Scripture Stories
Toko 49: Ilay Fanasan’ny Tompo Voalohany


Toko 49

Ilay Fanasan’ny Tompo Voalohany

Sary
Jews gather around a table for the Feast of the Passover - ch.49-1

Isan-taona ny Jiosy dia mankalaza ny fety antsoina hoe Paska. Manampy ireo vahoaka Jiosy izany hahatsiaro ny namonjen’Andriamanitra ny razamben’izy ireo tamin’ny andron’i Mosesy.

Sary
The Savior sends Peter and John to get a room for the Passover feast - ch.49-2

Nitady toerana mba hihinanana ny sakafon’ny Paska i Jesoa sy ireo Apôstôly roa ambin’ny folo. Naniraka an’i Petera sy i Jaona mba hitady efitrano ny Mpamonjy sy hijery raha efa vonona ny zavatra rehetra mikasika ilay fisakafoanana.

Sary
Peter and John make arrangements for the room - ch.49-3

Nahita efitrano izy ireo ary nanomana ny sakafo.

Sary
Jesus and His Apostles gather in the room for the Passover feast - ch.49-4

Nandeha tany avokoa i Jesoa sy ny Apôstôly rehetra. Niara-nihinana ny sakafon’ny Paska izy ireo.

Sary
Jesus blesses the bread - ch.49-5

Nanolotra ny fanasan’ny Tompo voalohany tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa. Nandray ny mofo tamin’ny tanany Izy, dia nohamasininy ary novakivakiany avy eo. Nilaza tamin’ireo Apôstôly Izy mba hihinana ny mofo.

Sary
Jesus tells His Apostles to think of His body when they eat the bread - ch.49-6

Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa mba hieritreritra ny vatany eo am-pihinanana izany. Nangataka azy ireo Izy hahatsiaro fa ho faty ho azy ireo Izy.

Sary
Jesus pours wine into a cup - ch.49-7

Nandraraka divay tao anaty kapaoka Izy. Nohamasininy ilay divay ary nasainy nosotroin’ny Apôstôly izany.

Sary
Jesus tells the Apostles to think of His blood when they drink the wine - ch.49-8

Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa mba hieritreritra ny rany rehefa misotro ny divay izy ireo. Nangataka azy ireo Izy hahatsiaro fa halatsa-dra sy hijaly Izy noho ny fahotan’ny olona rehetra.

Sary
Jesus tells His Apostles that wicked men will kill Him - ch.49-9

Nilaza tamin’ny Apôstôly koa i Jesoa fa hisy olona ratsy fanahy hamono Azy tsy ho ela. Nalahelo mafy ny iraika ambin’ny folo tamin’ireo Apôstôly. Tian’izy ireo ny Mpamonjy ary tsy tiany ho faty. Fantatr’i Jesoa fa ny iray amin’ireo Apôstôly dia hanampy ireo olona ratsy fanahy. Ny anarany dia i Jodasy Iskariota.

Hamoaka printy