Scripture Stories
Toko 3: Teraka i Jaona Mpanao Batisa


Toko 3

Teraka i Jaona Mpanao Batisa

Sary
The angel Gabriel tells Mary that Elisabeth will have a baby too. - ch.3-1

Nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela fa hanan-janaka lahy ihany koa i Elizabeta. Mpihavana i Maria sy i Elizabeta.

Sary
Mary goes to visit Elisabeth - ch.3-2

Nandeha nitsidika an’i Elizabeta i Maria. Ny Fanahy Masina dia nilaza tamin’i Elizabeta fa i Maria no ho renin’i Jesoa Kristy. Nisaotra an’Andriamanitra noho ny fitahiana nomeny azy ireo i Maria sy i Elizabeta. Niara-nipetraka tamin’i Elizabeta nandritra ny telo volana i Maria. Avy eo dia nody tany Nazareta i Maria.

Sary
John the Baptist is born - ch.3-2

Teraka ny zanakalahin’i Elizabeta. Faly ny fianakaviany sy ny namany. Nieritreritra izy ireo fa tokony ho antsoina hoe Zakaria tahaka ny rainy ilay zaza. Saingy nilaza i Elizabeta fa i Jaona no hiantsoana azy. Taitra ny olon-drehetra.

Sary
Zacharias writes the name of his son - ch.3-4

Nanontanian’ny olona i Zakaria hoe iza no anaran’ilay zaza. Tsy mbola afa-niteny i Zakaria, ka dia nanoratra izy hoe: “Ny anarany dia i Jaona.”

Sary
Zacharias thanks God for his son - ch.3-5

Ary dia afaka niteny indray i Zakaria. Feno ny Fanahy Masina izy. Nilaza tamin’ny olona izy fa tsy ho ela dia ho teraka i Jesoa Kristy ary i Jaona no hanomana ny olona momba Azy.

Sary
John the Baptist as a baby - ch.3-6

Rehefa nihalehibe i Jaona dia lasa mpaminany lehibe. Nampianatra ny olona momba an’i Jesoa Kristy izy.

Hamoaka printy