Scripture Stories
Toko 21: Nandidy ny Rivotra sy ny Onjan-drano i Jesoa


Toko 21

Nandidy ny Rivotra sy ny Onjan-drano i Jesoa

Sary
Jesus and His disciples in a boat on the Sea of Galilee in the midst of a storm - ch.24-1

Niondrana an-tsambo tany amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa sy ireo mpianany. Resin-tory i Jesoa. Nanomboka nifofofofo mafy ny rivotra, ary nihafeno rano noho ny onjan-drano ny sambo. Natahotra ireto mpianatra sao ho rendrika izany. Nofohazin’izy ireo i Jesoa ary nangataka fanampiana Taminy izy ireo.

Sary
Jesus rebukes the wind and the waves and it is calm - ch.24-2

Nobaikon’ny Mpamonjy ny rivotra mba hitsahatra ary ny onja mba ho tony. Nitsahatra ny rivotra ary tony ny ranomasina.

Sary
Jesus asks the disciples where their faith is - They wonder that He is able to command the wind and the waves - ch.24-3

Nanontanian’i Jesoa an’ireo mpianany ny antony nahatahoran’izy ireo. Nilaza Izy fa tokony hanana finoana bebe kokoa izy ireo. Nanontany tena izy ireo hoe karazana olona toa inona no afaka mandidy ny rivotra sy ny ranomasina.

Hamoaka printy