Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 4: I Josefa sy ilay Anjely


Toko 4

I Josefa sy ilay Anjely

Sary
Joseph learns that Mary is going to have a baby - ch.4-1

I Josefa dia lehilahy tsara toetra sy tsara fanahy. Efa hivady izy sy i Maria. Rehefa nahafantatra izy fa bevohoka i Maria, dia tsy fantany izay tokony hatao. Satria tsy zanany ilay zaza, dia nieritreritra izy hoe tsy tokony hanambady an’i Maria.

Sary
An angel appears to Joseph in a dream - ch.4-2

Indray alina dia niseho tamin’i Josefa tao anatin’ny nofy ny anjely iray ary nilaza taminy fa ny zaza ao an-kibon’i Maria dia zanak’Andriamanitra. Nilaza tamin’i Josefa ilay anjely mba hanambady an’i Maria ary hiantso an’ilay zaza hoe Jesoa. I Jesoa no ho Mpamonjy an’izao tontolo izao.

Sary
Joseph and Mary are married - ch.4-3

Nankatò ilay anjely i Josefa ary nanambady an’i Maria.

Hamoaka printy