 19

Ny Toriteny teo An-tendrombohitra

Sary
Sermon on the Mount - Jesus teaching on a mountainside by the Sea of Galilee - ch.20-1

Indray andro dia nampianatra ny mpianany ny filazantsara teny amin’ny tendrombohitra iray akaikin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus is teaching the people how to live - ch.20-2

Nilaza tamin’izy ireo ny fomba tokony hiainana Izy mba hahafahan’izy ireo ho faly sy hiaina miaraka amin’Andriamanitra indray. Ireo zavatra nampianariny azy ireo dia afaka mahatonga antsika ho faly ihany koa.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus is telling the people to be gentle, patient and willing to follow the Lord - ch.20-3

Nilaza i Jesoa fa tokony ho malemy fanahy, manam-paharetana, ary vonona ny hankatò ny Ray any an-danitra isika.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus teaches the people that they should be righteous - ch.20-4

Tokony hiezaka faran’izay tratrantsika isika mba ho marina.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus teaches that we should forgive those who do wrong to us - a man who has been injured is pictured with his attacker - ch.20-5

Tokony hamela ny olona izay nanafintohina antsika, na nanao izay nampalahelo antsika isika. Raha mamela azy ireny isika, dia hamela antsika ny Ray any an-danitra.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus teaches the people to be peacemakers - people giving food to others is depicted - ch.20-6

Isika dia tokony ho mpampihavana, tia ny olona hafa, ary hanampy ny olona rehetra mba hifankatia.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus tells the people to spread the gospel and do good - a man teaching an older woman is depicted - ch.20-7

Tsy tokony hatahotra hiteny amin’ny olona momba ny filazantsara isika na hampiseho azy ireo fa tia ny Ray any an-danitra isika. Rehefa hitan’ny olon-kafa manao ny tsara isika, dia hanampy azy ireo hino an’Andriamanitra koa izany.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus teaches the people to keep promises - a man is depicted giving money to a woman who is selling bread - ch.20-8

Tokony hitandrina ny fanekempihavanantsika foana isika.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus teaches the people to treat others as they would want to be treated - a man is depicted helping a lame man walk - ch.20-9

Ary tahaka ny hitiavantsika ny hanehoan’ny olon-kafa hatsaram-panahy amintsika ihany koa no tokony hanehoantsika hatsaram-panahy amin’izy ireo.

Sary
Sermon on the Mount - Jesus tells the people they will be happy and blessed if they follow they things He has told them - ch.20-10

Nilaza i Jesoa fa raha manao ireo zavatra ireo isika, dia ho faly ary hitahy antsika ny Ray any an-danitra ary hiaraka hiaina Aminy indray isika.

Hamoaka printy