Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 7: Ireo Magy


Toko 7

Ireo Magy

Sary
The wise men see the star - ch.7-1

Nisy magy vitsivitsy nipetraka tany amin’ny faritra iray hafa. Nahafantatra ny voalazan’ny mpaminany izy ireo momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Rehefa nahita kintana vaovao teny amin’ny lanitra izy ireo, dia fantany fa nisy mpanjaka vaovao izay teraka.

Sary
King Herod and the Wise Men - ch. 7-2

Nitsidika an’i Heroda mpanjakan’ny Jiosy tao Jerosalema ireo Magy. Nanontanian’izy ireo izay toerana nahaterahan’ilay mpanjaka vaovao. Nilaza azy ireo i Heroda mba hikaroka any Betlehema. Rehefa hitan’izy ireo ilay zaza dia tokony hiverina hampandre an’i Heroda izy ireo.

Sary
The Wise Men worship Jesus - ch.7-3

Nandeha tany Betlehema ireo Magy ary nahita an’i Jesoa. Nitsaoka Azy izy ireo ary nanolotra fanomezana ho azy. Nolazaina tao anatin’ny nofy izy ireo mba tsy hiverina any Jerosalema hilaza amin’i Heroda ny toerana misy ny zaza. Tsy nankany izy ireo.

Hamoaka printy