Toko 37
Ireo Boka Folo
Nandeha teny amin’ny tanàna kely iray i Jesoa ka nahita boka folo. Ny boka dia olona marary. Ilay aretina dia mahatonga azy ireo ho lasa feno fery manerana ny vatan’izy ireo.
Ireo mpitsabo dia tsy afaka nanampy ireo boka. Matahotra ny hanatona akaiky azy ireo ny olona. Tsy te-harary koa izy ireo.
Nangataka an’i Jesoa ireto boka mba hositraniny. Fantatr’izy ireo fa afaka manadio ny feriny Izy.
Tian’i Jesoa mba ho sitrana izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo Izy mba handeha hiseho amin’ny mpisorona.
Raha mbola teny an-dalana ho any amin’ny mpisorona izy ireo, dia sitrana ireo boka folo. Nadio ny ferin’izy ireo.
Ny iray tamin’ireo boka dia nahafantatra fa i Jesoa no nanasitrana azy ireo. Niverina nisaotra Azy izy. Nanontanian’i Jesoa ny nalehan’ireo boka sivy ambiny. Tsy niverina izy ireo. Nilaza tamin’ilay boka izay nisaotra Azy i Jesoa fa ny finoan’ilay boka no nahasitrana azy.