Scripture Stories
Toko 44: Nandeha Tany Jerosalema i Jesoa


Toko 44

Nandeha Tany Jerosalema i Jesoa

Sary
The Pharisees hear about Jesus raising Lazarus from the dead - ch.44-1

Nisy olona sasany nilaza tamin’ny mpisorona sy ny Fariseo fa i Jesoa dia nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Nieritreritra ireo Fariseo fa ny olon-drehetra dia nino an’i Jesoa. Natahotra izy ireo sao tsy hisy olona hihaino azy ireo intsony.

Sary
The Pharisees plan to kill Jesus - ch.44-2

Nanao drafitra hamonoana an’i Jesoa ireo Fariseo. Niandry Azy mba ho tonga any Jerosalema izy ireo mandritra ny andro firavoravoana amin’ny Paska.

Sary
Jesus rides into Jerusalem on a donkey and is greeted by people waving branches of palm trees - ch.44-3

Nandeha tany Jerosalema i Jesoa. Maro ireo olona nandre fa ho avy Izy ary dia nandeha mba hahita Azy izy ireo. Nitaingina ampondra kely i Jesoa niditra ny tanàna. Nisy mpaminany iray nanoratra fa ny Zanak’Andriamanitra dia hanao izany. Maro ireo olona nino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra. Napetrak’izy ireo tamin’ny tany mba handehanany ny sampan-drofia sy ny sasany tamin’ny akanjon’izy ireo. Nihiaka hoe hosana izy ireo ary nilaza fa i Jesoa no mpanjakan’izy ireo.

Sary
The disciples tell people that Jesus is a prophet from Nazareth - ch.44-4

Tonga nijery ny zava-nitranga ny vahoaka tao Jerosalema. Nanontany izy ireo hoe iza marina moa i Jesoa. Nisy olona teo anivon’ilay vahoaka marobe nilaza tamin’izy ireo fa Izy ilay mpaminany avy any Nazareta.

Sary
The Pharisees are angry because so many believe in the Savior - ch.44-5

Tezitra ireo Fariseo. Tsy tian’izy ireo ny olona hino fa i Jesoa no Mpamonjy. Fantatr’i Jesoa fa te-hamono Azy ireo Fariseo.

Sary
Jesus tells the disciples that He will soon die - ch.44-6

Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa fa ho faty tsy ho ela Izy. Hijaly noho ny fahotan’ny olon-drehetra Izy ary ho faty eny amin’ny hazo fijaliana. Izy no Mpamonjy an’izao tontolo izao. Izay no antony nahatongavany tety an-tany.

Hamoaka printy