Scripture Stories
Toko 12: Ilay Fampakaram-bady tao Kana


Toko 12

Ilay Fampakaram-bady tao Kana

Sary
Mary approaches Jesus during the wedding feast in Cana to say there is no more wine to serve the guests - ch.12-1

Nanatrika fety fampakaram-bady tao Kana i Jesoa sy ny mpianany. Tao ihany koa i Maria renin’i Jesoa. Nilaza tamin’i Jesoa izy fa lany ny divay ho an’ny vahiny.

Sary
Jesus tells Mary He will help - ch.12-2

Nanaja sy tia ny reniny i Jesoa. Nanontany azy izay tokony hataony Izy.

Sary
Mary tells the servants at the wedding feast to do whatever Jesus asks them to do - ch.12-3

Nilaza tamin’ireo mpanompo tao amin’ny fampakaram-bady i Maria mba hanao izay rehetra lazain’i Jesoa.

Sary
Jesus instructs the servants to fill some jars with water - ch.12-4

Nilaza tamin’ireo mpanompo i Jesoa mba hameno rano ireo siny vato miisa enina. Ny siny iray dia mahalany rano eo amin’ny 68 ka hatramin’ny 102 litatra eo. Ary dia novainy ho divay ilay rano.

Sary
A servant pours wine from one jar to another while Jesus looks on - ch.12-5

Nilaza tamin’ireo mpanompo Izy haka divay avy ao anaty siny ary handroso izany eo amin’ny mpandahatra ny fanasana.

Sary
The ruler of the feast drinks the wine - ch.12-6

Talanjona ilay mpandahatra ny fanasana rehefa nisotro ilay divay. Ny divay tsara indrindra matetika dia haroso amin’ny fanombohan’ny fety. Fa tamin’ity indray mitoraka ity, ny divay tsara indrindra no naroso farany.

Sary
Jesus performed this miracle to help his mother Mary - ch.12-7

Izany no fahagagana voalohany voarakitra nataon’i Jesoa nandritra ny fiainany teto an-tany. Nanao izany Izy mba hanampiany ny reniny. Lasa nampatanjaka ihany koa ny finoan’ireo mpianany izany.

Hamoaka printy