Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 55: Nitantana ny Fiangonana ireo Apôstôly


Toko 55

Nitantana ny Fiangonana ireo Apôstôly

Sary
After His resurrection Jesus spends forty days with the Apostles - ch.55-1

Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nijanona nandritra ny 40 andro niaraka tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa. Nampianatra azy ireo zavatra maro Izy mikasika ny filazantsara sy ny Fiangonany.

Sary
Jesus tells His Apostles to preach the gospel to all people - ch.55-2

Nasainy nampianatra ny filazantsara amin’ny olona rehetra izy ireo. Nilaza koa Izy, fa handao azy ireo atsy ho atsy, saingy ny Fanahy Masina dia ho avy hanampy azy ireo.

Sary
The Apostles watch as Jesus ascends to heaven - ch.55-3

Nijery an’i Jesoa niakatra nankany any an-danitra ireo Apôstôly. Nisy anjely roa niankanjo fotsy nilaza tamin’ireo Apôstôly fa mbola hiverina avy any an-danitra indray i Jesoa indray andro any.

Sary
Peter, James and John are leading the Church - ch.55-4

Ny Apôstôly no mpitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany nanomboka tamin’izay. I Petera no Filoha, ary i Jakoba sy i Jaona no mpanolotsainy.

Sary
Matthias is chosen and ordained to be an Apostle - ch.55-5

Iraka ambin’ny folo ihany ireo Apôstôly—Maty i Jodasy. Nilaza an’ireo Apôstôly ny Ray any an-danitra mba hifidy an’i Matiasy ho iray amin’ireo Apôstôly. Nanana antso miavaka tao amin’ny fisoronana daholo ireo Apôstôly rehetra.

Sary
The members of the Church obey the commandments - ch.55-6

Nanana finoana ny Tompo ireo Apôstôly sy ireo mpianatra hafa. Nankatò ireo didy izy ireo. Nifankatia izy ireo.

Sary
The Apostles spread the gospel to many people - ch.55-7

Afaka nanao zavatra maro ireo Apôstôly niaraka tamin’ny fisoronana sy ny herin’ny Fanahy Masina. Nanasitrana ny marary ary nitory ny filazantsara izy ireo. Nampianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy ireo. Maro ireo olona nino ny tenin’ny Apôstôly ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nantsoina hoe Olomasina ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Hamoaka printy