Scripture Stories
Toko 15: Ilay Vehivavy teo An-davadrano


Toko 15

Ilay Vehivavy teo An-davadrano

Sary
Jesus travels through Samaria - ch. 15-1

Niala tao Jerosalema i Jesoa ka nankany Galilia. Namakivaky an’i Samaria Izy ary tonga teo amin’ny lavadrano iray.

Sary
Jesus asks a Samaritan woman to give Him a drink from the well - ch.15-2

Reraka Izy ary naka aina teo akaikin’ilay lavadrano. Nisy vehivavy Samaritana iray avy hantsaka rano. Nangataka rano taminy i Jesoa.

Sary
The Samaritan woman is surprised that Jesus spoke to her - ch.15-3

Satria moa ny Jiosy matetika tsy miresaka amin’ny Samaritana, dia gaga ilay vehivavy.

Sary
Jesus offers the woman "living water" - ch.15-4

Nilaza tamin’ilay vehivavy i Jesoa fa Izy dia afaka manome azy karazana rano izay tsy hampangetaheta azy intsony. Nazavainy fa Izy no Mpamonjy. Ny rano izay azony omena azy dia ny “rano velon’ny” fiainana mandrakizay.

Sary
The woman tells people in the city about Christ and they come to see Him - ch.15-5

Nandeha nankany an-tanàna ilay vehivavy ary nilaza tamin’ny olona maro ny momba an’i Jesoa. Nandeha tany amin’ilay lavadrano izy ireo ary izy ireo mihitsy no nihaino an’i Jesoa. Maro tamin’izy ireo no nino ny teniny.

Hamoaka printy