Scripture Stories
Toko 35: Ilay Samaritana Tsara Fanahy


Toko 35

Ilay Samaritana Tsara Fanahy

Sary
Jesus teaching the people - ch.36-1

Nitantara tantara maro na fanoharana i Jesoa, mba hanampiana ny olona hianatra ny fahamarinana.

Sary
A leader of the Jews asks Jesus "Who is my neighbor?" - ch.36-2

Indray andro dia nisy mpitarika ny Jiosy nanontany an’i Jesoa izay tokony hataony mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Nanontanian’ny Mpamonjy azy izay voalazan’ny soratra masina. Nilaza ilay mpitarika fa tokony ho tia an’Andriamanitra sy ho tia ny namany ny olona iray. Nilaza i Jesoa fa marina izany. Dia nanontany ilay mpitarika hoe: “Iza ary no namako?”

Sary
A man is attacked by thieves on his way to Jericho - ch.36-3

Namaly ilay lehilahy tamin’ny alalan’ny tantara iray i Jesoa. Indray andro nisy lehilahy Jiosy iray nandeha tamin’ny lalana nankany amin’ny tanànan’i Jeriko. Norobain’ny jiolahy sy novonoin’izy ireo izy. Navelan’izy ireo teo amin’ny lalana teo ilay lehilahy rehefa saiky maty.

Sary
A Jewish priest sees the man who was robbed and beaten, but passes by on the other side of the road - ch.36-4

Fotoana fohy taorian’izay dia nisy mpisorona nandalo ka nahita an’ilay lehilahy. Nandeha teny ampitan’ny lalana ilay mpisorona. Tsy nanampy ilay lehilahy izy.

Sary
A Levite also sees the man and passes by - ch.36-5

Nisy lehilahy Jiosy iray hafa miasa ao amin’ny tempoly nandalo. Nahita ilay lehilahy naratra izy. Kanefa dia tsy nanampy ilay lehilahy koa ary dia nandeha teny ampitan’ny lalana.

Sary
A Samaritan stops and helps the man - ch.36-6

Avy eo dia nisy Samaritana nandalo. Tsy mba nifankahazo ny Jiosy sy ny Samaritana. Kanefa rehefa nahita ity lehilahy ilay Samaritana, dia nalahelo azy. Nokarakarainy ny ratran’ilay lehilahy ary nampitafiany izy.

Lioka 10:33–34; Jaona 4:9; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Samaritana,” 218

Sary
The Samaritan leaves some money with the innkeeper to take care of the Jew - ch.36-7

Nentin’ilay Samaritana tany amin’ny tranom-bahiny ilay lehilahy ary nokarakarainy mandra-pahatongan’ny ampitson’iny. Rehefa tsy maintsy nandeha ilay Samaritana, dia nanome vola an’ilay tompon’ny tranom-bahiny izy ary nangataka azy mba hikarakara ilay lehilahy.

Sary
Jesus asks the leader of the Jews, which of the three men was neighbor unto the injured man - ch.36-8

Taorian’ny fitantaran’i Jesoa izany tantara izany, dia nanontany an’ilay mpitarika Jiosy Izy hoe iza amin’ireo lehilahy telo ireo no naman’ilay lehilahy naratra.

Sary
The leader says that the Samaritan was the neighbor because he helped the injured man and Jesus tells the leader to do likewise - ch.36-9

Nilaza ilay mpitarika fa ilay Samaritana satria izy no nanampy ilay lehilahy. Nilaza tamin’ilay mpitarika Jiosy i Jesoa mba hanao tahaka ilay Samaritana koa.

Hamoaka printy