Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 42: Ilay Tovolahy Mpanan-karena


Toko 42

Ilay Tovolahy Mpanan-karena

Sary
A rich young man asks Jesus what he needs to do to inherit eternal life - ch.42-1

Indray andro dia nisy tovolahy mpanan-karena nanatona an’i Jesoa ary nanontany Azy ny tokony hataony hidirany ny lanitra.

Sary
The Savior tells the young man to keep the commandments - ch.42-2

Nilaza taminy ny Mpamonjy mba ho tia sy hanaja ny ray aman-dreniny ary tsy hamono olona na handainga na hangalatra. Nilaza ilay tovolahy mpanan-karena fa nankatò foana ireo didy izy.

Sary
Jesus tells the young man that he needs to sell all that he has and give the money to the poor and follow Him - ch.42-3

Nilaza tamin’ilay tovolahy i Jesoa fa mila manao zavatra iray fanampiny Izy. Mila mivarotra ny fananany rehetra izy ary manome ny vola rehetra ho an’ny mahantra. Dia tokony hanaraka Azy ilay tovolahy.

Sary
The rich young man is unhappy about selling all that he has and leaves - ch.42-4

Tsy te-hanome ny fananany rehetra ilay tovolahy. Tiany mihoatra an’Andriamanitra ireo zavatra nananany. Niala tamin’alahelo ilay tovolahy.

Sary
Jesus tells His disciples that it is hard for those who love riches to go to heaven - ch.42-5

Nilaza tamin’ny mpianany ny Mpamonjy fa sarotra ho an’ireo mpanan-karena ny mankany an-danitra. Tsy takatr’ireo mpianany izany. Nanontany izy ireo hoe iza no afaka miaina miaraka amin’Andriamanitra. Nilaza i Jesoa fa ireo olona izay matoky an’Andriamanitra sy tia Azy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra no afaka miaraka miaina Aminy any an-danitra.

Hamoaka printy