Scripture Stories
Toko 31: I Jesoa Nanasitrana Lehilahy Marenina Iray


Toko 31

I Jesoa Nanasitrana Lehilahy Marenina Iray

Sary
A deaf man is brought to Jesus to be healed - ch.31-1

Nisy olona vitsivitsy nitondra lehilahy iray teo amin’i Jesoa. Marenina io lehilahy io ary tsy nahay niteny tsara. Tian’ny olona mba hositranin’ny Mpamonjy izy.

Sary
Jesus puts His fingers in the man's ears and on his tongue and blesses him - ch.31-2

Nentin’i Jesoa nisintaka teo anivon’ireo olon-kafa ilay lehilahy. Napetrany teo amin’ny sofin’ilay lehilahy ny tanany. Nokasihany ny lelan’ilay lehilahy ary nomeny tsodrano izy.

Sary
The man is healed and Jesus tells the people not to tell anyone - ch.31-3

Afaka nandre sy niteny amin’izay ilay lehilahy. Nahazo izay nolazainy ny olona. Nangataka ny olona i Jesoa mba tsy hilazalaza amin’ny olona izay zavatra niseho, saingy nolazain’izy ireo tamin’ny olon-drehetra ihany izany.

Hamoaka printy