Toko 36 Ireo Fanoharana Telo Notantarain’i Jesoa Indray andro dia niara-nihinana sy niresaka tamin’ olona izay noeritreretin’ny maro fa mpanota i Jesoa. Nisy Fariseo maromaro nahita Azy. Lioka 15:1–2 Ireo Fariseo dia nino fa ny olona tsara dia tsy tokony hiresaka amin’ny mpanota. Nieritreritra izy ireo fa i Jesoa dia tsy olona tsara satria niresaka tamin’ny mpanota Izy. Lioka 15:2 Ny Mpamonjy dia te-hanampy ireo Fariseo hahatakatra ny antony niarahany tamin’ireo mpanota. Nilaza fanoharana anankitelo tamin’izy ireo Izy. Ny voalohany dia momba ilay ondry very. Lioka 15:3; Teachings of the Prophet Joseph Smith, 277 Ny Fanoharana Voalohany : Ilay Ondry Very Ny Fanoharana Faharoa : Ilay Farantsakely Very Ny Fanoharana Fahatelo : Ilay Zanaka Adala