Tantara ao amin’ny soratra masina
Fampidirana: Ny Drafitry ny Raintsika any An-danitra


Fampidirana

Ny Drafitry ny Raintsika any An-danitra

Sary
Heavenly Father with a group of children - intro.-1

Isika dia niaina tany an-danitra niaraka tamin’ny Raintsika any an-danitra talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany. Isika dia fanahy izay zanany, ary nanana vatana fanahy. Tia Azy isika, ary Tia antsika Izy.

Enseignements du Prophète Joseph Smith, 354

Sary
Heavenly Father explains the plan of salvation - intro.-2

Ny Ray any An-danitra dia nampianatra antsika momba ny drafiny ho antsika. Antsoina hoe drafitry ny famonjena izany. Raha manaraka ny drafiny isika, dia afaka ny ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra. Ilay drafitra dia ny hahatongavantsika ety an-tany ary hananantsika vatana nofo sy ra. Hosedraina isika hijerena raha toa ka hisafidy ny hankatò ny didin’Andriamanitra.

Sary
Jesus Christ and Satan listen to Heavenly Father explain the plan of salvation - intro.-3

Ny drafitry ny famonjena dia manome fomba ahafahantsika miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray. Mila mitandrina ireo didy isika amin’izany. Kanefa dia mila fanampiana ihany koa. Ilaintsika ny hanesorana ny fahotantsika, ary ilaintsika ny hanana vatana nitsangana tamin’ny maty. Satria isika dia tsy afaka manala samirery ny fahotantsika na mampitsangana samirery amin’ny maty ny vatantsika, dia nila Mpamonjy isika hanao izany ho antsika.

Sary
Heavenly Father chooses Jesus Christ to be the Savior - intro.-4

Ny Ray any an-danitra dia nisafidy an’i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy atsika. Tia ny Ray any an-danitra i Jesoa. Tia antsika koa i Jesoa. Nanaiky ny ho tonga ety an-tany Izy mba hampiseho antsika ny fomba hahatongavana ho olo-marina. Hanomana lalana izy mba hahafahantsika rehetra ho voavonjy. Nanaiky ny hijaly noho ny fahotantsika Izy. Ho faty sy hitsangana amin’ny maty koa Izy mba hahafahantsika rehetra hitsangana amin’ny maty ihany koa.

Sary
Satan - intro.-5

Naniry ny ho Mpamonjy antsika ihany koa i Satana. Kanefa tsy tia ny Ray any an-danitra izy. Tsy tia antsika izy. Te-hanova ny drafitry ny Ray any an-danitra izy mba hahazoany ny hery sy ny voninahitr’Andriamanitra.

Sary
Satan leads his followers away - intro.-6

Nisy sasany tamin’ireo fanahy zanaky ny Ray any an-danitra no nisafidy ny hanaraka an’i Satana. Nampalahelo ny Ray any an-danitra tokoa izany. Noroahiny hiala tany an-danitra i Satana sy ireo mpanara-dia azy. I Satana no ilay devoly. Tiany sy tian’ireo fanahy nanaraka azy hoe hanota isika.

Sary
Jesus Christ creating the earth. He stands with arms upraised and planets in the background. - intro.-7

Nilaza tamin’i Jesoa ny Ray any an-danitra mba hanao tany ho antsika. Nanao izany i Jesoa. Nanao ny masoandro sy ny volana ary ny kintana Izy. Nasiany zavamaniry sy biby teto ambony tany. Ankehitriny dia nanana tany ipetrahana isika izay hahazoantsika vatana nofo sy ra.

Sary
A prophet teaches the people. He is holding stone tablets. - intro.-8

Maro ny olona tonga mba hiaina eto an-tany. Ny sasany amin’izy ireo dia misafidy ny hankatò ny didin’Andriamanitra ary ny sasany kosa tsy manao izany. Ireo mpaminany fahiny dia nampianatra ny olona momba ny drafitry ny Ray any an-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
A prophet sees Mary holding the baby Jesus. He is writing on a piece of paper. - intro.-9

Nilaza ireo mpaminany fa ny Ray any an-danitra no ho rain’i Jesoa. Ny reniny dia ho vehivavy tena tsara fanahy antsoina hoe Maria. Ho teraka ao Betlehema Izy.

Sary
A prophet explains that Jesus would look like other people. Jesus is depicted using carpentry tools. - intro.-10

Nilaza ireo mpaminany fa ho maro ireo olona no tsy hino hoe i Jesoa no Mpamonjy. Hitovy amin’ny olon-drehetra Izy ary tsy hanan-karena. Maro ny olona hankahala Azy.

Sary
A prophet tells of John the Baptist who will come before Jesus Christ comes. - intro.-11

Nilaza momba an’i Jaona Mpanao Batisa koa ireo mpaminany. Ho tonga alohan’i Jesoa izy ary hilaza amin’ny olona ny momba Azy. Hanao batisa an’i Jesoa i Jaona.

Sary
A prophet explains that Jesus will perform many miracles. Christ is depicted with a lame man. - intro.-12

Nilaza ireo mpaminany fa ho tsara fanahy sy hanao fahagagana maro be i Jesoa. Alohan’ny hahafatesany, dia hijaly noho ny fahotan’ny olona rehetra i Jesoa mba tsy hijalian’izy ireo raha toa ka mibebaka izy ireo.

Sary
A prophet foretelling the crucifixion of Jesus Christ. - intro.-13

Maro ireo mpaminany no nahafantatra fa hohomboana eo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy antsika. Hofantsihana eo amin’ny hazo fijaliana vita amin’ny hazo Izy ary hanolotra ny ainy ho antsika.

Sary
A prophet tells the people that Christ will be resurrected after three days. - intro.-14

Aorian’ny telo andro, dia hitsangana amin’ny maty Izy. Hiverina ao amin’ny vatany indray ny fanahiny. Satria ho faty i Jesoa ary hitsangana amin’ny maty, dia hitsangana amin’ny maty ihany koa isika rehetra.

Sary
Jesus, His Apostles and others- intro.-15

Ny Testamenta Vaovao dia mampiseho fa marina avokoa ny tenin’ireo mpaminany. Tantaran’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny izany. Niaina tany amin’ny Tany Masina izy ireo. Ny ankamaroan’ny olona izay niaina tany dia nantsoina hoe Jiosy. Nobaboin’ny Romana ny Tany Masina, ary dia nanjaka teo anivon’ny Jiosy izy ireo.

Hamoaka printy