Scripture Stories
Toko 34: Ilay Zazalahy Nitoeran’ny Fanahy Ratsy


Toko 34

Ilay Zazalahy Nitoeran’ny Fanahy Ratsy

Sary
A man asks the Savior to heal his son saying that the disciples had been unable to help him - ch.33-1

Indray andro dia nisy lehilahy iray nangataka ny Mpamonjy mba hanampy ny zanany lahy. Nisy fanahy ratsy nitoetra tao amin’ilay zazalahy. Efa niezaka nanasitrana ity zanany ireo mpianatra, fa tsy nahasitrana.

Sary
The evil spirit makes the boy fall to the ground - ch.33-2

Nasain’i Jesoa nentin’ilay lehilahy teo Aminy ilay zanany lahy. Rehefa tonga teo ilay zazalahy, dia nazeran’ilay fanahy ratsy tamin’ny tany izy.

Sary
The Savior asks the father how long his son has had the evil spirit - ch.33-3

Nanontanian’ny Mpamonjy hoe hafiriana no nitoeran’ilay fanahy ratsy tao amin’ilay zazalahy. Nilaza ilay rainy fa efa nitoetra tao aminy hatramin’ny fahazazany izany.

Sary
The man says he has faith for his son to be healed - ch.33-4

Nilaza i Jesoa fa afaka manasitrana ilay zanany Izy raha toa ka manana finoana ilay rainy. Nanomboka nitomany ilay ray. Nilaza izy fa manam-pinoana. Saingy mbola nangataka tamin’i Jesoa izy hanampy azy hanana finoana bebe kokoa.

Sary
The Savior commands the evil spirit to come out of the boy - ch.33-5

Nodidian’i Jesoa mba hiala tao amin’ilay zazalahy ilay fanahy ratsy ary tsy hiverina ao aminy intsony. Tezitra ilay fanahy ratsy. Nampijaly ilay zazalahy indray izany. Ary nankatò an’i Jesoa ihany izany ary niala.

Sary
The Savior reaches down and takes the boy by the hand - ch.33-6

Tena tony ny nahitana ilay zazalahy ka maro no nilaza fa maty izy. Kanefa dia noraisin’i Jesoa ny tanany ary nampiany izy mba hitsangana. Sitrana ilay zazalahy. Lasa ilay fanahy ratsy.

Sary
When the disciples ask why they couldn't cast out the evil spirit Jesus tells them they should have fasted and prayed - ch.33-7

Taty aoriana dia nanontanian’ny mpianany i Jesoa hoe nahoana no tsy afaka nanala ilay fanahy ratsy tao amin’ilay zazalahy izy ireo. Nolazain’i Jesoa fa indraindray dia mila mivavaka sy mifady hanina izy ireo mba hahasitrana ny olona iray.

Hamoaka printy