Scripture Stories
Toko 13: I Jesoa sy ny Tranon’ny Rainy any an-danitra


Toko 13

I Jesoa sy ny Tranon’ny Rainy any an-danitra

Sary
Jesus goes to the temple in Jerusalem - ch.13-1

Nandeha tany amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesoa. Olona maro no mankany mba hanolotra fanatitra amin’ny alalan’ny famonoana biby sy fandorana izany eo amin’ny alitara. Ilay sorona dia manampy ny olona hisaintsaina momba ny Mpamonjy, izay hanao sorona ny tenany amin’ny alalan’ny fizakana fijaliana sy fanekena ho faty ho azy ireo.

Sary
Jesus sees men selling animals in the temple - ch.13-2

Nisy olona sasany tsy nanana biby mba hatao sorona. Nivarotra biby tamin’izy ireo tao amin’ny tempoly ny olona. Te-hahazo vola be ireo mpivarotra. Tsy nieritreritra momba an’Andriamanitra izy ireo.

Sary
Jesus tells the men that the temple is a holy place - ch.13-3

Hitan’i Jesoa ireo mpivarotra biby tao amin’ny tempoly ireo. Nilaza Izy fa ny tempoly dia tranon’ny Ray any an-danitra, izay toerana masina. Nilaza izy fa tsy tokony hividianana na hivarotana zavatra eo amin’izany toerana izany.

Sary
Jesus uses a whip to drive the money changers from the temple - ch.13-4

Nanao kotopia kofehy i Jesoa, dia nampianjera ireo latabatra sy nanimpy ireo vola tamin’ny tany, ary nandroaka ireo mpivarotra hiala ny tempoly. Tsy ho avelany hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ny tranon’ny Ray any an-danitra.

Hamoaka printy