Scripture Stories
Toko 60: Natsangan’i Petera tamin’ny Maty i Tabita


Toko 60

Natsangan’i Petera tamin’ny Maty i Tabita

Sary
Tabitha followed the teachings of Jesus Christ and did much good. ch.58-1

Nisy vehivavy tsara iray nantsoina hoe Tabita nipetraka tao amin’ny tanànan’i Jopa. Mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izy. Nanampy olona maro izy ary nanao zavatra tsara maro.

Sary
Tabitha dies.

Narary izy ary dia maty.

Sary
Peter comes to see Tabitha. - ch.58-3

Nandeha tany amin’i Petera ireo namany. Rehefa tonga tany izy, dia nangataka tamin’ireo naman’i Tabita mba handao ny efitrano.

Sary
Peter prays over Tabitha and she arises. - ch.58-4

Nandohalika ary nivavaka i Petera, dia nilaza tamin’i Tabita mba hitsangana. Nosokafany ny masony ary nitsangana izy.

Sary
Peter calls Tabitha's friends and they come to see her alive. - ch.58-5

Nampian’i Petera izy mba hitsangana. Nantsoiny ireo namany. Tamy izy ireo ary nahita fa velona izy. Nampiasa ny herin’ny fisoronana i Petera mba hamelomany an’i Tabita indray. Olona maro tany Jopa no nino an’i Jesoa Kristy rehefa nahafantatra fa velona indray i Tabita.

Hamoaka printy