Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 61: I Paoly sy i Silasy tao an-Tranomaizina


Toko 61

I Paoly sy i Silasy tao an-Tranomaizina

Sary
A girl with an evil spirit in her sits on the ground. People pay money to hear her speak. - ch.61-1

Nisy vehivavy iray nitoeran’ny fanahy ratsy. Tian’ny olona ny mihaino izay ampitenenan’ny fanahy ratsy ilay ankizivavy. Nandoa vola tamin’ilay lehilahy niasany izy ireo mba hihainoana ilay fanahy ratsy miteny.

Sary
Paul and Silas cast the evil spirit out of the girl and the men who earn money with her are angry. - ch.61-2

Na taiza na taiza nalehan’i Paoly sy i Silasy dia narahan’ilay ankizivavy izy ireo. Rehefa nanao izany ilay ankizivavy, dia niteny ilay fanahy ratsy. Indray andro dia nodidian’i Paoly ilay fanahy ratsy mba hiala ao amin’ilay ankizivavy. Niseho tokoa izany. Tezitra ireo lehilahy niasany. Tsy afaka ny hahazo vola intsony izy ireo.

Sary
The angry men take Paul and Silas to the leaders of the city. - ch.61-3

Nentin’ireo lehilahy tany amin’ny mpitondra tao amin’ny tanànan’izy ireo i Paoly sy i Silasy. Nilaza izy ireo fa nanakorontana i Paoly sy i Silasy.

Sary
Paul and Silas are whipped and put in prison. - ch.61-4

Nasain’ireo mpitarika nokaravasiana i Paoly sy i Silasy ary nampidirina am-ponja.

Sary
Paul and Silas pray and sing hymns. The prison shakes and the doors open. - ch.61-5

Nandritra izany alina izany dia nivavaka sy nihira hira fiderana ny Ray any an-danitra i Paoly sy i Silasy. Nandre azy ireo daholo ny tao am-ponja rehetra. Kanjo nanomboka nihovitrovitra tampoka ny tany. Nisokatra ny varavaran’ny fonja.

Sary
The prison guard finds Silas and Paul still in the prison. He asks them how he can be saved. - ch.61-6

Taitra ilay mpiambina ary nahita ny varavarana nisokatra. Nieritreritra izy fa nitsoaka ireo gadra. Nilaza tamin’ilay mpiambina i Paoly mba tsy hanahy. Mbola tao daholo ny gadra rehetra. Nandohalika teo amin’i Paoly sy i Silasy ilay mpiambina ary nanontany ny tokony hataony mba ho voavonjy.

Sary
The prison guard is baptized along with his family. - ch.61-7

Nampianarin’i Paoly sy i Silasy ny filazantsara ilay mpiambina sy ny fianakaviany. Natao batisa tamin’izay alina izay ilay mpiambina sy ny fianakaviany.

Sary
Paul and Silas are set free from the prison. - ch.61-8

Ny ampitson’iny dia navotsotr’ireo mpitondra tao amin’ilay tanàna i Paoly sy i Silasy. Nandeha tany amin’ny tanàna hafa i Paoly sy i Silasy nanao asa fitoriana maro.

Hamoaka printy